Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanantenana ho An’ny Mahantra

Fanantenana ho An’ny Mahantra

Fanantenana ho An’ny Mahantra

TSY misy maha ratsy azy ny miasa mafy, raha tsara ny karama. Mariho ny tenin’ny olona iray mpanoratra Baiboly: ‘Fantatro fa tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.’—Mpitoriteny 3:12, 13.

Araka ny efa hitantsika anefa, dia terena hiasa mafy ny olona, nefa matetika no kely ny karama omena azy. Mbola mahantra foana ny maro amin’izy ireny, ary miady mafy vao mahita izay ilainy isan’andro. Mafy loatra ny fiainany ka mahalana izy ireo vao mba te ‘hifaly.’ Lasa mpanankarena be izao tontolo izao, nefa tsy mba mahazo sombiny amin’izany ny antsasany eo ho eo amin’ny mponina eto an-tany.

Miahy ny mahantra Andriamanitra

Mampalahelo an’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona ny olombelona, izany toe-javatra izany. Mangoraka ny mahantra i Jehovah. Hoy ny Baiboly: ‘Tsy manadino ny fitarainan’ny ory [Andriamanitra].’ (Salamo 9:12) Andriamanitra miahy ny mahantra i Jehovah.

Hoy ny Baiboly momba an’i Jehovah: “Hianao no iononan’ny mahantra; hianao no Mpamonjy ny kamboty.” (Salamo 10:14) Mariho fa voamarik’i Jehovah ny mahantra. * Mahita ny tsirairay amin’izy ireo Andriamanitra, ary mijery ny zavatra ilainy. Sarobidy aminy ny olona tsirairay, ary mihevitra izy fa mendrika hokarakaraina izy ireo. Manasa ny olona rehetra izy, na ny mahantra na ny manankarena, mba hianatra momba azy sy hanahaka azy ary hifandray akaiky aminy.

Toetra azon’ny olona tahafina avy amin’Andriamanitra ny fangorahana sy ny fiaraha-miory amin’ny hafa. Mifampitondra toy ny fianakaviambe ny Vavolombelon’i Jehovah. Sarobidy amin’izy ireo ny olona tsirairay eo anivon’io fianakaviana io, ary tena mifankatia izy ireo. Indray andro, dia hoy i Jesosy Kristy Tompo tamin’ny mpianany: “Mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.” (Matio 23:8) Lasa mpirahalahy avokoa àry izay manaraka ny fivavahana marina. Tsy misy fanavakavahana ny mahantra sy ny manana eo anivon’izy ireo. Mifampiahy sy mifampahery izy ireo amin’ny fotoan-tsarotra.

Ahitana toro lalana azon’ny mahantra ampiharina ao amin’ny Baiboly, ka mampihena ny olana atrehiny. Milaza ny Soratra Masina fa melohin’Andriamanitra ny fandotoana ny vatana. Anisan’izany ny fifohana sigara sy fihinanana paraky ary ny fisotroan-toaka tafahoatra. (Ohabolana 20:1; 2 Korintianina 7:1) Tsy lanilany foana amin’ireo fanao tsy mahasoa ireo ny volan’ny olona manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Tsy voan’ny aretina vokatry ny fifohana sigara na ny fimamoana izy, ka tsy lany vola amin’ny fitsaboana. Mampianatra ny olona tsy ho tia vola tafahoatra na ho matimatin-karena koa ny Baiboly. (Marka 4:19; Efesianina 5:3) Tsy ho lany vola amin’ny filokana ny olona mankatò izany toro lalan’Andriamanitra izany.

