Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Haitao Ejipsianina Lasa any An-tany Hafa

Haitao Ejipsianina Lasa any An-tany Hafa

Haitao Ejipsianina Lasa any An-tany Hafa

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ITALIA

INONA àry izany? Efa ela be ny ankamaroan’izy ireo no nalaina tany Ejipta, ary nentina tany an-toeran-kafa toa an’i Istanbul, Londres, Paris, Roma, ary New York. Mandravaka ny toerana malaza maro any Roma izy ireo. “Lasa marika namantarana an’ilay fanjakana lehibe namorona azy izy ireo”, araka ny lazain’ny gazety italianina atao hoe Archeo. Fantatrao ve izany? Tsy inona izany fa ireo vatolahy ejipsianina!

Tsangambato misy lafiny efatra ny vatolahy ejipsianina. Lehibe ny fanambaniny ary mihena tsikelikely ny habeny mandra-pahatongany eny amin’ny tendrony. Maranitra ny lohany, izay toy ny endrika piramida. Efa 4 000 taona eo ho eo ny tranainy indrindra amin’ireny vatolahy ireny, ary 2 000 taona eo ho eo ny vita farany indrindra.

Bolongam-bato lehibe iray no nanaovana ny vatolahy. Matetika izany no granita mena nohadin’ireo Ejipsianina fahiny. Natsangana teo anoloan’ny fasana na tempoly izy ireny. Goavana be ny sasany aminy, ary any Roma no misy ny lehibe indrindra. Mirefy 32 metatra ny haavon’izy io, ary 455 taonina eo ho eo ny lanjany. Voaravaka soratra ejipsianina fahiny ny ankamaroan’izy ireny.

Natao hanomezam-boninahitra an’ilay andriamanitra masoandro atao hoe Râ ireny tsangambato ireny. Natsangana mba hisaorana azy izy ireny, noho ny niarovany an’ireo mpanjaka ejipsianina sy nanomezany fandresena azy ireo. Natao hangataham-pitahiana koa izy ireny. Misy mihevitra fa nalaina tahaka avy amin’ny piramida ny endriky ny vatolahy. Natao mitovitovy amin’ny tara-masoandro mitondra hafanana sy hazavana ho an’ny tany ny bikany.

Ankoatra izany, dia natao hiderana an’ireo Farao na mpanjaka ejipsianina ny vatolahy. Mankalaza Farao maro ny soratra amin’izy ireny. Misy Farao, ohatra, antsoina hoe “malalan’i Râ”, na ‘tsara tarehy toa an’i Atoum’, andriamanitry ny masoandro mody. Izao no voasoratra teo amin’ny vatolahy iray, momba ny tafiky ny Farao iray: “Ny heriny dia toy ny an’i Monthu [andriamanitry ny ady], ilay ombilahy manitsakitsaka ny firenen-kafa sy mamono ny mpikomy.”

Tao Jounou, tanàna ejipsianina, no nasiana vatolahy voalohany. (Ona no iantsoana an’io tanàna io ao amin’ny Baiboly.) Misy mihevitra fa midika hoe “Tanànan’ny Andry” ny hoe Jounou, ka angamba ireo vatolahy ihany no tiana holazaina amin’ny hoe andry. Nantsoin’ny Grika hoe Héliopolis, izay midika hoe “Tanànan’ny Masoandro”, ilay tanàna satria tao no foiben’ny fivavahana tamin’ny masoandro, tany Ejipta. Io anarana nomen’ny Grika io dia mitovitovy amin’ilay anaran-tanàna hebreo hoe Beti-semesy, izay midika hoe “Tranon’ny Masoandro.”

Nilaza mialoha i Jeremia, mpaminany ao amin’ny Baiboly, fa hotorotoroina “ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin’ny tany Egypta.” Mety ho ireo vatolahy tao Héliopolis no tiany holazaina tamin’izany. Nanameloka ny fanompoan-tsampy natao tamin’izy ireny mantsy Andriamanitra.—Jeremia 43:10-13.

