Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vatolampy Makadiry

Vatolampy Makadiry

Vatolampy Makadiry

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY KANADA

EO AMIN’NY Oseana Atlantika no misy ny Haram-bato Percé. Eo amin’ny tendrony atsinanan’ny Saikinosin’i Gaspé izy io, eo amin’ny Hoalan’i Saint-Laurent. Mahatratra 433 metatra eo ho eo ny lavany, tokony ho 90 metatra ny sakany, ary 88 metatra mahery ny haavony. Nataon’ny mpanarato sy ny tantsambo fanamarihan-toerana izy io, nandritra ny taonjato maro. Nohindrahindrain’ny poety sy ny mpanoratra ary ny artista koa izy io. Nilaza ny boky iray fa “mifono zava-miafina sy tena mahaliana” io vatolampy io.

Nianika an’ilay haram-bato ny mponina teny akaiky teny fahiny, mba haka atodim-borona. Nataon’ny fitondram-panjakan’i Québec valan-javaboary anefa ny Haram-bato Percé sy ny Nosy Bonaventure tamin’ny 1985, mba hitsimbinana sy hiarovana an’ireo vorona sy ilay haram-bato. Ao amin’ny Nosy Bonaventure no fanatodizan’ilay karazam-borona antsoina hoe ngovo. Io no toerana faharoa be ngovo indrindra eto an-tany.

Misy milaza fa nikambana tamin’ny kontinanta ny Haram-bato Percé fahiny, ary nety ho nisy lavaka efatra, toy ny tionelina, teo aminy. Iray ihany anefa no eo ankehitriny. Eo amin’ny sisin’ilay haram-bato no misy azy io ary 30 metatra ny sakany. Misy dongom-pasika mampitohy azy io amin’ny morontsiraka, rehefa misintona ny ranomasina. Mandeha an-tongotra adiny efatra eo ho eo ireo mpitsidika tia andranandrana mba hahatongavana eny am-pototr’ilay haram-bato. Manaraka ny sisin’izy io mandritra ny 15 minitra eo ho eo indray izy ireo vao tonga eo amin’ilay lavaka.

Mila mitandrina anefa izay olona sahy mankeny. Hoy ny mpizaha tany iray efa teny amin’ilay lavaka: “Mandre feo midoboka toy ny baomba kely ianao isaky ny minitra vitsivitsy, rehefa misy vato mianjera ao anaty rano. Mampahatahotra ilay izy! Mianjera eo ambonin’ny vato hafa kosa ny vato sasany, ka mirefotra toy ny feom-basy.”

Kanto sy mahavariana ny Haram-bato Percé, araka ny fahitan’ny mpitsidika maro azy. Iray monja amin’ireo toerana mahasondriana eto an-tany anefa izy io. Maro isan-karazany tokoa izy ireny! Raha sendra mahita azy ireny koa angamba ianao dia ‘hijanona, ka handinika ny fahagagana ataon’Andriamanitra.’—Joba 37:14.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

© Mike Grandmaison Photography