Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izy ve no ho Vady Sahaza Ahy?

Izy ve no ho Vady Sahaza Ahy?

Manontany ny Tanora Hoe...

Izy ve no ho Vady Sahaza Ahy?

Makà fotoana kely, ary fenoy ny banga:

Olona manao ahoana no tianao ho vadinao? Iza amin’ireo lafin-javatra eto ambany no heverinao ho zava-dehibe indrindra? Mifidiana efatra, ary asio an’ity marika ity ✔ eo akaikiny.

․․․․․․․․ tsara tarehy

․․․․․․․․ tia mianatra Baiboly sy mankatò azy io

․․․․․․․․ sariaka

․․․․․․․․ mendri-pitokisana

․․․․․․․․ be mpitia

․․․․․․․․ tsara fitondran-tena

․․․․․․․․ be vazivazy

․․․․․․․․ tia manatratra tanjona

Efa nisy olona tianao ve taloha? Jereo indray ny lisitra eto ambony, ary asio an’ity marika ity X ny lafin-javatra iray tena nahatonga anao ho tia azy.

TSY misy ratsy ireo lafin-javatra rehetra eo ambony ireo, na iray aza. Samy manana ny mahatsara azy izy rehetra. Raha mbola kely taona anefa ny tanora iray, dia toetra tsy manan-danja loatra, toy ireo hita eo amin’ny ilany havia, no tena mahasarika azy, rehefa raiki-pitia amin’ny olona izy. Sa tsy izany?

Rehefa mihalehibe kosa ianao, dia manomboka misaina kokoa, ka mitady olona manana toetra sarobidy kokoa, toy ireo toetra hita eo amin’ny ilany havanana. Manomboka voamarikao, ohatra, fa hay tsy azo itokisana ilay ankizivavy tsara tarehy be ao an-tanànanareo. Hay koa ratsy fitondran-tena ilay ankizilahy tena be mpitia any am-pianarana. Misy teny hoe “fotoana fivelaran’ny fahatanorana” ao amin’ny Baiboly. Maniry mafy hanao firaisana ny tanora amin’io fotoana io. Rehefa avy nandalo an’io fotoana io anefa ianao, dia azo inoana fa hijery olona manana toetra sarobidy kokoa noho ireo toetra tanisaina eo amin’ny ilany havia.—1 Korintianina 7:36.

Tsy mampaninona ve na iza na iza?

Mety ho efa nisy olona maromaro nahasarika anao. Tsy voatery ho vady sahaza anao daholo anefa izy ireny. Olona hiara-mamakivaky ny fiainana aminao mantsy no tadiavinao. Olona hampitombo ny toetra tsaranao sy ny fahaizanao koa no ilainao, ary ianao hampitombo ny toetra tsarany sy ny fahaizany. (Matio 19:4-6) Ahoana àry no hahitanao olona toy izany? Mila ‘mijery fitaratra’ aloha ianao, izany hoe mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra.—Jakoba 1:23-25.

Valio ireto fanontaniana ireto, mba hahalalanao bebe kokoa momba ny tenanao:

Inona avy no toetra tsarako?

․․․․․․

Inona avy no toetra ratsiko?

․․․․․․

Inona no ilaiko mba hahasambatra ahy sy hahatonga ahy ho akaiky kokoa an’Andriamanitra?

․․․․․․

Tsy mora ny mamantatra ny tenanao, nefa hanampy anao ny fanontaniana toy ireo. * Rehefa mahafantatra kokoa ny tenanao ianao, dia ho mora kokoa aminao ny hahita olona afaka mampitombo ny toetra tsaranao fa tsy ny toetra ratsinao. Ahoana anefa raha mieritreritra ianao fa efa nahita ilay olona sahaza anao?

Mety amiko tokoa ve izy?

Mba hamaliana io fanontaniana io, dia diniho amin’ny saina tsy miangatra ilay olona manintona anao. Mitandrema anefa! Mety hinia tsy hijery afa-tsy ny toetra tsarany mantsy ianao. Makà fotoana tsara àry handinihana azy. Miezaha hahafantatra ny tena maha izy azy.

Lafin-javatra tsy manan-danja loatra no ifantohan’ny olona maro. Ny zavatra itoviany amin’ilay olona no tonga dia hitany. Milaza, ohatra, izy hoe: ‘Mitovy ny karazana mozika tianay.’ ‘Mitovy ny fialam-boly tianay.’ ‘Mitovy hevitra foana izahay!’ Araka ny efa hitantsika teo aloha anefa, dia tsy izany ihany no hojerenao raha toa ka efa avy nandalo ny fotoana fivelaran’ny fahatanorana ianao. Hamantatra ny ‘toetra miafina ao am-pon’ilay olona’ kosa ianao.—1 Petera 3:4; Efesianina 3:16.

Toy izay, ohatra, hilaza hoe: ‘Mitovy hevitra foana izahay’, dia diniho kosa izay mitranga rehefa tsy mifanaraka ianareo. Mety hahafantatra misimisy kokoa an’ilay olona ianao, raha manao izany. Jereo ny fomba andaminany tsy fifanarahana. Manizingizina ny heviny ve izy, ka manampatra ny ‘hatezerany’ na ‘manevateva’ anao? (Galatianina 5:19, 20; Kolosianina 3:8) Sa kosa izy mahay mandefitra mba hitandroana fihavanana, ka vonona hanaiky ny hevitrao raha mbola tsy mifanohitra amin’ny fitsipik’Andriamanitra izany?—Jakoba 3:17.