Ny fihadiana sy ny fitaterana ireo vatolahy

Mbola any akaikin’i Assouan, any Ejipta, ny vatolahy goavana indrindra saika hatsangana. Ahoana no fomba nanamboarana azy io? Nitady vato be hakana an’ilay vatolahy aloha ireo Ejipsianina. Rehefa nahita izy ireo, dia namboariny hitovy tantana ny teo ambonin’ilay izy. Nasian’izy ireo lavaka maromaro, avy eo, ny manodidina ilay ampahana vato tiany halaina. Nanatsofohan’izy ireo hazo ireny lavaka ireny, ary nolemany ireo hazo mba hibontsina ka hampiendaka tsikelikely an’ilay bolongam-bato. Notohiziny foana izany mandra-piongotr’ilay bolongam-bato manontolo, izay milanja 1 170 taonina. Io no lehibe indrindra tamin’ireo vato nalain’ireo Ejipsianina fahiny. Saika nobataina nankeo amoron’ny reniranon’i Nil izy io, ary hoentina amin’ny baka mankany amin’ny toerana hananganana azy.

Najanona tao Assouan anefa izy io. Tsy novitain’ireo mpiasa hatramin’ny farany ilay vatolahy, satria nisy nitresaka ka tsy azo namboarina intsony. Raha natsangana izy io, dia ho nirefy 42 metatra ny haavony, ary 16 metatra toradroa ny fanambaniny. Mbola tsy fantatra hatramin’izao hoe ahoana no fomba nananganana an’ireny vatolahy ejipsianina ireny.

Tonga hatrany Roma

Lasa zanatany romanina i Ejipta, tamin’ny taona 30 T.K. Maro tamin’ireo mpanjaka romanina no naniry handravaka ny renivohiny tamin’ny tsangambato mahatalanjona. Vatolahy ejipsianina 50 mahery àry no nafindra tany Roma. Tsy maintsy nanamboatra sambo ngezabe izy ireo mba hitaomana azy ireny. Mbola nampiasaina tamin’ny fivavahana tamin’ny masoandro ihany izy ireny, tany Roma.

Norobain’ny fahavalo i Roma, rehefa rava ny Fanjakana Romanina. Naongana ny ankamaroan’ireo vatolahy ary tsy nisy niraharaha intsony. Naniry hanangana azy ireny indray anefa ireo papa, tatỳ aoriana. Fantatry ny Eglizy Katolika tsara fa “natolotry ny mpanjaka ejipsianina ho an’ny andriamanitra masoandro” ireo vatolahy, sady ‘nandravahana ireo tempolin-tsampy maharikoriko.’

Tamin’ny andron’ny Papa Sixte Faha-5 (1585-1590) no nanomboka natsangana indray ny vatolahy sasany. Nisy fotoam-pivavahana natao mba hamoahana ny demonia tamin’ireo vatolahy, sy hanamasinana azy ireny. Nofafazana rano voahasina sy nandorana emboka manitra koa izy ireny. Nihira toy izao ny eveka iray, teo anoloan’ilay vatolahy ao Vatikana: “Esoriko hiala aminao ny fanahy ratsy, ka hitondra ny Lakroa masina ianao, ary ho afaka amin’ny fahalotoana sy ny faharatsiana rehetra avy amin’ny fanompoan-tsampy.”

Mahavariana an’ireo mpitsidika tokoa ny mijery ireo vatolahy ejipsianina any Roma, ankehitriny. Mety ho hitan’izy ireo fa tena nilana fahaizana ny nanongotra sy nitatitra ary nanangana azy ireny. Mety ho gaga koa anefa izy ireo rehefa mahalala fa tsangambato nampiasaina mba hivavahana tamin’ny masoandro, no mandravaka ny tanànan’ny papa. Hafahafa ihany mantsy izany!

[Sary, pejy 15]

Louxor, Ejipta

[Sary, pejy 15]

Roma

[Sary, pejy 15]

New York

[Sary, pejy 15]

Paris