Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Voalahatra ve ny Fiainanao?

Efa Voalahatra ve ny Fiainanao?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Efa Voalahatra ve ny Fiainanao?

Handeha hiasa ny lehilahy roa, indray maraina. Nitondra kamiao izy ireo ary nanao hitsin-dalana. Nahita lelafo nilelalela avy teo amin’ny varavarankelin’ny trano iray izy roa lahy ka nijanona. Naka tohatra tao anatin’ny fiarany izy ireo, mba hamonjena ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany dimy mianadahy. “Izany angamba no lahatra”, hoy ny gazety iray, rehefa niresaka momba an’ilay loza.

OLONA maro no mino, fa efa voalahatry ny hery iray tsy hay tohaina ny zava-miseho eo amin’ny fiainany, na tsara izany na ratsy. Hoy i Jean Calvin, mpitondra fanavaozana tamin’ny taonjato faha-16, momba ny atao hoe lahatra: “Fitondran’Andriamanitra [izy io], ary tsy misy fetrany. Izy no mamaritra izay tiany hatao amin’ny olona tsirairay. Tsy nataony mitovy mantsy ny zavatra hitranga amin’ny olona rehetra. Ny sasany efa voalahatra hiaina mandrakizay, fa ny hafa kosa homelohina mandrakizay.”

Efa voalahatr’Andriamanitra tokoa ve ny zavatra ataonao sy izay hiafaranao? Inona no ampianarin’ny Baiboly?

Marina ve fa misy ny lahatra?

Izao no hevitry ny olona mino ny lahatra, amin’ny ankapobeny: ‘Mahalala ny zava-drehetra Andriamanitra. Tsy miafina aminy na dia ny zavatra hitranga amin’ny hoavy aza. Fantany mialoha ny fomba hitondran’ny olona ny fiainany. Fantany tsara koa ny fotoana sy ny fomba hahafatesan’ny olona tsirairay.’ Mihevitra izy ireo, araka izany, fa tsy maintsy mifanaraka amin’izay nandaharan’Andriamanitra azy ny fanapahan-kevitra raisin’ny olona. Raha tsy izany mantsy dia tsy mahalala ny zava-drehetra Andriamanitra. Mitombina ve izany araka ny hevitrao? Diniho ny mety ho vokatr’izany fiheverana izany.

Tsy misy antony tokony hikarakaranao ny fahasalamanao, raha efa voalahatra mialoha ny hoavinao. Na hifoka sigara ianao na tsia, dia tsy hisy fiantraikany eo amin’ny fahasalamanao sy ny an’ny zanakao izany. Mitovy ihany ny zavatra hitranga, na hisotro toaka ianao alohan’ny hitondrana fiara na tsia. Tsy mitombina anefa izany rehetra izany. Asehon’ny antontan’isa fa ieren-doza kokoa ny olona mitandrina. Mety hitera-doza kosa ny tsy fitandremana.

Saintsaino koa izao: Raha nifidy ny hamantatra ny zava-drehetra Andriamanitra, dia ho fantany talohan’ny namoronany an’i Adama sy Eva, fa tsy hankatò azy izy ireo. Tsy navelan’Andriamanitra hihinana tamin’ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” i Adama mba tsy ho faty. (Genesisy 2:16, 17) Efa fantany ve tamin’izay fa tsy hankatò azy i Adama? Mazava ho azy fa tsia. Nitso-drano azy mivady koa Andriamanitra hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” Efa fantany ve tamin’izay, fa tsy ho afaka hiaina ao amin’ilay paradisa tsara tarehy akory izy ireo? Tsy izany velively.—Genesisy 1:28.

Raha fantatr’Andriamanitra mialoha ny zava-drehetra, dia izy no tompon’andraikitra amin’izay rehetra mitranga, anisan’izany ny ady sy ny tsy rariny ary ny fijaliana. Tsy marina anefa izany, satria tsy mifanaraka amin’ny toetran’Andriamanitra.

Manan-tsafidy ianao

Milaza ny Soratra Masina fa “Andriamanitra dia fitiavana” sady “tia rariny.” Nampirisika ny vahoakany foana izy hoe: “Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara.” (1 Jaona 4:8; Salamo 37:28; Amosa 5:15) Imbetsaka izy no nampirisika ny mpanompony mahatoky, mba hifidy ny fomba fiaina tsara. Izao, ohatra, no nolazainy tamin’ny alalan’i Mosesy, rehefa nanao fifanekena tamin’ny firenen’ny Israely izy: “Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao.” (Deoteronomia 30:19) Noferan’Andriamanitra mialoha ve ny ho safidin’ireo olona ireo? Tsy izany velively.

Nampirisika ny mpiray tanindrazana taminy i Josoa, mpitarika ny vahoakan’Andriamanitra fahiny, hoe: ‘Fidionareo anio àry izay hotompoinareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.’ (Josoa 24:15) Hoy koa i Jeremia, mpaminanin’Andriamanitra: “Ankatoavy ny tenin’i Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa hianao, ka ho velona ny ainao.” (Jeremia 38:20) Moa ve ny Andriamanitra marina sy be fitiavana iray, hampirisika ny olona hanao ny tsara sy hampanantena valisoa, raha efa fantany fa horinganina izy ireo? Tsy izany mihitsy. Mpihatsaravelatsihy izy raha manao izany.

Na tsara àry na ratsy ny zavatra mitranga eo amin’ny fiainanao, dia tsarovy fa tsy voalahatra mialoha izy ireny. Mety ho azon-tsampona isika rehetra. (Mpitoriteny 9:11) Matetika anefa izany no vokatry ny fanapahan-kevitra noraisin’olon-kafa, na nataony tamim-pahendrena ilay izy na tsia. Tsy voalahatra mialoha ny hoavinao mandrakizay, fa miankina amin’ny fanapahan-kevitra raisinao.

AHOANA NO HEVITRAO?

◼ Efa voalahatr’Andriamanitra mialoha ve fa hanota i Adama sy Eva?—Genesisy 1:28; 2:16, 17.

◼ Inona avy ireo toetran’Andriamanitra manaporofo fa tsy misy ny lahatra?—Salamo 37:28; 1 Jaona 4:8.

◼ Inona no tokony hataonao?—Josoa 24:15.

[Teny notsongaina, pejy 13]

Asehon’ny antontan’isa fa ieren-doza kokoa ny olona mitandrina