Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hanao Ahoana ity Tontolo Ity?

Hanao Ahoana ity Tontolo Ity?

Hanao Ahoana ity Tontolo Ity?

EFA ela be ny Baiboly no niresaka momba izao faharatsiana hitantsika izao. Hoy ny lazainy: “Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ... tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, ... ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.”—2 Timoty 3:1-5.

Ekenao angamba fa ny zava-misy ankehitriny mihitsy no voalazan’io faminaniana io. Efa ho 2 000 taona lasa anefa izay no nanoratana azy io! Mariho fa manomboka amin’izao teny izao ilay izy: “Amin’ny andro farany.” Inona no dikan’ny hoe “andro farany”?

Ny dikan’ny hoe “andro farany”

Lasa fandre matetika ny hoe “andro farany.” Amin’ny teny anglisy fotsiny, dia efa boky an-jatony no ahitana an’ireo teny ireo eo amin’ny lohateniny. Eritrereto, ohatra, ity boky vao haingana ity. Izao no lohateniny: Ny Andro Faran’ny Tsy Fananan-tsiny—Niditra Tamin’ny Ady i Amerika, 1917-1918 (anglisy). Hazavaina ao amin’ny sasin-tenin’izy io, fa vanim-potoana iray hanjakan’ny faharatsiana no tian’ny mpanoratra azy io holazaina amin’ny hoe “andro farany.”

Hoy ihany ilay sasin-teny: “Niova haingana be noho ny taloha i Etazonia tamin’ny 1914.” Nisy ady nipoaka naneran-tany tamin’io taona io, ary mbola tsy nisy ady nitovy tamin’izany. Hoy ilay boky: “Tsy ny miaramila ihany no nandray anjara tamin’io ady io, fa ny olon-tsotra koa. Ady nifanaovan’ny firenena samy firenena izy io.” Ho hitantsika etsy ambany, fa teo am-piandohan’ilay vanim-potoana antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” no nitrangan’io ady io.

Ampianarin’ny Baiboly fa aloha kelin’ny handravana tanteraka an’ity tontolo ity no hisian’io vanim-potoana atao hoe “andro farany” io. Milaza mihitsy aza ny Baiboly fa efa nisy tontolo noravana fahiny, araka ny voalaza hoe: ‘Rava ilay tontolo tamin’izany fotoana izany rehefa safotry ny rano.’ Inona ilay tontolo noravana, ary oviana ilay fotoana nitrangan’izany? Tsy inona izany fa ilay “tontolon’ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra”, izay nisy tamin’ny andron’i Noa. Tsy misy hafa amin’izany koa fa horavana ity tontolo ankehitriny ity. Ho tafavoaka velona toa an’i Noa sy ny fianakaviany anefa ireo manompo an’Andriamanitra.—2 Petera 2:5; 3:6; Genesisy 7:21-24; 1 Jaona 2:17.

Inona no nolazain’i Jesosy momba ny faran’ity tontolo ity?

Niresaka momba ny “andron’i Noa” koa i Jesosy Kristy. Nilaza izy fa ‘tonga ny safodrano ka nifaoka azy rehetra.’ Noravana tamin’ny alalan’ny Safodrano ilay tontolo tamin’izany. Nampitahain’i Jesosy tamin’ny zava-nisy taloha kelin’io Safodrano io, ny zavatra hitranga mandritra ilay fotoana nantsoiny hoe “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 24:3, 37-39) Adikan’ny Baiboly sasany hoe “fahataperan’izao tontolo izao” na “fiafaràn’izao tontolo izao” io fotoana io.—Fandikan-teny Protestanta sy Dikan-teny Iombonana eto Madagasikara.

Nolazain’i Jesosy hoe hanao ahoana ny fiainana eto an-tany alohan’ny faran’izao tontolo izao. Hoy izy momba ny ady: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena ary hisy fanjakana hamely fanjakana.” Hitan’ny mpahay tantara fa nitranga izany nanomboka tamin’ny 1914. Tsy mahagaga raha nilaza ny sasin-tenin’ilay boky terỳ aloha, fa tamin’ny 1914 no nanombohan’ny “ady nifanaovan’ny firenena samy firenena.”

Hoy ihany i Jesosy ao amin’ilay faminaniany: “Hisy mosary sy horohoron-tany any amin’ny toerana samy hafa. Izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana.” Nilaza koa izy, fa hisy “fitomboan’ny fandikan-dalàna.” (Matio 24:7-14) Izany mihitsy no mitranga ankehitriny. Tena mitombo be ny faharatsiana, ka hita fa tanteraka tokoa ny faminanian’ny Baiboly!

Ahoana no tokony ho fitondran-tenantsika amin’izao fotoana feno faharatsiana izao? Mariho izay nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina tany Roma, momba ny faharatsiam-pitondran-tena nanjaka tamin’izany andro izany. Nilaza izy fa nanana “filan’ny nofo mahafa-baraka” ny olona. “Nanova ny fanao voajanahary ho amin’ny fanao tsy voajanahary ny vehivavy teo aminy. Ary torak’izany koa fa na ny lehilahy aza namela ny fanao voajanahary amin’ny vehivavy ka nanjary narehitry ny filana mafy dia mafy hanao zava-betaveta teo amin’izy samy lehilahy.”—Romanina 1:26, 27.

