Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Aho no Ampitahaina Amin’ny Hafa Foana?

Nahoana Aho no Ampitahaina Amin’ny Hafa Foana?

Manontany ny Tanora Hoe...

Nahoana Aho no Ampitahaina Amin’ny Hafa Foana?

“Tsy tiako mihitsy rehefa mampitaha ahy amin’ny hafa ny ray aman-dreniko na ny mpampianatra.”—Mialy. *

“Vao mainka aho mahatsiaro ho tsinontsinona, satria ampitahaina amin’ilay olona foana. Izaho anefa efa miezaka erỳ manahaka azy.”—Ando.

BEDIN’NY mpampianatra ianao any an-tsekoly, fa tsy mba mahay matematika toa an’ilay mpiara-mianatra aminao. Voatenin’ny ray aman-dreninao koa ianao ao an-trano, fa tsy mba madio toy ny zokinao na ny zandrinao. Mety hisy hilaza aminao koa hoe: “Tsara tarehy be ny mamanareo tamin’izy nitovy taona taminao!” Mankarary fo tokoa izany satria mahatonga anao hieritreritra hoe: ‘Fa angaha izaho ratsy tarehy be?’ Maniry hanohitra izany rehetra izany ianao indraindray, ka te hamaly hoe: “Fa maninona aho no ampitahaina amin’ny hafa foana e? Tsy mba hitan’ny olona mihitsy ve ny tsara amiko?”

Nahoana no tena mahasosotra ny ampitahaina amin’ny hafa? Mba misy maha tsara azy ihany ve ny fampitahana? Inona no azonao atao rehefa misy mampitaha anao amin’ny hafa?

Nahoana no mahasosotra ilay izy?

Matetika no mifanitsy amin’izay zavatra efa tsy tianao momba ny tenanao, ny fanamarihan’ny olona. Izany no antony iray mahatonga ny fampitahana hahasosotra na hankarary fo. Niaiky toy izao, ohatra, i Becky: “Rehefa mijery an’ireo ankizy be mpitia any am-pianarana aho, dia mieritreritra hoe: ‘Raha mba hoatra an’ireny mantsy aho, dia ho maro kokoa ny olona tia ahy.’ ”

Inona no mahatonga an’izany fihetseham-po izany? Misy fiovana eo amin’ny vatanao sy ny fihetseham-ponao ary ny fisainanao. Mety hiova haingana be ny toe-batanao. Lasa sarotra aminao koa ny mifankahazo amin’ny ray aman-dreninao. Tsy toy ny taloha intsony ny fahitanao ny ankizilahy, raha ankizivavy ianao. Ary toy izany koa amin’ny ankizivavy, raha ankizilahy ianao. Mety hanontany tena àry ianao hoe: ‘Izaho ve mba hoatran’ny ankizy rehetra ihany?’

Mieritreritra angamba ianao fa ny fampitahanao ny tenanao amin’ny tanora hafa ihany no hahafantaranao ny valin’izany. Fantatrao mantsy fa mandalo fiovana toa anao koa izy ireo. Mamitaka anefa ny fampitahana toy izany, satria lasa tsy matoky tena ianao rehefa mahita fa toa mandeha tsara kokoa noho ny anao ny fiainan’izy ireo. Ka raha amin’izay no misy olon-dehibe milaza aminao hoe: ‘Maninona ianao raha mba manao toa an’i Anona?’, dia lasa mieritreritra ianao hoe: ‘Izay àry ilay efa nahiko. Hafahafa mihitsy aho fa tsy toy ny ankizy rehetra!’

Misy antony hafa koa mahatonga ny fampitahana hahasosotra. Hoy i Ando: “Rehefa ampitahaina amin’ny hafa ianao, indrindra fa amin’ny namanao na mpiray tam-po aminao, dia lasa tezitra na mialona.” Izany koa no tsapan’i Mialy. Nihevitra izy fa nampitaha azy tamin’ny zokiny vavy foana ny ray aman-dreniny sy ny mpampianatra azy. Hoy izy: “Resahin’izy ireo amiko ny zavatra rehetra vitan’ny zokiko, tamin’izy nitovy taona tamiko.” Inona no vokatr’izany? Hoy ihany i Mialy: “Toy ny hoe mifaninana amin’ny zokiko no fiheverako ny tenako. Lasa halako mihitsy aza izy indraindray.”

