Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fa Mankaiza Daholo ny Harena?

Fa Mankaiza Daholo ny Harena?

Fa Mankaiza Daholo ny Harena?

TSY hino angamba ianao raha ilazana fa mitobaka ny harena eto an-tany. Marina anefa izany. Be vola loatra ny tany sasany, ka tsy hitany intsony izay andaniana azy. Voalaza fa nihoatra ny 60 000 tapitrisa tapitrisa ariary ny harena novokarina naneran-tany, tamin’ny taona 2005. Raha zaraina amin’ny olona eran-tany io vola be io, dia hahazo 18 tapitrisa ariary avy ny tsirairay. Tsara homarihina fa tsy mitsaha-mitombo izany harena izany.

Mampalahelo anefa ny zava-misy. Milaza ny boky iray navoakan’ny Firenena Mikambana vao haingana, fa na dia atambatra aza ny harenan’ireo tany 48 mahantra indrindra, dia mbola kely raha oharina amin’ny harenan’ireo olona telo manankarena indrindra eto an-tany. Olona 2 500 tapitrisa no tsy mahazo afa-tsy vola kely dia kely isan’andro, araka ny nolazain’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Fampandrosoana. An-jatony tapitrisa no misakafo ambany foitra sady tsy mahazo rano fisotro madio.

Manao fanadihadiana momba ireo “olona madiva hahantra” any Etazonia ny manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina any. Olona 50 tapitrisa mahery no toy izany any an-toerana, na dia manankarena be aza i Etazonia.

Vola tsy toko tsy forohana no miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana sy arotsaka any amin’ny banky, eran-tany. Nahoana anefa no an-jatony tapitrisa ny olona mbola miaina ao anatin’ny fahantrana faraidiny? Mihamitombo hatrany koa ny harena eran-tany, nefa nahoana no maro be ny olona tsy mba afaka mahazo amin’izany, na dia sombiny aza?

[Teny notsongaina, pejy 3]

Na dia atambatra aza ny harenan’ireo tany 48 mahantra indrindra, dia mbola kely raha oharina amin’ny harenan’ireo olona telo manankarena indrindra eto an-tany

[Sary, pejy 2, 3]

Arivo ariary eo ho eo isan’andro ny karaman’ny ankizy miasa ato amin’ity orinasa fanaovam-biriky ity

[Sary nahazoan-dalana]

© Fernando Moleres/ Panos Pictures

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

© Giacomo Pirozzi/Panos Pictures