Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao ve ny Mponin’i Timaoro Atsinanana?

Fantatrao ve ny Mponin’i Timaoro Atsinanana?

Fantatrao ve ny Mponin’i Timaoro Atsinanana?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

MIZARA ho firenena kely roa ny nosy Timaoro, ka ilay tapany atsinanana no atao hoe Timor-Leste na Timaoro Atsinanana. Avy amin’ny teny malezianina ny hoe “Timor”, ary teny portogey ny hoe Leste. Samy midika hoe “atsinanana” izy ireo. Mety tsara ilay anarana hoe Timaoro Atsinanana, satria any amin’ny farany atsinanana amin’ny vondronosin’i Indonezia no misy azy io.

Mirefy 14 800 kilaometatra toradroa ny velaran-tanin’i Timaoro Atsinanana, izany hoe lehibebe noho ny fivondronan’i Miandrivazo. Tena kely ilay nosy, nefa ahitana zavamaniry avy any Azia sy Aostralia. Misy ala mikitroka any, sady misy zavamaniry fahita any amin’ny tany tsy be orana. Ahitra fotsiny kosa no hita amin’ny faritra sasany. Misy biby isan-karazany avy any Aostralia sy Azia koa any. Anisan’izany, ny karazana kangoroa sy vorona avy any Aostralia, ary ny gidro sy voain-dranomasina avy any Azia. Manao ahoana kosa ny olona any? Tianao ho fantatra ve ny momba azy ireo?

Vokatry ny fanjanahan-tany

Tamin’ny 1514 tany ho any no tonga voalohany tany Timaoro Atsinanana ny tantsambo portogey. Feno hazo santal ny havoana tamin’izany. Nahazoam-bola be ny fivarotana azy io, ka nijanona tany ny Portogey mba hanao raharaham-barotra. Nahaliana ny Eglizy Katolika koa ilay faritra, ka naniry handefa misionera tany izy ireo, mba hampiova finoana ny olona. Ireo antony roa ireo no nahatonga ny Portogey hanjanaka an’ilay nosy, tamin’ny 1556.

Mitokana anefa ilay nosy, ary tsy dia nokarakarain’ny Portogey loatra. Lasan’ny Holandey àry ny tapany andrefana, tamin’ny 1656, ka nisintaka nankany amin’ny ilany atsinanana ny Portogey. Niala tanteraka tany Timaoro Atsinanana ny Portogey tamin’ny 1975, rehefa avy nanjanaka azy io nandritra ny 400 taona mahery.

Nipoaka ny ady an-trano tamin’io taona io. Olona 200 000 teo ho eo, izany hoe ny ampahatelon’ny mponina, no matin’ny ady nandritra ireo 24 taona nanaraka. Nirongatra tampoka ny herisetra tamin’ny 1999. Vokatr’izany dia potika ny 85 isan-jaton’ny trano, ny ankamaroan’ny lalana, ny fananam-panjakana, sy ny toy izany. Olona ana hetsiny no nandositra tany an-tendrombohitra. Farany dia niditra an-tsehatra ny Firenena Mikambana, mba hampitsaharana an’ilay fandravana sy hanarenana ilay firenena.

Nanao izay hamerenana tamin’ny laoniny ny fiainany ny mponin’i Timaoro Atsinanana, nanomboka teo. Nitsangana ny Repoblika Demokratikan’i Timor-Leste, tamin’ny Mey 2002.

Fiaviana sy kolontsaina isan-karazany

Misy olona avy amin’ny fiaviana maro be any Timaoro Atsinanana, ary samy manana ny kolontsainy sy ny fiteniny izy ireo. Anisan’ny nahatonga izany ny olona isan-karazany nanao raharaham-barotra tany, sy ny Eoropeanina nanjana-tany. Teo koa ireo mpifindra monina avy any Azia sy Aostralazia. Ny teny portogey no ampiasaina amin’ny fandraharahana sy ny raharaham-panjakana. Ny teny tetum kosa, izay mifangaro teny portogey maro, no ampiasain’ny 80 isan-jaton’ny mponina. Misy fiteny 22 hafa koa, fara fahakeliny, ampiasain’ireo foko maro any.

Mbola misy mpanjaka any ambanivohitra, ary manana andraikitra lehibe eo amin’ny fiaraha-monina izy ireo. Mitarika ny fety na fombafomba, ohatra, izy ireny, ary miandraikitra ny fizarana ny tany, sy ny toy izany. Solontenam-panjakana voafidy kosa no manara-maso ny raharaham-panjakana.

