Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Be dia Be ny Mahantra?

Nahoana no Be dia Be ny Mahantra?

Nahoana no Be dia Be ny Mahantra?

HOY i Jesosy, 2 000 taona lasa izay: “Ho eo aminareo foana ny mahantra.” (Matio 26:11) Be dia be tokoa ny mahantra, nanomboka tamin’ny andron’i Jesosy ka hatramin’izao. Fa nahoana no misy olona mijaly toy izany, eto amin’ity tontolo manankarena be ity?

Misy mihevitra fa ny safidy ataon’ny olona no mampahantra azy. Marina izany indraindray. Mety ho fongana tokoa ny fananan’ny olona iray, raha mifidy ny hanaram-po amin’ny toaka sy zava-mahadomelina ary filokana izy. Tsy voatery hiankina amin’ny safidy ataon’ny olona foana anefa no mahatonga azy hahantra.

Firifiry moa ny olona very asa noho ny fiovana teo anivon’ny orinasa niasany? Firifiry koa ny olona tsy manan-tahiry intsony, satria midangana izaitsizy ny saram-pitsaboana? Ary ahoana ny amin’ireo olona an-jatony tapitrisa atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana? Tsy fidiny ho an’ny ankamaroan’izy ireny ny hahantra. Matetika anefa izy ireny no tsy mahavita na inona na inona eo anoloan’ny zava-misy. Hiresaka momba izany isika izao.

Zava-nitranga tamin’ny lasa

Tratran’ny olana ara-toe-karena goavana izao tontolo izao, tamin’ny taona 1930 tany ho any. Nantsoina hoe Olana Ara-toe-karena Lehibe izy io. An-tapitrisany no very asa tany amin’ny firenena iray, ary ana hetsiny ny fianakaviana tsy nanan-kialofana. Maro àry no tsy nanan-kohanina. Tamin’io fotoana io anefa, dia nanary ronono tsy hita pesipesenina ny tantsaha tany. Noteren’ny fanjakana hamono biby fiompy an-tapitrisany koa izy ireo.

Nahoana no nariana fotsiny ireo zavatra ireo? Namoaka lalàna ny tompon’andraikitra teo amin’ny sehatry ny toe-karena, fa tsy azo amidy ny vokatra sy ny entana hafa raha tsy ahazoana tombony. Mazava ho azy fa tena nila ronono sy hena ary vary ny mahantra. Tsy ho nahazoana tombony anefa ireo sakafo ireo, raha namidy tamin’izy ireo, ka naleon’ny mpivarotra nanary izany.

Nirotaka ny olona tany amin’ny tanàna maro, satria tsy ampy sakafo. Tsy nahavidy sakafo ho an’ny fianakaviany ny sasany, ka nandrahona olona tamin’ny basy mba hakana an-keriny izay nilainy. Ny hafa kosa maty mosary. Izany no nitranga tany Etazonia. Be vola ny fanjakana amerikanina teo am-piandohan’ilay Olana Ara-toe-karena. Tsy mba nitsinjo an’ireo olona kely karama indrindra anefa izy ireo. Tsy ny hanome sakafo sy trano ary asa ho an’ny vahoaka no nimasoan’ireo tompon’andraikitra teo amin’ny sehatry ny toe-karena, fa izay hahazoam-bola.

Zava-misy ankehitriny

Efa afaka tamin’ilay Olana Ara-toe-karena Lehibe izao tontolo izao. Manankarena kokoa sy be vola kokoa noho ny hatramin’izay ny olona maro ankehitriny. Mitobaka ny harena eran-tany. Mazàna anefa ny mahantra no tsy mba afaka manatsara ny fiainany. Hita matetika amin’ny gazety na boky, fa manjaka ny mosary sy ny fahantrana atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, hany ka efa leon’ny mamaky momba izany ny olona maro. Voalaza, ohatra, fa maty mosary ny mpitsoa-ponenana, noho ny ady. Lo fotsiny ny tahirin-tsakafo noho ny risoriso ataon’ny mpanao politika. Lafo tsy takatry ny mahantra ny vidin’ny zavatra ilaina andavanandro, noho ny fitsipika mifehy ny varotra. Rehefa jerena izany rehetra izany, dia hita fa tsy mahavita mikarakara ny mahantra ny tompon’andraikitra eo amin’ny sehatry ny toe-karena. Ataon’izy ireo tsirambina ireo mahantra an-tapitrisany maneran-tany.

