Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
◼ Hita tamin’ny fanadihadiana iray, fa “tsy afaka mifantoka tsara toy ny mpamily mamo ny olona mitondra fiara sady mitelefaonina, na dia tsy tazoniny amin’ny tanana aza ilay telefaonina.”—MASOIVOHOM-BAOVAO REUTERS, ETAZONIA.
◼ Nanafika in-30 200 an’ireo fiara fitateram-bahoakan’i Goatemalà ny jiolahy mitam-piadiana, nandritra ireo dimy volana voalohany, tamin’ny 2006. Maty ny mpandeha 10 sy ny 14 tamin’ireo mpamily na ny mpanampy azy.—PRENSA LIBRE, GOATEMALÀ.
◼ Tany 124 no nandray anjara tamin’ny fanadihadiana nataon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), mahakasika ny fanangonana sy ny fitsirihana ra. Ny 56 tamin’izy ireo no “tsy nanao fitsirihana ny ra voangony, mba hahitana raha nisy VIH, hepatita B sy C, ary tety tao amin’izy ireny.”—OMS, SOISA.
◼ Maherin’ny 70 isan-jato ny Aostralianina nanao tokantranomaso tamin’ny 2003, raha 5 isan-jato teo ho eo izany, teo anelanelan’ny taona 1960 sy 1970.—ONIVERITEN’I MELBOURNE, AOSTRALIA.
Mihanaka Maneran-tany ny Diabeta
Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Diabeta fa lasa 230 tapitrisa ny olona voan’ny diabeta, maneran-tany, tao anatin’ny 20 taona farany, raha 30 tapitrisa izany teo aloha, araka ny gazety The New York Times. Firenena folo no be olona diabetika indrindra ary tany an-dalam-pandrosoana ny fito amin’ireo. “Iray amin’ireo aretina mampidi-doza indrindra nisy hatramin’izay ny diabeta”, hoy ny Dr. Martin Silink, filohan’ilay fikambanana. “Mora maty ny olona voan’izy io any amin’ireo tany mahantra indrindra”, hoy ilay tatitra.
Lalamby Avo Indrindra Eran-tany
Notokanana tamin’ny Jolay 2006 ny lalamby avo indrindra eran-tany. Mampitohy an’i Beijing sy Lhasa, renivohitr’i Tibet, izy io ary 4 000 kilaometatra eo ho eo ny halavany. Hoy ny gazety The New York Times: “Tena mahatalanjona ny nahavitana nanorina an’io lalamby io. Misy ranomandry mantsy ilay tany nanorenana azy, ka mihamalemy [amin’ny vanim-potoana mafana]. Tonga hatrany amin’ny 4 800 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina koa izy io.” Tsy maintsy nataon’ireo injeniera àry izay hampivaingana an’ilay ranomandry mandavantaona, mba ho mafy foana ilay tany. Noho ny haavon’ilay toerana, dia mila ampidirana rivotra koa ao anatin’ireo vagao sady asiana oksizenina ho an’ny mpandeha.
Mpianatra Sandoka
Milaza ny gazety Le Figaro fa “tsy tonga mianatra mihitsy” ny 10 ka hatramin’ny 20 isan-jaton’ny mpianatra teny vahiny, ao amin’ny taona voalohany, ao amin’ny oniversite iray any Frantsa. Manararaotra ny tombontsoa omena ny mpianatra fotsiny ny sasany amin’izy ireo. Anisan’izany ny fiantohana sosialy, fihenam-bidy rehefa miditra hotely sy mijery sinema ary mandeha amin’ny fitateram-bahoaka na fiaramanidina. Te hahazo izany tombontsoa izany ireo mpianatra sandoka ireo, ka misoratra anarana amin’ny taranja vitsy mpanao, toy ny fianarana fiteny ampiasaina any Bélarus, na fiteny failandey, na swahili. Fahita ny mpianatra misandoka toy izany, satria tsy misy manamarina izay mpianatra tsy tonga. Resahin’ilay tatitra fa misoratra anarana amin’ny alalan’ny Internet izy ireo, ary azony ao anatin’ny andro vitsivitsy ny karatry ny mpianatra.
‘Tafasaraka Tamin’izao Tontolo Izao’
Mino ny mpahay siansa any Israely fa nahita karazam-bibikely valo mbola tsy fantatra mihitsy izy ireo. Voalaza fa “tafasaraka tamin’izao tontolo izao” nandritra ny taonjato maro be ilay zohy nahitana azy ireo, araka ny The Jerusalem Post. Nahita vava zohy kely ireo mpiasa tao amin’ny toerana iray fihadiam-bato. Misy zohy iray mirefy roa kilaometatra sy sasany eo ho eo mifampitohy amin’izy io, sady nahitana efitra iray misy farihy ambanin’ny tany. Karazam-bibikely misy akora izy ireo ary toy ny maingoka ny sasany. Velona any an-dranomasina ny roa amin’izy ireo, ny roa hafa any an-dranomamy, fa ny karazany efatra kosa etỳ an-tanety.