Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vovoka Mahavelona ny Vovobony

Vovoka Mahavelona ny Vovobony

Vovoka Mahavelona ny Vovobony

MIASA be ny tantely rehefa tonga ny lohataona. Miely etsy sy eroa ny vovobony amin’izay, ka sorena ny olona tsy mahazaka azy. Manana anjara asa lehibe anefa io vovoka hafakely io. Mety ho gaga isika hahafantatra fa tena iankinan’ny aintsika izy io.

Fa inona moa ny vovobony? Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Voa madinika kely miforona ao amin’ny lahimbonin’ny felan-javamaniry ny vovobony.” Manamboatra azy io ny zavamaniry mba hananany solofo. Eo amin’ny olombelona, ohatra, dia tsy maintsy mitambatra amin’ny tsirilahy avy amin’ny lehilahy ny tsirivavy, mba hiforonan’ny zazakely. Mila vovobony avy amin’ny lahimbony koa ny vavimbony, mba hiforonan’ny voa. *

Faran’izay bitika ny vovobony ka tsy hita tsara raha tsy jerena amin’ny mikraoskaopy. Samy manana ny bikany sy ny habeny ny vovobonin’ny karazan-javamaniry tsirairay. Tsy mety simba koa ny vovobony. Ny lafiny mampiavaka azy io àry matetika no dinihin’ny mpahay siansa, mba hamantarana ny zavamaniry nambolen’ny olona fahiny. Manampy ny voninkazo koa izany fahasamihafana izany, mba hamantarany ny vovobonin’ny zavamaniry mitovy aminy.

Ny fomba hifindran’ny vovobony

Ny rivotra no ianteheran’ny zavamaniry maro mba hitondra ny vovoboniny. Ny rano kosa no mitondra ny vovobonin’ny zavamaniry sasany ao anaty rano. Tsy tody any amin’ny vavimbony avokoa ny vovobony entin’ny rivotra, ka mamoaka vovobony be dia be ireo zavamaniry miantehitra aminy. * Tena mijaly ny olona tsy mahazaka vovobony, rehefa aelin’ny rivotra izy ireny.

Tena manampy amin’ny famindrana ny vovobonin’ny zavamaniry maro ny rivotra. Mila mpamindra vovobony azo antoka kokoa anefa ny zavamaniry sasany, rehefa mifanalavitra ny toerana aniriany. Iza àry no mamindra an’ireny vovobony ireny? Manan-talenta amin’izany ny ramanavy sy ny vorona ary ny bibikely. Tsy miasa maina anefa izy ireo amin’izany!

Omen’ny voninkazo zavatra tena tiany ireo mpamindra vovobony ireo, dia ny mamimbony. Betsaka ny vovobony manaraka ny vatany rehefa tonga mitsentsitra mamimbony izy ireo. Afindrany amin’ny voninkazo hafa izany avy eo, rehefa mitsentsitra mamimbony any indray izy.

Ny bibikely no tena mpamindra vovobony, any amin’ny tany tsy dia mafana loatra. Mitety voninkazo maro be izy ireo isan’andro, rehefa mihinana mamimbony sy vovobony. * Hoy ny Profesora May Berenbaum: “Ny famindrana vovobony angamba no fomba lehibe indrindra anasoavan’ny bibikely ny olombelona. Tsy voamariky ny olona loatra anefa izany.” Tsy iray fototra mazàna ny lahimbony sy ny vavimbonin’ny hazo fihinam-boa, ka mila mpamindra vovobony izy ireo mba hamokarany. Tena mitondra soa ho antsika àry ny famindrana vovobony.

Ahoana no isarihana ireo mpamindra vovobony?

Tsy maintsy manao izay hisarihana an’ireo mpamindra vovobony ny voninkazo, sady manome sakafo azy ireo. Amin’ny fomba ahoana? Mety hanome alokaloka azy ireo izy. Ataony manintona koa ny fofona sy ny endriky ny mamimboniny sy ny vovoboniny. Ny hafa indray manampy an’ireo mpamindra vovobony hahita ny mamimboniny, amin’ny alalan’ny loko sy tsipitsipika eo amin’ny felany.

Tsy mitovy ny fomba isarihan’ny voninkazo an’ireo mpamindra vovobony. Misy mamoaka fofon-javatra lo mba hisarihana ny lalitra. Ny hafa kosa mampiasa fitaka. Mitovy bika amin’ny tantely, ohatra, ny orkide sasany, ka voasarika ho eo aminy ny tantely mitady vady. Ny voninkazo sasany indray mihazona bibikely, ary tsy alefany raha tsy azony izay ilainy. Hoy i Malcolm Wilkins, manam-pahaizana momba ny zavamaniry: ‘Ny famindrana vovobony no asa ilana fitandremana sy fahaizana indrindra, eo amin’ny fiainan’ny zavamaniry.’

