Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toetra Tsara sa Ratsy ny Fanetren-tena?

Toetra Tsara sa Ratsy ny Fanetren-tena?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Toetra Tsara sa Ratsy ny Fanetren-tena?

NY OLONA mirehareha sy tia mampanjaka ny heviny matetika no atao filamatra eto amin’ity tontolo ity. Heverina ho motraka, na saro-kenatra, na mpila sitraka amin’olona kosa ny manetry tena sy ny mpandefitra. Tsy manana hazondamosina tokoa anefa ve ny olona manetry tena? Toetra tsara ve ny fireharehana? Inona no lazain’ny Baiboly?

Tsara homarihina aloha fa lazain’ny Baiboly hoe mety ny mirehareha amin’ny zavatra sasany. Tokony hirehareha, ohatra, ny Kristianina fa i Jehovah no Andriamaniny, sady mahafantatra azy ireo izy. (Jeremia 9:23; 2 Tesalonianina 1:3, 4) Reharehan’ny ray aman-dreny koa ny zanany, rehefa manana fitondran-tena fakan-tahaka, sady be herim-po ka tsy miala amin’ny fivavahana marina. (Ohabolana 27:11) Misy maha ratsy ny mirehareha koa anefa.

Ny atao hoe mirehareha sy manetry tena

Mety hidika hoe mihevi-tena ho ambony loatra koa ny hoe mirehareha. Mahatonga ny olona hihevi-tena ho zavatra sy ho ambony noho ny hafa izy io, angamba noho ny hatsaran-tarehiny, ny firazanany, ny toerany eo amin’ny fiaraha-monina, ny talentany, na ny harenany. (Jakoba 4:13-16) Misy olona lazain’ny Baiboly hoe “mpieboebo.” (2 Timoty 3:4) Midika izany fa mihevi-tena ho ambony loatra izy ireo, nefa tsy izany akory no izy raha ny marina.

Mihevi-tena araka izay tena maha izy azy kosa anefa ny olona manetry tena, ka miaiky fa tsy lavorary sy bitika izy eo anatrehan’Andriamanitra. (1 Petera 5:6) Ekeny koa fa ambony noho izy ny hafa amin’ny lafin-toetra sasany, ary mahafaly azy mihitsy aza izany. (Filipianina 2:3) Noho izany, dia tsy feno fialonana izy. (Galatianina 5:26) Tsy mahagaga àry raha tsara fifandraisana amin’ny hafa ny olona manetry tena. Tony sy milamin-tsaina koa izy.

Diniho ny ohatr’i Jesosy. Anjely mahery izy tany an-danitra, ary olona lavorary sady tsy nanota izy rehefa tonga tetỳ an-tany. (Jaona 17:5; 1 Petera 2:21, 22) Tsy nanan-tsahala izy tamin’ny fahaizana sy hakingan-tsaina ary fahalalana. Tsy nisehoseho mihitsy anefa izy, fa nanetry tena foana. (Filipianina 2:6) Nanasa ny tongotry ny apostoliny mihitsy aza izy indray mandeha, ary tena nanisy fiheverana ny ankizikely. (Lioka 18:15, 16; Jaona 13:4, 5) Nisy zaza iray teo akaikiny, rehefa nilaza izy hoe: “Izay hanetry tena tahaka ity zaza ity no ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 18:2-4) Izay manetry tena, fa tsy izay mirehareha tokoa, no atao hoe lehibe eo imason’i Jesosy sy ny Rainy.—Jakoba 4:10.

Toetra tsara hananana ny fanetren-tena

Modely tamin’ny fanetren-tena i Jesosy, nefa tsy mpila sitraka tamin’olona no sady tsy motraka na saro-kenatra mihitsy. Be herim-po izy, ka sahy nilaza ny fahamarinana, ary tsy natahotra olona mihitsy. (Matio 23:1-33; Jaona 8:13, 44-47; 19:10, 11) Na ny olona sasany nanohitra azy aza dia lasa nanaja azy, noho izany. (Marka 12:13, 17; 15:5) Tsy nanjakazaka mihitsy anefa i Jesosy. Nanetry tena sy tsara fanahy ary nanam-pitiavana kosa izy, hany ka nahasarika olona sy tian’ny olona. Tsy mba manintona toy izany ny mpirehareha. (Matio 11:28-30; Jaona 13:1; 2 Korintianina 5:14, 15) Olona an-tapitrisany no manaiky ny fahefan’i Kristy mandraka ankehitriny, satria tena tia azy sy manaja azy fatratra.—Apokalypsy 7:9, 10.