Mety hisy voka-dratsiny tokoa ny fampitahana. Diniho izay nitranga tamin’ireo apostoly, tamin’ny alina farany talohan’ny nahafatesan’i Jesosy. “Nifanditra mafy” sy niady hevitra be izy ireo, satria nanao fampitahana hoe ‘iza no lehibe indrindra teo amin’izy ireo.’ (Lioka 22:24) Tsy isalasalana àry fa misy vokany ratsy ny karazana fampitahana sasany. Ratsy daholo ve anefa ny fampitahana rehetra?

Ny lafy tsaran’ny fampitahana

Diniho ny tantaran’i Daniela sy ireo namany hebreo telo lahy, ao amin’ny Baiboly. Tsy nety nihinana ny sakafo matsiro natolotry ny mpanjakan’i Babylona izy ireo, satria noraran’ny lalàn’Andriamanitra izany. (Levitikosy 11:4-8) Mba handresena lahatra an’ilay mpiandraikitra, dia nangataka i Daniela mba hanaovana fanandramana izy sy ireo namany. Sakafo tsy voararan’ny Lalàn’Andriamanitra no hohaniny mandritra ny folo andro, ary hampitaha azy ireo amin’ny tanora hafa ao an-dapan’ny mpanjaka ilay mpiandraikitra, aorian’izay. Inona no vokany, rehefa natao ny fampitahana?

Hoy ny Baiboly: “Nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza [ny tarehin’ireo Hebreo] noho ny an’ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin’ny hanin’ny mpanjaka.” (Daniela 1:6-16) Hita àry fa niavaka noho ny tanora hafa i Daniela sy ny namany, rehefa natao ny fampitahana. Noho izy ireo nifidy ny hankatò ny lalàn’Andriamanitra anefa no tena nahatonga izany, fa tsy hoe natanjaka noho ny tanora hafa izy ireo.

Mitovy amin’ny nanjo an’ireo tanora hebreo ireo ve no mahazo anao? Azo inoana fa miavaka noho ny tanora hafa ianao, satria manaraka ny fitsipiky ny Baiboly. Mety ho gaga ny olona sasany rehefa mahita izany, ka ‘hanevateva anao tsy misy farany.’ (1 Petera 4:3, 4) Hahamarika ny vokatry ny fitondran-tena tsaranao kosa anefa ny hafa, ary mety haniry hianatra momba an’i Jehovah mihitsy aza. (1 Petera 2:12) Misy vokany tsara ny fampitahana, raha izany no mitranga.

Misy antony hafa koa maha tsara ny fampitahana. Mety hihevitra ianao, ohatra, fa antonony tsara ny raharaha ataonao ao an-trano, rehefa ampitahainao amin’izay ataon’ny mpiray tam-po aminao. Mety tsy ho izany anefa no hevitry ny ray aman-dreninao. Mba hanitsiana anao àry, dia mety haka ohatra momba ny olona iray ao amin’ny Baiboly izy ireo, ary hampirisika anao mba hampitaha ny toe-tsainao sy ny zavatra ataonao amin’ny an’ilay olona.

Mety hampahatsiahy anao, ohatra, izy ireo fa na dia nantsoina hoe Tompo sy Mpampianatra aza i Jesosy, dia nanolo-tena hanasa ny tongotry ny mpianany. (Jaona 13:12-15) Hampirisika anao angamba izy ireo avy eo, mba hanetry tena sy hazoto hiasa toa an’i Jesosy. Ampirisihin’ny Baiboly tokoa ny Kristianina rehetra, na tanora na antitra, mba hampitaha ny tenany amin’i Kristy foana, sy hiezaka ‘hanaraka tsara ny diany.’ (1 Petera 2:21) Hanampy antsika hanetry tena hatrany sy hanana toetra mampifaly an’i Jehovah ny fampitahana toy izany.

Inona no azonao atao?

