Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy “Gisabe Mainty” eny Amin’ny Lakandranon’i Venise

Misy “Gisabe Mainty” eny Amin’ny Lakandranon’i Venise

Misy “Gisabe Mainty” eny Amin’ny Lakandranon’i Venise

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ITALIA

INONA àry izany? Misosa eny ambony lakandrano izy, ary mandalo ao ambany tetezam-bato. Trano misy lavarangana feno voninkazo, sy varavarankely misy haingony isan-karazany, no eny amin’izay lalovany. Mainty ny lokony, tsara bika izy, nefa tsy mamoaka feo. Toy ny gisabe mainty izy raha tazanin-davitra. Hazo ny vatany, ary tsy misy volo ny tendany sady tsy malemilemy satria vita amin’ny vy. Misonenika erỳ izy eny amin’ny lakandranon’i Venise, any Italia, ka moa va tsy toy ny vorona kanto izato izy? Tsy inona izany fa ilay lakana atao hoe gondole. Misy milaza fa izy io no lakana malaza indrindra eran-tany. Fantatrao ve ny tantarany? Nahoana izy io no tena be mpitia? Ary inona no mampiavaka azy?

Ny tantarany

Misy milaza fa tamin’ny taonjato faha-11 no nisy voalohany io lakana io, nefa tsy azo antoka izany. Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-15 no nisy nanao sary hoso-doko voalohany ilay izy. Tamin’ny taonjato faha-17 sy faha-18 anefa vao tena niavaka ny endriny, ka nanjary nalaza ilay lakana. Fisaka foana ny fanambaniny hatramin’izay, fa ny bikany kosa novana ho lavalava, ary natao vy ny lohany.

Tsy tena fantatra koa ny niavian’ilay anarana hoe gondole. Misy milaza fa avy amin’ny teny latinina hoe cymbula, izay anarana lakana kely, izy io. Misy indray mihevitra fa avy amin’ny hoe conchula na concha, midika hoe “akorandriaka” ilay izy.

Lakana mampiavaka an’i Venise

Ny azo antoka dia hoe tonga ao an-tsaina avy hatrany ny gondole, raha vao miresaka an’i Venise. Ny gondole mihitsy aza angamba no famantarana mampiavaka indrindra an’io tanàna io. Be dia be ny sarin’i Venise ahitana ilay lakana.

Nahoana koa no tena mampiavaka an’i Venise ny gondole? Hoy i Roberto, mpitondra mpizaha tany amin’ny lakana: “Hafa tanteraka ny fahitanao an’i Venise”, rehefa mandeha gondole ianao ka manaraka ny lakandrano. “Tsy ny endriny amin’ny ankapobeny fotsiny mantsy no hitanao, fa izay tena mampiavaka an’i Venise mihitsy.” Hoy koa i Johann Wolfgang von Goethe, mpanoratra alemà malaza: ‘Rehefa mitaingina gondole aho, dia hoatran’ny hoe izaho no Tompon’ny Ranomasina Adriatika. Toy izany koa no tsapan’ny mponin’i Venise, rehefa mitsotsotra ao anaty gondole.’ Hoy indray i Roberto: “Misosa tsimoramora ny gondole. Tony sy milamina toy izany koa ny fiainana eto Venise. Rehefa voarotsirotsy ao anaty lakana ianao, eo ambony ondana malemilemy, dia sambatsambatra erỳ ka toy ny hoe tsy misy maha maika anao mihitsy.”

Hafakely ny gondole

Iray ihany ny fivoy, ary mipetaka eo amin’ny ilany havanana. Tokony hivilana àry ny fandehan’ny gondole na hihodinkodina fotsiny, raha tsy hoe ahitsy matetika angaha. Mahagaga anefa fa mahitsy foana ny fandehany. Nahoana? Hoy i Gilberto Penzo, mpandinika lakana manan-tantara: “Raha oharina amin’ny vatan’olombelona ny gondole, dia ilay hazo lava eo afovoany no toy ny hoe hazondamosina. Ireo hazo mitsivalana kosa no taolan-tehezana. Azo lazaina àry hoe mivilana ny hazondamosin’ny gondole.” Kely kokoa mantsy ny ilany havanana, izany hoe latsaka 24 santimetatra amin’ny havia. Somary miainga àry ny ilany havia rehefa ao anaty rano. Tsy mitongilana anefa ilay lakana rehefa voizina, ary manampy izany ny lanjan’ilay mpivoy mitsangana eo ankavia. Izany rehetra izany no mampahitsy tsara ny fandehan’ny gondole.

Anisan’ny mampiavaka an’ilay “gisabe” koa ny lohany. Izy io sy ny vodilakana ihany no vita amin’ny vy. Hoy i Gianfranco Munerotto: “Hafakely sady manaitra ny maso” ny lohan’ny gondole, “ka tsy hadinonao mihitsy ilay izy raha vao hitanao indray mandeha.” Natao navesatra kokoa izy io taloha, mba hifandanja tsara tamin’ny lanjan’ny mpivoy eo aoriana. Haingon’ilay lakana fotsiny kosa izy io ankehitriny. Araka ny lovantsofina, dia manondro ireo sestieri na faritra enina ao Venise, ireo vy lavalava enina eo amin’ny lohan’ny gondole. Ilay vy ao ambadika kosa manondro an’ilay nosy atao hoe Giudecca. Miendrika litera S ny lohan’ilay lakana, satria toy izany, hono, ny bikan’ny Lakandrano Lehiben’i Venise.

Mampiavaka an’ilay “gisabe” koa ny “volony” mainty. Maro ny antony lazain’ny olona fa nahatonga an’ilay lakana ho mainty. Misy, ohatra, milaza fa narevaka sy nirenty loatra ny gondole, tamin’ny taonjato faha-16 sy faha-17. Nasain’ny Filan-kevitry ny Tanànan’i Venise nandoa lamandy àry izay nanana lakana narevaka loatra. Naleon’ny olona anefa nandoa lamandy, toy izay tsy handravaka ny lakany. Namoaka didy àry ny mpitsara fa tsy maintsy nolokoana mainty ny gondole rehetra. Misy koa mihevitra fa mariky ny fisaonana ilay loko mainty, noho ireo olona an’arivony matin’ny Pesta Mainty. Ny hafa indray milaza fa natao mainty ny lokon’ny gondole, mba hisongadina tsara ireo andriambavy fotsy hoditr’i Venise. Tsotra fotsiny anefa ny tena antony: Hosorana godorao ilay lakana mba tsy ho tantera-drano, ka izany no mahamainty azy!

Rehefa avy nidoladola teny ambonin’ilay gisabe mainty ianao, dia miverina eo amin’ny niainganao. Manara-maso an’ilay gondole ianao rehefa manalavitra izy. Lasa angamba ny sainao hoe: ‘Mba hitodika ihany ve iny gisabe iny, ka handamindamina ny volony?’

[Sary, pejy 24]

Lehibe kokoa ny ilany amin’ny “gondole”

[Sary, pejy 24, 25]

Hafakely ny lohany

[Sary, pejy 25]

Roberto, mpitondra lakana ao Venise

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

© Medioimages