Nataon’ny Mpamorona tsara tarehy ny voninkazo mba hanintonana ny mpamindra vovobony. Raha tsy izany dia zavamaniry an-tapitrisany no efa lany tamingana. Hoy i Jesosy rehefa niresaka momba izany: “Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo any an-tsaha. Tsy misasatra na manao kofehy ireny, nefa lazaiko aminareo fa na i Solomona tamin’ny voninahiny rehetra aza tsy nitafy toy ny iray amin’ireny.”—Matio 6:25, 28, 29.

Mety hanorisory ny sasany amintsika ny vovobony. Noho ny famindrana azy ireny anefa dia miroborobo ny zavamaniry, sady mamokatra an’ireo sakafo ilaintsika. Tokony hankasitraka ny mpamindra vovobony isika noho ny asa mafy ataony. Tena miankina amin’ny famindrana vovobony mantsy ny habetsahan’ny vokatra eny an-tsaha. Mampiharihary ny asa mahagaga nataon’ny Mpamorona tokoa io fandaharana faran’izay tsara io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Vovobony avy amin’ny zavamaniry hafa iray karazana aminy no ilain’ny zavamaniry iray, na vovobony eo aminy ihany. Mihamaro anefa ny karazan’ilay zavamaniry ary tsara sy matanjaka kokoa ny solofony, rehefa tsy iray fototra ny lahimbony sy ny vavimbony.

^ feh. 6 Mamokatra vovobony dimy tapitrisa mahery, ohatra, ny felana iray amin’ny hazo atao hoe bouleau, nefa misy felana an’arivony ny hazo tsirairay.

^ feh. 9 Mila mitety voninkazo folo tapitrisa eo ho eo ny tantely vao mahavita ranon-tantely iray kilao.

[Efajoro/​Sary, pejy 16, 17]

Ireo Mpamindra Vovobony

LALITRA SY VOANGORY

Tsy mba misy midera izy ireo, nefa mpamindra vovobony tena mahay. Tokony hankasitraka an’ilay lalitra kely mpamindra ny vovobonin’ny kakaô ianao, raha tia sôkôlà.

RAMANAVY SY KANGOROA KELY

Ny ramanavy no mpamindra ny vovobonin’ny hazo lehibe, toy ny kapoaka sy baobaba. Sady mihinana mamimbony ny ramanavy sasany no mihinana ireo voankazo. Manao asa roa sosona izy ireo amin’izany, satria sady mamindra vovobony no manely ny voan’ilay voankazo. Misy karazana kangoroa kely any Aostralia. Mitety voninkazo izy ireo mba hihinana mamimbony. Manaraka ny volony ireo vovobony ka afindrany eny amin’ny voninkazo hafa.

LOLO SY SAMOINA

Ny mamimbony no foto-tsakafon’ireo bibikely tsara tarehy ireo. Mamindra vovobony izy ireo rehefa mitety voninkazo. Ny samoina no tena mpamindra ny vovobonin’ny orkide sasany.

SOIMANGA SY KÔLIBRIA

Mitety voninkazo ireo vorona mareva-doko ireo, mba hitsentsitra mamimbony. Miangona eo amin’ny lohany sy ny tratrany ny vovobony.

TANTELY SY FANENITRA

Mora miraikitra amin’ny vatana volomboloinan’ny tantely ny vovobony. Mahazaka vovobony 15 000, ohatra, ny tantely siaka iray. Nentina tany Nouvelle-Zélande ny tantely siaka sasany tany Angletera, tamin’ny taonjato faha-19, ka lasa niroborobo ny fambolena an’ilay karazan-javamaniry telo ravina, sakafon’ny biby fiompy any.

Ny tantely mpanao ranon-tantely no mpitondra vovobony be indrindra eran-tany. Izay voninkazo betsaka eo akaikin’ny tranony mazàna no teteziny. Nilaza ilay mpikaroka atao hoe Christopher O’Toole, fa “ny 30 isan-jaton’ny sakafon’ny olombelona no miankina amin’ny famindrana vovobony ataon’ny tantely, na mivantana izany na tsia.” Ny tantely no mamindra ny vovobonin’ny hazo fihinam-boa toy ny amandy, paoma, paiso, ary ny serizy. Misy tantsaha manome vola an’ireo mpiompy tantely, noho ny asa ataon’ny tanteliny.

[Sary, pejy 18]

Orkide tantely