Olona maro no mivavaka amin’ny natiora, sady manaraka ny Fivavahana Katolika. Maro koa no mivavaka amin’ny razana sy milalao ody, ary mifandray amin’ny fanahy ratsy. Na ny mpivavaka aza dia matetika no mankany amin’ny matan do’ok, izany hoe mpimasy, mba hanontany ny hoavy, na hitsabo tena, na koa mba ho voaro amin’ny fanahy ratsy.

Mora ifandraisana ny olona

Sariaka sy mora ifandraisana ary tia mamanta-javatra ny olona any Timaoro Atsinanana. Hoy ny Filoha Xanana Gusmão: “Tena tianay ny mianatra, miresaka, mifanerasera, ary mifandray amin’olona, na dia amin’ny vahiny aza.” 

Rehefa misy vahiny asain’izy ireo hisakafo, dia ny raim-pianakaviana no miara-mihinana aminy. Ny vady aman-janany kosa no mandroso sakafo, ary aoriana kokoa izy ireo vao mihinana. Tsara raha sakafo kely ihany aloha no alaina amin’ny voalohany. Manome voninahitra ny mpahandro mantsy ny vahiny, raha mangataka fanampiny avy eo.

Vary sy katsaka ary mangahazo, miaraka amin’ny anana sy legioma, no foto-tsakafon’ny olona any Timaoro. Anisan’ny sakafo matsiro mampiavaka azy ireo ny saboko, izay sardinina asiana saosy voamadilo sy zavamanitra, ary fonosina ravina palmie. Lafo be kosa ny hena.

Feno ankizy mitabataba

Tanora no betsaka any Timaoro Atsinanana. Efa ho ny antsasaky ny mponina no ankizy, ary maro ny fianakaviana misy zaza 10 na 12.

Matetika ny ankizy no mifampitantana rehefa mandeha mianatra. Ny ankizilahy miaraka amin’ny ankizilahy, ary ny ankizivavy miaraka amin’ny ankizivavy. Mihomehy sy mihirahira izy ireo eny an-dalana. Sady manaraka ny fandaharam-pianarana mahazatra izy ireo, no mianatra fahalalam-pomba sy fitondran-tena tsara koa, any an-tsekoly.

Tsy mba milalao irery ny ankizy any. Miaraka daholo ny ankizy iray tanàna, ary mitabataba be ry zareo! Tena tian’izy ireo ny milalao dudu karreta. Ilay vy boribory amin’ny pnen’ny bisikileta iny no mody ataony hoe aotomobilina, ary atosiny amin’ny hazo kely. Faly erỳ ny ankizy mihazakazaka sady manosika an’ilay izy.

Tsy hoe milalao foana anefa ny ankizy any Timaoro Atsinanana. Asaina mitoto katsaka, ohatra, izy ireo, ary fanoto vy mavesatra no ampiasainy. Falifaly anefa izy ireo manao izany. Toa tsy fantany fa anisan’ireo tany folo mahantra indrindra eran-tany ny fireneny.

Mahantra nefa be fanantenana

Tena mafy ny fiainan’ny olona any Timaoro Atsinanana, satria mahantra be izy ireo. Tsy ampy 1,5 dolara (3 000 Ariary) isan’andro akory, ny vola azon’ny 40 isan-jaton’ny mponina. Zara anefa raha mahazo sakafo sy izay tena ilaina izany. Tsizarizary sy tsy ampy koa ny zavatra tena ilain’ny vahoaka, toy ny lalana, paompy, sy ny sisa. Izao no tatitra navoakan’ny fanjakana: “Olona telo ao anatin’ny efatra no mipetraka amin’ny trano tsy misy jiro. Telo ao anatin’ny dimy no tsy manana kabine ary fanariana fako sy rano maloto. Ny antsasaky ny mponina kosa no tsy manana rano fisotro madio.”

Mitombo be àry ny aretina. Amin’ny antsalany, dia 50 taona monja ny androm-piainan’ny olona, noho ny tsy fahampian-tsakafo, tazomoka, tioberkilaozy, ary aretina hafa. Ankizy 1 ao anatin’ny 10 no maty alohan’ny fahadimy taonany. Dimampolo monja ny dokotera tany tamin’ny 2004, nefa 800 000 teo ho eo ny mponina.