Milaza ny mpahay tantara fa niharatsy fitondran-tena hatrany ny olona tamin’izany. “Ireo Kristianina kosa anefa niavaka tanteraka, na dia vitsy aza, satria tia fivavahana sy nadio fitondran-tena. Saikatra àry ny olona mpanompo sampy sy nanaram-po tamin’ny filan’ny nofo rehefa nahita azy ireo.” Tokony handrisika antsika handini-tena izany, ary hanontany hoe: ‘Ahoana ny amiko sy ny olona ataoko namana? Hita ho miavaka ve izahay satria madio fitondran-tena, fa tsy toy ny olon-kafa?’—1 Petera 4:3, 4.

Mila miezaka mafy isika

Ampianarin’ny Baiboly fa na dia eo aza ny faharatsiana manodidina antsika, dia tokony “tsy hanan-tsiny sy tsy hisy hokianina [isika], ary ho zanak’Andriamanitra tsy misy tsiny eo anivon’ny taranaka tsy marina sy ratsy fanahy.” Mila “mitana mafy ny tenin’ny fiainana” isika, mba hahavitana izany. (Filipianina 2:15, 16) Asehon’io andinin-teny io izay tokony hataon’ny Kristianina mba hahatonga azy hadio fitondran-tena hatrany. Mila manaraka foana ny fampianarana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy. Mila ekeny koa fa ny olona mankatò ny fitsipik’Andriamanitra ihany no manana ny fiainana tsara indrindra.

Manao izay iandanian’ny olona aminy i Satana Devoly, ilay “andriamanitr’ity tontolo ity.” (2 Korintianina 4:4) Milaza ny Baiboly fa “miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava” izy. Manao toy izany koa ny mpanompony, izany hoe ireo manahaka azy. (2 Korintianina 11:14, 15) Mampanantena fahafahana sy fahafinaretana izy ireo, nefa lazain’ny Baiboly fa na “ny tenany aza andevon’ny fahalotoana.”—2 Petera 2:19.

Aza manaiky ho voafitaka àry. Hahita loza ny olona tsy miraharaha ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena. Hoy ny mpanao salamo: “Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, satria ny didin[’Andriamanitra] tsy tadiaviny.” (Salamo 119:155; Ohabolana 5:22, 23) Tena mino izany ve ianao? Raha eny, dia arovy ny fonao sy ny sainao, mba tsy ho voataonan’ny olona hanana fiainana baranahiny ianao.

Na izany aza, dia maro no tsy mandinika tsara ka miteny hoe: ‘Mety ny ataoko, raha mbola tsy voararan’ny lalàna.’ Diso anefa izany. Tia anao ilay Raintsika any an-danitra, ka omeny fitsipika momba ny fitondran-tena ianao mba hiarovana anao, fa tsy hoe haneriterena ny fiainanao na hahatonga izany hankaleo. “Mampianatra anao hahita soa” izy. Tsy tiany hahita loza ianao fa ho sambatra. Marina tokoa ny lazain’ny Baiboly, fa “misy fampanantenana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ilay ho avy” amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Io fiainana ho avy io no “tena fiainana”, dia fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra!—Isaia 48:17, 18; 1 Timoty 4:8; 6:19.

Handray soa tokoa àry ireo manaraka ny fampianaran’ny Baiboly, fa hijaly ireo tsy manao izany. Hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ianao, raha mihaino azy. Tsy misy tsara noho izany! Mampanantena mantsy izy hoe: “Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.”—Ohabolana 1:33.

Vahoaka madio fitondran-tena

Milaza ny Baiboly fa ‘tsy hisy ratsy fanahy’ intsony, aorian’ny fandravana an’ity tontolo ity. Lazainy koa fa “ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao.” (Salamo 37:10, 11; Ohabolana 2:20-22) Tsy hisy intsony àry ny olona ratsy fitondran-tena, anisan’izany izay rehetra tsy mety manaraka ny fampianarana mahasoa omen’ny Mpamorona. Hanova tsikelikely ny tany ho paradisa ny olona tia an’Andriamanitra. Ho toy ilay paradisa nametrahan’Andriamanitra ny mpivady olombelona voalohany izy io, amin’ny farany.—Genesisy 2:7-9.

Tena hahafinaritra ny hiaina eto amin’ity tany ity, rehefa ho lasa paradisa tsara tarehy izy ity, ary tsy hisy mpanao ratsy intsony! Hanana tombontsoa miavaka hiaina eto koa ireo olona an’arivony tapitrisa hatsangana amin’ny maty. Mifalia àry, satria mampanantena Andriamanitra hoe: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” “Hofafan[’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Salamo 37:29; Apokalypsy 21:3, 4.

[Teny notsongaina, pejy 9]

Tafavoaka velona ny olona natahotra an’Andriamanitra, rehefa noravana ilay tontolo fahiny

[Sary, pejy 10]

Ho lasa paradisa ny tany, aorian’ny fandravana an’ity tontolo ity