Diniho koa izao: Tereny an-kolaka hanaraka ny sitrapony foana ve ianao? Saro-piaro ve izy? Tsy manaiky ve izy raha tsy mahafantatra izay rehetra ataonao? Hoy ny tovovavy iray atao hoe Nicole: “Efa tokony ho tonga saina ianao raha tia manjakazaka sy saro-piaro ilay olona. Misy mpifankatia miady satria tsy mitelefaonina ilay iray, mba hilaza izay toerana rehetra alehany. Mitandrema raha izany no mitranga aminao.”

Ahoana no fahitan’ny olona an’ilay tovolahy na tovovavy miaraka aminao? Tsara raha manontany an’izay olona mahafantatra azy hatramin’ny ela ianao, anisan’izany ny Kristianina matotra eo anivon’ny fiangonany. Holazain’izy ireo aminao raha “tsara laza” izy, na tsia.—Asan’ny Apostoly 16:1, 2. *

Tokony hisaraka aminy ve ianao?

Ahoana raha hitanao fa tsy ho vady sahaza anao ilay olona miaraka aminao? Tsara amin’izay raha misaraka aminy ianao. Hoy ny Baiboly: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.”—Ohabolana 22:3. *

Mety hahita olon-kafa indray ianao, any aoriana. Azo inoana fa handinika kokoa ianao amin’izay, satria efa nahazo traikefa. Manantena izahay fa ho vady sahaza anao io olona io!

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe...”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 25 Misy fanontaniana hafa hanampy anao handini-tena ao amin’ny Mifohaza! Janoary 2007, pejy 30.

^ feh. 31 Jereo koa ireo fanontaniana eo amin’ny efajoro, eo amin’ny pejy 19-20.

^ feh. 33 Jereo ny Mifohaza! 8 Aprily 2001, pejy 18-20, raha te hahazo fanazavana bebe kokoa momba ny fisarahana ianao.

ERITRERETO IZAO:

◼ Inona avy no toetra tsara anananao ka hahasoa ny tokantranonao?

◼ Inona no toetra tsara tianao hananan’ny olona irinao ho vadinao?

◼ Inona no azonao atao mba hahalalana bebe kokoa ny toetra sy fitondran-tena ary lazan’ilay olona miaraka aminao?

[Efajoro, pejy 19]

Mety amiko ve iny lehilahy iny?

NY TENA TOKONY HOJERENAO

❑ Ahoana no ampiharany ny fahefana ananany?—Matio 20:25, 26.

❑ Inona avy no tanjony?—1 Timoty 4:15.

❑ Miezaka manatratra izany tanjona izany ve izy izao?—1 Korintianina 9:26, 27.

❑ Iza avy no namany?—Ohabolana 13:20.

❑ Tia vola tafahoatra ve izy?Hebreo 13:5, 6.

❑ Inona no fialam-boly tiany?—Salamo 97:10.

❑ Olona manao ahoana izy, rehefa jerena ny fomba fitafiny?—2 Korintianina 6:3.

❑ Ahoana no ampisehoany fa tia an’i Jehovah izy?—1 Jaona 5:3.

LAFIN-JAVATRA HAFA

❑ Mazoto miasa ve izy?—Ohabolana 6:9-11.

❑ Mahay mitantam-bola ve izy?—Lioka 14:28.

❑ Tsara laza ve izy?—Asan’ny Apostoly 16:1, 2.

❑ Manaja ny ray aman-dreniny ve izy?—Eksodosy 20:12.

❑ Mieritreritra izay hahasoa ny hafa ve izy?—Filipianina 2:4.

MITANDREMA RAHA MAHITA AN’IRETO

❑ Mora tezitra ve izy?—Ohabolana 22:24.

❑ Mitarika anao haloto fitondran-tena ve izy?—Galatianina 5:19.

❑ Mikasi-tanana ve izy na manao teny mandratra?—Efesianina 4:31.

❑ Mila misotro toaka ve izy, mba hialana voly?Ohabolana 20:1.

❑ Saro-piaro sy tia tena ve izy?—1 Korintianina 13:4, 5.

[Efajoro, pejy 20]

Mety amiko ve iny vehivavy iny?

NY TENA TOKONY HOJERENAO

❑ Ahoana no ampisehoany fa mankatò izy, eo anivon’ny fianakaviany sy ny fiangonana?—Efesianina 5:21, 22.

❑ Olona manao ahoana izy, rehefa jerena ny fomba fitafiny?—1 Petera 3:3, 4.

❑ Iza avy no namany?—Ohabolana 13:20.

❑ Tia vola tafahoatra ve izy?—1 Jaona 2:15-17.

❑ Inona avy no tanjony?—1 Timoty 4:15.

❑ Miezaka manatratra izany tanjona izany ve izy izao?—1 Korintianina 9:26, 27.

❑ Inona no fialam-boly tiany?—Salamo 97:10.

❑ Ahoana no ampisehoany fa tia an’i Jehovah izy?—1 Jaona 5:3.

LAFIN-JAVATRA HAFA

❑ Mazoto miasa ve izy?—Ohabolana 31:17, 19, 21, 22, 27.

❑ Mahay mitantam-bola ve izy?—Ohabolana 31:16, 18.

❑ Tsara laza ve izy?—Rota 4:11.

❑ Manaja ny ray aman-dreniny ve izy?—Eksodosy 20:12.

❑ Mieritreritra izay hahasoa ny hafa ve izy?—Ohabolana 31:20.

MITANDREMA RAHA MAHITA AN’IRETO

❑ Tia ady ve izy?—Ohabolana 21:19.

❑ Mitarika anao haloto fitondran-tena ve izy?—Galatianina 5:19.

❑ Manao teny mandratra ve izy na mikasi-tanana?—Efesianina 4:31.

❑ Mila misotro toaka ve izy, mba hialana voly?—Ohabolana 20:1.

❑ Saro-piaro sy tia tena ve izy?—1 Korintianina 13:4, 5.