Firenena maro izao no miara-miasa amin’ny Firenena Mikambana, mba hanampiana an’i Timaoro Atsinanana hanarina ny toe-karenany. Antenaina fa hihatsara izany, satria misy solika be dia be ao amin’ny Ranomasin’i Timaoro. Vonona hioitra amin’ny fiainana koa ny olona sady manaiky ampiana, ary izany no tena tombony ho an’i Timaoro Atsinanana. Hoy ny vehivavy iray tamin’ny Mifohaza!: “Marina fa mahantra izahay, nefa tsy miferinaina!”

“Teny soa mahafaly”

Misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray any Timaoro Atsinanana. Taona maromaro izay dia niezaka izy ireo mba hitondra “teny soa mahafaly” ho an’ny mponina. (Isaia 52:7; Romanina 10:14, 15) Nitory ny fampanantenana ao amin’ny Baiboly, momba an’ilay paradisa an-tany izy ireo. Nahatratra 30 000 ny ora laniny tamin’izany, tamin’ny 2005.—Salamo 37:10, 11; 2 Petera 3:13.

Afaka tamin’ny fangejan’ny fanahy ratsy ny olona sasany, rehefa nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ohatra amin’izany i Jacob, manan-janaka dimy mianadahy. Tafiditra lalina tamin’ny fombafomba nifandray tamin’ny fanahy ratsy izy taloha. Fanaony ny nanao sorona biby ho an’ny maty. Nandany ny volan’ny fianakaviany anefa izany. Efa ho karama iray andro no lany raha akoho no atao sorona, ary karama herinandro maro kosa raha osy na kisoa ilay izy.

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa i Fransiska vadin’i Jacob, tatỳ aoriana. Nasehony an’i Jacob àry ireo andinin-teny manaporofo fa tsy mahalala na inona na inona ny maty, sady tsy afaka mampijaly ny velona. (Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4) Nanaiky ny fampianaran’ny Baiboly izy ireo, ka tsy nanao sorona ho an’ny fanahy ratsy intsony. Tezitra anefa ny havany ka nanary azy ireo, sady nilaza fa hamaly faty ireo fanahy ary hamono azy mivady. Tsy niova hevitra i Jacob sy Fransiska, ary nilaza hoe: “Hiaro anay i Jehovah.”

Nianatra Baiboly koa i Jacob, ary namonjy fivoriana izy mianakavy. Nahatonga azy hanao fiovana hafa koa izany. Tsy nifoka sigara intsony izy, na dia iray pake isan’andro aza no laniny, nandritra ny taona maro. Nianatra namaky teny sy nanoratra koa izy. I Fransiska kosa tsy nitsako voan-javatra mahadomelina intsony. Lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa izy mivady, tamin’ny 2005. Mampiasa tsara ny volany izao izy ireo, mba hampianarana ny zanany sy hikarakarana fahasalamana.

Tanteraka àry ny tenin’i Jesosy hoe hotorina “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Mandre izany koa ny olona any Timaoro Atsinanana, izay mora ifandraisana sy malala-tanana ary tia mamanta-javatra.—Asan’ny Apostoly 1:8; Matio 24:14.

[Efajoro/​Sary, pejy 17]

“Nahazo Mpanodina Kofehy”

Rehefa tera-bavy ny olona any Timaoro, dia miteny ny manodidina hoe: ‘Arahabaina fa “nahazo mpanodina kofehy”!’ Fanaon’ny vehivavy any mantsy ny manenona lamba tsara tarehy, antsoina hoe tais. Fanaovana bodofotsy na akanjo mihaja misy sorany hafakely izy io. Matetika koa izy ireny no omen’ny ray aman-dreny ho lova ifandimbiasan’ny taranany. Ny renibe no mampianatra ny ankizivavy hamboly sy hanangona landihazo, hanodina izany ho kofehy, ary handoko sy hanenona an’izany mba ho lasa lamba tsara tarehy misy sorany sy loko isan-karazany. Mety ho herintaona na mahery vao vita ny tais iray, arakaraka ny sorany. Samy manana ny sora-dambany mampiavaka azy ny faritra. Raha vao hitan’ny mpandinika àry ny tais iray, dia fantany avy hatrany hoe olona avy aiza no nanao azy io.

[Sarintany, pejy 14]

(Jereo ny gazety)

PAPOUASIE-NOUVELLE-GUINÉE

INDONEZIA

TIMAORO ATSINANANA

AOSTRALIA

[Sary, pejy 15]

Trano bongo nentim-paharazana

[Sary, pejy 16]

“Dudu karreta”, kilalao tena tian’ny ankizy

[Sary, pejy 16, 17]

Jacob sy ny fianakaviany