Marina fa mety hahasosotra sy hahakivy ny hoe ampitahaina amin’ny mpiray tam-po, na amin’ireo ankizy mitovy taona aminao. Inona no azonao atao? Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany.” (Ohabolana 19:11) Nahoana no ilaina ny fahendrena? Manampy anao izany mba hahita fa mety ho ny hahasoa anao no tanjon’ny ray aman-dreninao na ny mpampianatra, rehefa mampitaha anao amin’ny hafa izy. Hoy i Cathy: “Rehefa misy olona mampitaha ahy amin’ny hafa, dia mieritreritra aho fa maniry hanampy ahy izy. Miezaka àry aho hamantatra hoe inona no tiany hiezahako.” Tsapan’i Cathy fa tsy dia sosotra loatra izy na kivy, rehefa mitadidy fa mety hahasoa azy ilay fampitahana.

Ahoana anefa raha miverimberina be ilay fampitahana? Mety hampitaha anao amin’ny zokinao na ny zandrinao foana, ohatra, ny ray aman-dreninao, ary tsy tantinao izany. Azonao atao ny miresaka aminy amim-panajana sy manazava izay tsapanao. Mety tsy ho fantany mantsy fa mahakivy anao ilay fampitahana.

Tadidio anefa fa ao “ny andro itenenana”, ary ao “ny andro anginana.” (Mpitoriteny 3:7) Raha tezitra be ianao rehefa misy olona mampitaha anao amin’ny hafa, dia aza miteny aloha. Rehefa tony tsara ianao, vao miresaha aminy. Amin’izay dia hihaino anao tsara ny ray aman-dreninao, na ny olona nanao ilay fampitahana.—Ohabolana 16:23.

Tsy dia hankarary fo anao ny fampitahana ataon’ny olona, raha mitadidy ny zavatra tsara momba anao ianao. Hoy ny apostoly Paoly tamin’i Timoty: “Aza avela hisy hanamavo anao noho ny fahatanoranao.” (1 Timoty 4:12) Mbola azo lazaina ho tanora i Timoty, tamin’izy voatendry ho mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana. Nety ho nisy olona àry nampitaha azy tamin’ny mpiandraikitra hafa, izay be taona sy za-draharaha kokoa. Azo inoana anefa fa tsy nitombina sady tsy nahasoa izany fampitahana izany. Marina fa tanora i Timoty, nefa efa za-draharaha izy satria niaraka tamin’i Paoly. Nahay nanazava tsara ny Tenin’Andriamanitra izy, ary tena nikarakara an’ireo mpiray finoana taminy.—1 Korintianina 4:17; Filipianina 2:19, 20.

Raha misy mampitaha anao amin’ny hafa àry amin’ny manaraka, dia mieritrereta hoe: ‘Mitombina ve ilay fanakianana?’ Raha misy maha marina azy ilay izy, dia ahitsio izay tokony hahitsy. Mety tsy hilaza zavatra voafaritra tsara anefa ilay olona, toy ny hoe: “Mba miezaha ianao hitovy amin’ny zokinao.” Diniho ihany anefa izay lazainy, sao mba mahasoa anao!

Mihevitra anao ho sarobidy i Jehovah Andriamanitra, ary tsy mampitaha anao amin’ny olon-kafa tsy lavorary. (Galatianina 6:4) Mahafantatra izay ao am-ponao izy, fa tsy mijery izay miseho ivelany. (1 Samoela 16:7) Tsy ny toetranao ihany no fantany fa ny toetra tsara iezahanao hananana koa. (Hebreo 4:12, 13) Fantany fa mety hanao fahadisoana ianao, nefa tsy ireny no ifantohany fa ny toetra tsaranao. (Salamo 130:3, 4) Izany dia efa mampahery, rehefa misy mampitaha anao amin’ny hafa.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe...”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ireo anarana.

ERITRERETO IZAO:

◼ Inona no karazana fampitahana mahasosotra anao?

◼ Ahoana no hataonao, raha mampitaha anao amin’ny hafa foana ny ray aman-dreninao?

[Teny notsongaina, pejy 12]

“Tsy tiako ilay manome torohevitra ahy, raha manonona anaran’olona. Mahasosotra ahy, ohatra, ny maheno hoe: ‘Mba jereo ny ataon’i Anona.’ Tiako kosa raha mba milaza ny toetra tsarako aloha izy, vao miteny ny fahadisoako, ary manoro hevitra ahy amim-pitiavana.”—Natalie

[Sary, pejy 13]

Azonao atao ny miresaka amim-panajana sy manazava izay tsapanao