Hita fa mbola tsy nisy mihitsy fitondran’olombelona nanome ny zava-drehetra ilain’ny mponina eran-tany, na dia ireny fitondrana ireny aza no mitantana ny toe-karena. Hoy ny olona iray nandinika tsara ny fiainana, 3 000 taona teo ho eo izay: “Hitako ... ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin’ny masoandro; ary indro ny ranomason’ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ny tànan’ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.” (Mpitoriteny 4:1) Mbola manjaka tokoa ny fampahoriana ny mahantra, na dia mitobaka aza ny harena eran-tany.

An-tapitrisany ankehitriny ny olona tsy mety tafavoaka ao anatin’ny fahantrana. Maro amin’izy ireo anefa no mahavita miatrika izany. Manantena koa izy ireo fa hihatsara ny fiainana amin’ny hoavy.

[Efajoro, pejy 5]

Adim-piainana

Mananontanona ny olona sasany foana ny fahantrana, any Etazonia. Niresaka momba ny fiainan’ireny olona ireny i David Shipler, mpanoratra sy mpanao gazety. Hoy izy ao amin’ilay bokiny hoe Tsy Misy Mafy Ady eto Amerika (anglisy): “Mipetraka amin’ny trano efa simba ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany, ka mihetsika ny asman’ilay zaza. Tsy maintsy miantso fiara mpitondra marary ilay reny. Tsy voaloany anefa ny saram-pitsaboana rehetra, ka tsy atokisan’ny olona intsony izy. Sarotra aminy àry ny mindram-bola rehefa te hividy fiara vaovao izy. Tsy maintsy fiara efa niasa no vidiny, nefa maty lava ilay izy. Vokatr’izany, dia tara lava izy any am-piasana, ka tsy mety mahazo fisondrotana mihitsy eo amin’ny asany. Tsy miakatra mihitsy àry ny karamany, ka tsy maintsy mijanona ao amin’ilay trano efa simba izy.” Mananontanona azy mianaka foana ny fahantrana, na dia mipetraka any amin’ny firenena manankarena indrindra eto an-tany aza izy ireo.

[Efajoro, pejy 6]

Tsy Ampy Raha ny Fikasana Fotsiny

Nisy manam-pahefana maromaro nivory tao amin’ny trano misy ny Sampan-draharaha Amerikanina Miandraikitra ny Trano sy ny Fanajariana ny Tanàn-dehibe, tamin’ny Novambra 1993. Nikaon-doha momba ny raharaha lehibe iray izy ireo. Nisy vola an-jatony tapitrisa dolara teo am-pelatanany, ary tiany hanampiana ny olona tsy manan-kialofana any Etazonia izany. Raha mbola teo am-piresahana izy ireo, dia nisy polisy sy mpamono afo, mpamonjy voina, ary fiara mpitondra marary nitangorona teo amin’ny fiandrasana bisy, teo ampitan’ny arabe. Nisy fatim-behivavy tsy nanan-kialofana mantsy teo, ary tonga haka azy ilay fiara mpitondra marary. Teo anoloan’ny sampan-draharaham-panjakana natao hanampy ny olona tsy manan-kialofana mihitsy ilay vehivavy no maty.

Taorian’izay, dia nanadinadina mpiasa iray tao amin’io sampan-draharaha io ny solontenan’ny Gazetin’i New York (anglisy). Niresaka momba ny habetsahan’ny mpamonjy voina sy ny fiara tonga teo amin’ny toerana nahitana an’ilay vehivavy io mpiasa io, ka nilaza hoe: “Mahagaga fa andaniana vola sy hisahiranana be ny olona rehefa maty, nefa tsy noraharahaina mihitsy izy tamin’ny mbola velona.”

[Sary, pejy 4, 5]

Vehivavy mpifindra monina miaraka amin’ny zanany telo, tamin’ilay Olana Ara-toe-karena Lehibe (1930 tany ho any)

[Sary nahazoan-dalana]

Dorothea Lange, FSA Collection, Library of Congress

[Sary, pejy 6, 7]

Mafy be ny asa ao amin’ny orinasa toy itony, nefa 14 000 Ariary eo ho eo monja no karaman’ny mpiasa isam-bolana, ary tsy maintsy miasa 70 ora isan-kerinandro izy indraindray

[Sary nahazoan-dalana]

© Fernando Moleres/Panos Pictures