‘Boky Faran’izay Tsara mba Hampianarana!’
‘Boky Faran’izay Tsara mba Hampianarana!’
Izany no nolazain’ny Vavolombelon’i Jehovah iray, mpitory any Panama, momba ny boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Be sary izy io, ary misy pejy 224. Io no boky tena ampiasaina ankehitriny, mba hampianarana Baiboly. Hoy koa io mpitory io: “Tena tsotra sy mirindra tsara ny fanazavana ao anatiny, ary mandresy lahatra. Vaovao mihitsy koa ny fomba fampiasan’ilay boky ireo fanamarihana ambany pejy sy ireo fanazavana fanampiny, ka avy hatrany ny mpamaky dia voasarika hamakafaka izay tena ampianarin’ny Baiboly.”
Nanoratra toy izao ny Vavolombelon’i Jehovah iray any Missouri, Etazonia: “Tiako ilay boky satria tsotra. Mirindra tsara mihitsy ireo loha hevitra ao anatiny.” Raha vao nivoaka ilay boky Ampianarina, dia nentiny tany amin’ny vehivavy iray, izay efa nianatra Baiboly nefa nijanona satria kivy.
Hoy ilay Vavolombelona: “Mbola tsy voavakiny akory ny toko voalohany, dia efa nitelefaonina tamiko izy nilaza fa tiany be ny namaky an’ilay izy.” Nilaza ilay vehivavy fa toy ny hoe natao ho azy mihitsy ilay boky, ka naniry hianatra Baiboly indray izy. Nilaza ilay Vavolombelona fa rehefa avy niara-nianatra ireo toko folo voalohany izy ireo, dia tena nahafinaritra azy ny nahita ny hafalian’ilay mpianatra, izay nitombo fahalalana.
Mbola tsy ampy roa taona akory izay no namoahana ny boky Ampianarina, nefa efa ho 50 tapitrisa sahady ny isan’ny natao pirinty, amin’ny fiteny maherin’ny 150. Raha te hanafatra an’io boky io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay boky aseho eto aho.
Amin’ny fiteny:
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.