Misy toro lalana azo ampiharina amin’ny fiainana andavanandro ao amin’ny Baiboly. Mahasoa izy ireny, na dia ao anatin’ny fahantrana faraidiny aza ny olona iray. Jereo ity zava-nitranga ity:

Nangataka fotoana tsy hiasana ny vehivavy iray, mba hanatrehana fivoriana kristianina. Be dia be ny olona tsy an’asa ao amin’ny taniny, ka mety horoahin’ny mpampiasa izy raha manao izany. Nanaiky ny fangatahany anefa ny mpampiasa azy, ka gaga izy sy ny mpiasa hafa. Nilaza koa ilay mpampiasa fa mbola tiany hiasa ao amin’ny orinasany izy, satria “mpiasa mahafatra-po.” Nahoana?

Vavolombelon’i Jehovah io mpiasa io, ka nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Te “hanao ny marina amin’ny zava-drehetra” izy, ka tsy nandainga na nangalatra. Nalaza ho olo-marina àry izy. (Hebreo 13:18) Nankatò ny Kolosianina 3:22, 23 izy, ka nanao ny asany ‘tamin’ny fo manontolo.’ Nankatò ny mpampiasa azy koa izy, sady nazoto tamin’ny asany foana isan’andro.

Mazava ho azy fa mbola manjaka eto anivon’ity tontolo ity ny fitiavan-tena. Izay ahazoana tombony ho azy ihany no imasoan’ny olona. Etsy an-danin’izany, dia mbola miady mafy ihany ny olona sasany vao mahazo sakafo sy akanjo ary trano ipetrahana, na dia manaraka tsara ny toro lalan’ny Baiboly aza. Milamin-tsaina anefa ny olona toy ireny, satria fantany fa mankasitraka azy ny Mpamorona. Matoky koa izy fa hihatsara ny fiainany amin’ny hoavy. “Andriamanitra manome fanantenana” mantsy i Jehovah.—Romanina 15:13.

Tsy hisy intsony ny fahantrana

Milaza ny Baiboly fa halan’i Jehovah ny fampahoriana sy ny tsy rariny atao amin’ny mahantra. Hoy ny Teniny: “Lozan’izay mamorona fikasana tsy marina sy izay mpanoratra manoratra fampahoriana, hampialany ny mahantra amin’ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin’izay ory ..., handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!” (Isaia 10:1, 2) Tsy miraharaha ny mahantra ny tompon’andraikitra eo amin’ny sehatry ny toe-karena ankehitriny, na fanahy inian’izy ireo izany na tsia. Hesorin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra eo amin’ny toerany ireny mpampahory ny madinika ireny.

Nametraka fanontaniana mampieritreritra tamin’izy ireny i Isaia mpaminany. Hoy izy: “Ahoana no hataonareo amin’ny andro famaliana sy amin’ny fandravana izay avy amin’ny lavitra?” (Isaia 10:3) Tsy havelan’i Jehovah hanohy ny asany intsony ireny mpampahory ireny, ka ho foana ny tsy rariny.

Tsy izay fotsiny anefa no hataon’Andriamanitra. Homeny fiainam-baovao hanjakan’ny rariny ny olona tso-po. Fanjakana tonga lafatra no hitondra amin’izany, ka tsy hahantra intsony ny olona, fa ho afa-po amin’ny fiainana sy ho faly. Tsy voatery handova be, na hifandray amin’ny mpandraharaha malaza, na ho matihanina eo amin’ny sehatry ny fandraharahana ianao, vao hanan-karena. Ahoana no ahalalantsika fa hisy tokoa izany fiovana izany?

Nantsoin’i Jesosy Kristy hoe “fotoan’ny fanavaozana” io fotoana tena hahafinaritra amin’ny hoavy io. I Jesosy no notendren’i Jehovah ho mpitondra ny olombelona. (Matio 19:28) Hohavaozina ny fiainan’ny olona amin’izay. Nampiasa ilay teny hoe “fotoan’ny fanavaozana” i Jesosy, mba hanamafisana fa hataon’ilay Mpamorona be fitiavana ho araka izay nikasany azy, ny fiainan’ny olombelona manao ny marina. Hofoanan’Andriamanitra tanteraka ny olana ara-bola mampijaly ny olona maro ankehitriny.