Mampirisika antsika hanetry tena ny Tenin’Andriamanitra. Mora mandray torohevitra mantsy ny olona manana an’io toetra io, ary tena mahafinaritra ny mampianatra azy. (Lioka 10:21; Kolosianina 3:10, 12) Tsy misalasala hanitsy ny fomba fiheviny izy, raha misy hevitra vaovao sady marina atoro azy. Izany, ohatra, no nataon’i Apolosy, Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, izay mpampianatra sady mpandahateny nahay. (Asan’ny Apostoly 18:24-26) Tsy matahotra ny hametraka fanontaniana koa ny olona manetry tena. Tsy mba sahy manao toy izany anefa ny mpirehareha matetika, satria matahotra sao ho hita hoe tsy mahay.

Diniho ny tantaran’ilay tandapa etiopianina tamin’ny taonjato voalohany. Nisy andinin-teny tsy azony tao amin’ny Soratra Masina. Nanontany azy toy izao i Filipo, mpianatr’i Kristy: “Tena azonao ve izay vakinao?” Namaly ilay Etiopianina hoe: “Ahoana moa no hahazoako azy raha tsy misy mampianatra ahy?” Niavaka tokoa ny fanetren-tenany! Azo inoana mantsy fa olona ambony izy tany amin’ny firenena nisy azy. Nahazo fanazavana lalina momba ny Soratra Masina izy, satria nanetry tena.—Asan’ny Apostoly 8:26-38.

Tsy sahala aminy mihitsy ireo Fariseo sy mpanora-dalàna jiosy. Nihevitra izy ireo fa izy no mpitondra fivavahana mahay sy masina indrindra. (Matio 23:5-7) Tsy nanetry tena hihaino an’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy izy ireo, fa naneso sy nanakiana azy. Nisakana azy ireo tsy hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany àry ny fireharehana.—Jaona 7:32, 47-49; Asan’ny Apostoly 5:29-33.

Tanimanga maina ianao sa mora volavolaina?

Ampitahain’ny Baiboly amin’ny mpanefy tanimanga i Jehovah, ary isika olombelona kosa no tanimanga. (Isaia 64:7) Toy ny tanimanga mora volavolaina eny an-tanan’Andriamanitra isika, rehefa manetry tena, ka azony anamboarana fitaovana tsara tarehy. Ny olona miavona kosa dia toy ny tanimanga maina sy mafy, ka tsy misy azo atao aminy fa vakina fotsiny. Toy izany i Faraon’i Ejipta fahiny, izay nalaza ho mpirehareha. Nanohitra an’i Jehovah izy, ary namoizany ny ainy izany. (Eksodosy 5:2; 9:17; Salamo 136:15) Marina tokoa àry ilay ohabolana hoe: “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.”—Ohabolana 16:18.

Tsy midika anefa izany hoe tsy alaim-panahy hirehareha mihitsy ny vahoakan’Andriamanitra. Matetika, ohatra, ny apostolin’i Jesosy no nifanditra momba ny hoe iza taminy no lehibe indrindra. (Lioka 22:24-27) Tsy resin’ny fireharehana anefa izy ireo, fa nihaino an’i Jesosy ka nanova ny toe-tsainy.

Hoy i Solomona: “Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.” (Ohabolana 22:4) Moa ve izany tsy mandrisika antsika hanetry tena? Lasa tian’ny olona isika raha manana an’io toetra tsara io. Ahazoantsika sitraka amin’Andriamanitra sy fiainana mandrakizay koa izy io.—2 Samoela 22:28; Jakoba 4:10.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

Ratsy foana ve ny mirehareha?—2 Tesalonianina 1:3, 4.

◼ Nahoana ny fanetren-tena no manampy ny olona hianatra?—Asan’ny Apostoly 8:26-38.

◼ Mila miezaka hanetry tena ve ny mpanompon’Andriamanitra?—Lioka 22:24-27.

◼ Inona no miandry ny olona manetry tena?—Ohabolana 22:4.

[Sary, pejy 20, 21]

Nahasarika ny ankizy i Jesosy satria nanetry tena