Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fa Nahoana Aho no Torana Foana?

Fa Nahoana Aho no Torana Foana?

Fa Nahoana Aho no Torana Foana?

Nanatona dokotera aho mba hanao fizaham-pahasalamana. Efa fantatro fa ho torana indray aho, rehefa hizaha ny masoko izy. Mampiasa fitaovana iray mantsy izy mba hitsapana ny voamasoko, ary torana foana aho isaky ny atao an’izany. Rehefa halaina ra koa aho, dia torana foana raha vao mahita an’ilay fanjaitra ampiasain’ny mpitsabo. Na mandre olona miresaka ratra fotsiny aza aho indraindray dia efa torana.

Milaza ny tatitra avy any Kanada, fa voan’izany matetika ny 3 isan-jaton’ny olona rehefa alaina ra na zahana maso. Izany koa ve no mahazo anao? Raha izany no izy, dia mety ho efa nitady vahaolana ianao nefa tsy nahita. Nankany amin’ny toeram-pidiovana angamba ianao, mba tsy ho torana eny imason’olona. Mampidi-doza anefa izany. Mety ho torana eny am-pandehanana mantsy ianao ka haratra. Imbetsaka tokoa aho no saika torana toy izany, ka nanapa-kevitra hitady ny antony mahatonga an’ilay izy.

Nanontany dokotera iray aho, ary namaky boky maromaro. Fantatro tamin’izany fa noho ny rafi-pitatitra tsy miasa tsara no mahatonga an’ilay izy. Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ilay fitatitra mampikoriana ara-dalàna ny ra. Vokatr’izany, ohatra, dia tsy miasa tsara izy io, rehefa mipetraka ianao ka mitsangana tampoka.

Tsy miasa araka ny tokony ho izy indraindray ny rafi-pitatitrao, ohatra hoe rehefa mahita ra na atao fizahana maso ianao. Mipetraka na mitsangana ianao, nefa ny fiasan’ny rafi-pitatitrao dia toy ny hoe mitsotra ny vatanao. Mitepo haingana be aloha ny fonao, satria matahotra ianao. Mitepo miadana tampoka anefa izy io avy eo, ary mitatra ny haben’ny lalan-dra any amin’ny tongotrao. Mitombo àry ny ra mankany amin’ny tongotrao, fa mihena kosa ny ra mankany amin’ny lohanao. Vokatr’izany dia tsy ampy ny oksizenina mankany amin’ny atidohanao, ka torana ianao. Inona no azonao atao mba hisorohana izany?

Aza jerena ny fanjaitra rehefa alaina ra ianao. Azonao atao koa ny mandry. Hitantsika teo fa matetika no misy fambara ahafantaranao hoe mitady ho torana ianao. Mbola afaka manao zavatra àry ianao, mba hisorohana izany. Maro ny dokotera no milaza fa tsara raha mandry ianao, ary ampakarinao eo ambony seza na eo amin’ny rindrina ny tongotrao. Tsy hiangona any amin’ny tongotrao daholo ny ra amin’izay, ka tsy ho torana ianao. Azo inoana fa hahazo aina ianao, rehefa afaka minitra vitsivitsy.

Nanampy ahy tokoa ireo fanazavana ireo, ka mety hanampy anao koa rehefa mitady ho torana ianao. Afaka manao zavatra avy hatrany àry ianao mba hisorohana izany.—Lahatsoratra nisy nanome.

[Teny notsongaina, pejy 28]

Tsara raha mandry ianao rehefa zahan’ny dokotera