Milaza ny Baiboly fa toy izao no hataon’i Jesosy Kristy, rehefa hanjaka izy: “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny rany.”—Salamo 72:12-14.

Afaka ny hanana izany fiainana tena tsara izany ianao. Misy zavatra takin’Andriamanitra aminao anefa. Mila mianatra ny sitrapony sy manao izany ianao. Ampiharo ny zavatra nianaranao tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, isaky ny manapa-kevitra ianao. Tadidio ao an-tsaina foana ilay hoavy mahafinaritra ampanantenain’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra. Tsy ho diso fanantenana ianao. Mampanantena Andriamanitra hoe: “Tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan’ny mahantra.”—Salamo 9:18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Ireto koa misy andinin-teny mampiseho fa miahy ny olona mijaly Andriamanitra: Salamo 35:10 sy ny Salamo 113:7.

[Teny notsongaina, pejy 9]

Afaka ny hanana fiainana tena tsara ianao amin’ny hoavy

[Efajoro/​Sary, pejy 10]

Tokony Hifindra any Amin’ny Tany Manankarena ve Aho?

Tsy milaza ny toerana tokony hipetrahan’ny olona sy hiasany ny Tenin’Andriamanitra. Midika ve izany fa mahasoa ny mifindra any an-tany hafa mba hitady vola? Manampy ny olona iray hamantatra izany ny toro lalana ao amin’ny Baiboly. Diniho ireto fanontaniana sy toro lalana ara-baiboly ireto:

1. Sao dia mba tsaho fotsiny no reko, ka mahatonga ahy te ho any? Hoy ny Ohabolana 14:15: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” Nilaza toy izao ny lehilahy iray avy any Eoropa Atsinanana, nifindra nankany amin’ny tany manankarena: “Reko tany aminay fa mitobaka be ny vola eto, sady tsy sarotra tadiavina. Mbola tsy hitako anefa ny fahamarinan’izany hatramin’izao.”

2. Mahay mandanjalanja ve aho, rehefa mamantatra hoe inona marina no tena ilain’ny fianakaviako? Inona no antony handehanako any an-tany hafa? Hitady izay tena ilain’izy ireo ve, sa hanome haitraitra azy ireo fotsiny? Marina fa manana adidy hamelona ny vady aman-janany ny loham-pianakaviana. (1 Timoty 5:8) Misy andraikitra hafa takin’Andriamanitra aminy koa anefa. Mila mampianatra ny zanany fitsipi-pitondran-tena izy, sady manampy azy ireo hifandray tsara amin’Andriamanitra. (Deoteronomia 6:6, 7; Efesianina 6:4) Afaka manome zavatra be dia be ho an’ny ankohonany angamba ny raim-pianakaviana, raha mankany an-tany hafa. Tsy ho afaka hampianatra azy ireo fitsipi-pitondran-tena anefa izy, raha tsy eo mandritra ny fotoana lava be. Tsy ho vitany koa ny hampianatra azy ireo momba an’Andriamanitra.

3. Fantatro ve fa mety halaim-panahy hanitsakitsa-bady izahay mivady raha tsy mifankahita ela be? Manoro hevitra ny mpivady ny Tenin’Andriamanitra mba hieritreritra izay ilain’ny vadiny eo amin’ny lafiny firaisana.—1 Korintianina 7:5.

4. Fantatro ve fa mety henjehin’ny manam-pahefana any amin’ilay tany handehanako aho, raha miditra any an-tsokosoko? Tsy maintsy mankatò ny lalàna any amin’izay tany alehany mantsy ny tena Kristianina.—Romanina 13:1-7.

[Sary, pejy 8, 9]

Mahasoa foana ny toro lalan’ny Baiboly, na mahantra isika na manankarena

[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]

Ambony: © Trygve Bolstad/Panos Pictures