Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
◼ Tantsaha sinoa 40 tapitrisa teo ho eo no very tany, tato anatin’ny 10 taona farany, satria mitatra haingana ny tanàn-dehibe.—CHINA DAILY, CHINE.
◼ Nandritra ny taona 2005, dia nisy ady goavana 28 sy ady madinika kokoa 11, naneran-tany.—VITAL SIGNS 2006-2007, FIKAMBANANA MPANDINIKA AN’IZAO TONTOLO IZAO.
◼ Nahavita nanamboatra fiaramanidina faran’izay maivana ny ekipa iray ao amin’ny Sekoly Momba ny Teknolojia any Tokyo. Misy mpanamory izy io. Latsaka ny 55 kilao ilay fiaramanidina, ary mandeha pila. Nahavita nanidina 391 metatra ilay izy, nandritra ny 59 segondra.—MAINICHI DAILY NEWS, JAPON.
◼ Misy fandaharana ahafahanao milaza ny mombamomba anao ao amin’ny Internet, sady ahazoanao mampiseho ny tenanao amin’ny alalan’ny kamerà. Tamin’ireo tanora holandey eo anelanelan’ny 12 sy 20 taona nandray anjara tamin’izy io, dia “40 isan-jaton’ny ankizilahy sy 57 isan-jaton’ny ankizivavy, no nilaza fa nasaina niboridana na nasaina nanao fihetsika vetaveta teo anoloan’ilay kamerà.”—RUTGERS NISSO GROEP, HOLANDY.
Mety ho Sarotra Ialana ny Lalao Video
“Mitovy amin’ny zava-mitranga ao amin’ny atidohan’ny olona miankin-doha amin’ny toaka na rongony, ny zava-mitranga ao amin’ny atidohan’ny olona manao lalao video be loatra.” Izany no tenin’ilay psikology atao hoe Ralf Thalemann, lehiben’ny mpikaroka momba ny fiankinan-doha amin’ny toaka na zavatra hafa, ao amin’ny hopitaly iray fiofanana ho mpitsabo, any Alemaina. Rehefa manao lalao video be loatra ny olona iray, dia mihamitombo ilay zavatra simika atao hoe dopamine, avoakan’ny atidohany. Mahatonga azy ho falifaly izy io, ka lasa sarotra aminy ny miala amin’ny lalao video. Hita tamin’ny fanadihadiana iray, fa mety ho tratran’izany ny 10 isan-jato mahery amin’ny olona manao lalao video.
Matetika no “Mitebiteby sy Mikorontan-tsaina” ny Mpanankarena
Hoy ny gazety China Daily any Beijing: “Mitebiteby sy mikorontan-tsaina ireo mpanapitrisa.” Nisy fanadihadiana natao tamin’ny olona avy any Chine Atsinanana sy Atsimo. Nanana harena mitentina 275 tapitrisa dolara teo ho eo izy ireo. Nofantarina tamin’izany ny “fiheveran’izy ireo ny fivavahana, fanambadiana, fiainana, asa, ary vola.” Hita fa “sady tia vola no mankahala vola ny ankamaroan’ireo mpanapitrisa.” Maro tamin’ireo nadinadinina no nilaza fa “fahasorenana no tena entin’ny vola” ho azy, na dia tsapany aza fa lasa manana fari-piainana ambony sy nahavita zavatra izy.
Mahasalama ny Marary Saina ny Mamboly sy Miompy
Vao haingana dia nivory tany Stavanger, any Norvezy, ny manam-pahaizana 100 mahery avy any amin’ny tany 14. Nandinika momba ny fitsaboana amin’ny alalan’ny fambolena sy fiompiana izy ireo. Ampianarina mamboly sy miompy ny marary mba hahasitrana azy. Nilaza ny fampahalalam-baovao NRK, fa tsy nila nampidirina hopitaly intsony ireo narary saina efa an-taonany maro, rehefa nanomboka namboly sy niompy. “Mahasalama ny saina sy ny vatana” ny fambolena sy fiompiana. Toeram-pambolena sy fiompiana 600 mahery no mandray anjara amin’io tetikasa io, any Norvezy, ary omena vola izy ireo amin’izany.
Ampanofaina ny Tendron’ny Tilikambom-piangonana
Hoy ny gazety Newsweek: “Mihamihena ny vola miditra amin’ny fiangonana any Nouvelle-Angleterre [Etazonia]. Nahita hevitra àry izy ireo. Ampanofainy amin’ny orinasa mpandraharaha momba ny telefaonina finday ny tendron’ny tilikambon’izy ireo tsara tarehy.” Sarotra ny mahita toerana avo hametrahana antenina natao hampitana sy handraisana hafatra na antso an-telefaonina, any amin’ny faritra be trano fonenana. Tsy tian’ny olona hisy antenina ratsy tarehy koa eo amin’ny manodidina ny tranony. Afenin’ireo orinasa mpandraharaha momba ny finday ao anatin’ny tendron’ny tilikambom-piangonana àry ny antenina ampiasain’izy ireo. Hoy ny lehiben’ny fikambanana iray mpanoro hevitra ny fiangonana: “Misy antenina telo an’ny orinasa samy hafa izao ao amin’ilay fiangonana nametrahanay antenina voalohany. Mahazo 74 000 dolara isan-taona io fiangonana io, nefa tsy ampiasainy akory ny tendron’ilay tilikambo.”