Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Mila Mamaky Teny? (Mey 2006) Dimy ambin’ny folo taona aho, ary tena nanampy ahy io lahatsoratra io. Nentiko tany am-pianarana ilay gazety, ary hitan’ny mpampianatra anay. Niresaka momba ny fahazarana mamaky teny izy nandritra ny lesona, ary nasehony ilay Mifohaza! Nilaza izy fa tena tiany ilay lahatsoratra. Nampirisika ny rehetra koa izy mba hamaky azy io.

D.A.C., Brezila

Izay foto-kevitra nahaliana ahy tao amin’ny gazety ihany mazàna no novakiko. Miezaka mafy anefa aho izao mba hamaky ny lahatsoratra tsirairay, na dia toa tsy mahaliana ahy aza ny sasany, amin’ny voalohany. Ireny lahatsoratra ireny indray aza matetika no lasa tiako indrindra. Misaotra betsaka anareo.

E. G., Etazonia

Faly aho mahafantatra fa misy tanora ankehitriny mitovy amin’izaho taloha. Natao batisa aho tamin’izaho 14 taona, ary 40 taona aho izao. Taloha kelin’ny batisako, dia efa zatra namaky Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! aho. Pejy vitsivitsy isan’andro no novakiko. Voavakiko daholo àry ny lahatsoratra rehetra, nanomboka teo. Tsapako fa izany fahazarako izany no miaro ny fifandraisako amin’i Jehovah.

S. O., Japon

Nitady Samirery ny Fahamarinana i Michel Servet (Mey 2006) Misaotra anareo aho noho io lahatsoratra sarobidy io. Tena nandrisika ahy ilay izy, mba hitory hatrany sy hiaro ny anaran’i Jehovah.

M. R., Brezila

Olo-malaza eo amin’ny sehatry ny fitsaboana no ahafantaran’ny olona an’i Servet. Nampahafantarin’io lahatsoratra io anefa, ireo toetra tsara hafa nananan’io manam-pahaizana io. Anisan’izany ny fahatsorany sy ny faharetany nitady ny fahamarinana. Misaotra anareo namoaka io lahatsoratra io.

M. J., Espaina

Zava-dehibe ny Fanarahana Fampitandremana (Jona 2006) Tena mahafinaritra ny hoe anisan’ny fandaminan’i Jehovah be fitiavana. Fisaorana vokatry ny fo no atolotro an’ireo anadahy sy rahavavy nanamboatra ny tranoko. Simba be mantsy ilay izy noho ny Rivo-doza Katrina. Lasa porofon’ny fitiavan’izy ireo izao ilay trano.

I. F., Etazonia

Lasoà—“Ilay Lamba Tsara Indrindra” (Jona 2006) Efa hatramin’izaho mbola kely no nanontany tena ny amin’ny fomba anamboarana ny lasoà. Faly erỳ àry aho raha vao nahita io lahatsoratra io tao amin’ny Mifohaza! Tiako be ilay izy, ary tena nahatonga ahy hankasitraka bebe kokoa ny zavaboarin’i Jehovah.

A.C.L., Brezila

Avy Amin’ny Mpamaky Narary taolana hatrany an-kibon-dreniko aho. Niresaka momba ny lahatsoratra hoe “Tarehy Vaovao ho An’i Mailyn” (8 Jona 2004), ilay lahatsoratra hoe “Avy Amin’ny Mpamaky”, tamin’ny 8 Martsa 2005. Latsa-dranomaso aho rehefa namaky an’ireo taratasy nahafinaritra sady nampahery tao amin’izy io. Samy nahitako zavatra nahakasika ahy izy ireo, ka nahasoa ahy.

M. J., Grande-Bretagne