Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanday Fihinana

Fanday Fihinana

Fanday Fihinana

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ZAMBIA

TSY tia mihinana fanday ny olona sasany. Maro anefa no mahita fa sakafo matsiro izy ireny. Tena mankafy ny fanday avy amin’ny samoina emperora (Imbrasia belina) ny olona any amin’ny faritra sasany any Afrika. Fandain’ny hazombỳ no ahalalana azy any, satria eny amin’io hazo io no tena ahitana azy. Tsy andrin’ny olona maro any ambanivohitra mihitsy ny fotoana hanangonana an’io bibikely fihinana mipelipelika io. “Be proteinina be izy io”, hoy i Keith Leggett avy ao amin’ny Fikambanana Miaro ny Zavaboary any Kalahari. Tena ilaina koa ilay fanday, satria mandray anjara betsaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana any amin’ireo tanety misy hazo vitsivitsy, izay matetika no karakaina sy tsy dia mamokatra.

Velombelona indray ny zavamananaina any anaty tany, any amin’ny faritra atsimon’i Afrika, rehefa mirotsaka ny oram-pahavaratra amin’ny fiandohan’ny volana Novambra. Lasa samoina tsara tarehy ireo soherina an-tapitrisany any ambanin’ny tany, izay mahay mamelon-tena samirery. Ao anatin’ny herinandro vitsivitsy, dia lasa olitra ireo atodin-tsamoina bitika dia bitika, ary avy eo mizihitra toy ny saosisy kely mareva-doko.

Ny sakafo be tavolo toy ny mangahazo sy katsaka no foto-tsakafo any amin’ny faritra sasany, ka tena tian’ny olona atao fanampin-tsakafo io fanday io. Maro amintsika no tsy tia mihinana azy ireny. Proteinina daholo anefa ny roa ampahatelony, ka tena ilaina izy io, indrindra raha lafo na tsy fahita firy ny karazana proteinina tsara. Mitovy amin’ny habetsahan’ny zavatra mahasalama hita ao amin’ny ampahana hena na trondro no hita ao amin’ny fanday maromaro. Manome ny telo ampahefany eo ho eo amin’ny proteinina sy vitaminina ary mineraly ilain’ny olon-dehibe ao anatin’ny iray andro izany. Sakafo mahasalama tokoa ireo bibikely ireo!

Azo antoka àry fa tsy azon’ireo mpankafy an’io fanday io hoe nahoana ny tantsaha any an-toeran-kafa no mampiasa fanafody lafo vidy, mba hamonoana an’ireny bibikely feno otrikaina ireny. Lasa sakafo mahasoa mantsy ireny bibikely an-tapitrisany ireny, rehefa avy mihinana ravina ratsy tsiro na misy poizina mihitsy aza, ka manova izany. Vitany samirery izany rehetra izany, fa tsy ilana fitaovana lafo vidy na anakaramana veterinera! Angonina amin’ny tanana ireny fanday ireny, ka tsy mila miasa mafy ianao fa mandraoka fotsiny dia mahazo be dia be.

Mahatonga ny tanety hamokatra sy miaro ny tontolo iainana eo amin’izy io ny fandain’ny hazombỳ. Tsy maharaka an’io fanday kely io ny elefantan’i Afrika raha hihinan-kanina, na dia ngeza sy mahery homana be aza. Iray volana sy tapany monja ny androm-piainan’ilay fanday. Raha oharina anefa ny zavamaniry lanin’ny fanday ao amin’ny toerana iray sy ny lanin’ny elefanta ao amin’io toerana io ihany, dia avo folo heny eo ho eo ny an’ny fanday. Manome zezika efa ho avo efatra heny noho ny an’ny elefanta koa izy ireo. Tsy mahagaga raha mitombo avo 4 000 heny be izao izy! Mazava ho azy àry fa raha be loatra ny fanday angonina, dia manjary tsy lonaka tsara intsony ilay tany, ary simba ny tontolo iainana eo amin’izy io.

Ahoana no anangonana ny fanday? Indroa izany no atao anatin’ny taona, ka amin’ny fahavaratra ny voalohany. Manangona fanday mandritra ny herinandro maromaro ny vehivavy any ambanivohitra. Alana tsinay ilay izy avy eo, ary ampangotrahina sy ahahy. Mila fikarakarana manokana anefa ny karazana fanday sasany fihinana. Tsy maintsy esorina, ohatra, ny volombolony na tsilotsilony amin’izy ireny. Mila mitandrina koa rehefa mikarakara azy, satria mihinana zavamaniry manapoizina ny olombelona ny sasany aminy. Rehefa voamboatra sy maina ilay fanday, dia azo atao tsakitsaky, ary mikarepodrepoka erỳ. Azo alona koa izy io, ary andrahoina na endasina miaraka amin’ny voatabiha sy tongolo.

Mety ho te hanandrana tsiron-tsakafo tsy mahazatra ianao, ka ho voasarika hihinana fanday. Mety hankaloiloy anao koa anefa na ny mieritreritra an’izany fotsiny aza, ka aleonao tsy manandrana an’io sakafo hafakely io. Tadidio anefa fa tena be proteinina izy io, sady fidiram-bola fanampiny ho an’ny fianakaviana maro any Afrika.

[Sary, pejy 26]

Tena mahasoa ny fandain’ny hazombỳ satria be proteinina

[Sary, pejy 27]

Mitombo avo 4 000 heny ny haben’ilay fanday ao anatin’ny iray volana sy tapany monja ahavelomany