Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Manodidina ny dimy isan-jato amin’ny vidin-jiro tokony haloan’ny tokantrano iray any Kanada, ny saran’ny herinaratra lanin’ny fitaovana elektrika, rehefa tsy vonoina tanteraka izy ireny.—NATIONAL POST, KANADA.

Mino ny Rosianina, araka ny hita tamin’ny fanadihadiana iray, fa anisan’ny olana lehibe indrindra tokony hovahan’ny fitondram-panjakana ny “fanaovana tsolotra” sy ny “fisondrotan’ny vidim-piainana.”—PRAVDA, ROSIA.

Araka ny fanadihadiana iray tany Taïwan, dia ny ampahefatry ny mpianatra 12 taona eo ho eo no “efa naniry hamono tena.”—THE CHINA POST, TAÏWAN.

“Tao anatin’ny zato taona mahery, dia nihena 38 isan-jato eo ho eo ny ora fiasan’ny Amerikanina ao anatin’ny herinandro, noho ny fandrosoan’ny teknolojia. Na izany aza, dia tsy manam-potoana mampahalalaka azy ny mpiasa, satria lava kokoa ny fotoana hivezivezeny, mihamaro ny olon-dehibe mianatra, ary mitombo ny raharaha ao an-trano.”—FORBES, ETAZONIA.

Teo anelanelan’ny taona 2003 sy 2004, dia nitombo 1,6 isan-jato ny gazy naelin’ny firenena mandroso, teny amin’ny atmosfera. Izany no “betsaka indrindra tao anatin’ny folo taona mahery.”—REUTERS, OSLO, NORVEZY.

Tsy Ampy ny Rano any Chine

Mijaly noho ny “tsy fahampian’ny rano madio sy ny fandotoana ny rano” ny olona any Chine. Manana toerana fanadiovana rano ny ankamaroan’ny tanàna, saingy tsy manam-bola ampy hampandehanana azy ireny. Hoy ny The Wall Street Journal: “Voaloton’ny rano avy any amin’ny orinasa sy avy any an-trano, ny ankamaroan’ny renirano sy farihy ary lakandrano any Chine. Mbola tsy voakarakara anefa ireny rano ireny. Nivarina nankany koa ny fanafody fiarovam-boly nitsika avy tamin’ireo toeram-pambolena.” Ankoatra izany, dia “olona 300 tapitrisa eo ho eo no tsy manana rano fisotro madio.” Nilaza koa ilay gazety, fa “mahakivy” sady miharatsy foana ny toe-javatra.

“Fa Iza Ianareo? Vavolombelon’i Jehovah?”

Tamin’ny taon-dasa, dia nisy tanora katolika nanatona ireo mpizaha tany, teny amin’ny torapasiky ny Nosy Elbe any Italia. Nanaiky ny fanasan’ny evekan’ny tanànan’i Massa Marittima-Piombino izy ireo. Nilaza tamin’izy ireo mantsy io eveka io, fa raha te ho Kristianina foana izy ireo, dia tokony hiresaka momba ny finoany. Gaga ireo mpanao vakansy. Milaza ny gazety Il Tempo fa ny ankamaroan’ny olona niresahan’ireny tanora ireny, dia nilaza hoe: “Fa iza ianareo? Vavolombelon’i Jehovah?”

Mozika Miresaka Fanaovana Firaisana

“Manomboka manao firaisana aloha kokoa” ny zatovo mihaino mozika misy “tonon-kira mamoafady, raha oharina amin’ireo tia hira hafa.” Izany no hita avy tamin’ny fanadihadiana iray, navoakan’ny Associated Press. Hoy ilay tatitra: “Miresaka mivantana olona manao firaisana ny hira sasany, ka asehony ho toy ny ‘mpanao firaisana be’ ny lehilahy, ary ho toy ny ‘fanaovana firaisana fotsiny’ ny vehivavy. Miresaka momba ny lahy sy ny vavy amin’ny fomba tsy mivantana loatra kosa ny hira hafa, ary zavatra maharitra kokoa no iheverana ny fiarahan’olon-droa ao amin’ireny hira ireny. Azo inoana fa handrisika kokoa ny olona hanao firaisana aloha be ilay karazan-kira voalohany, noho ilay karazany faharoa. Mila mandinika tsara kokoa ny hafatra ampitain’ireo tonon-kira ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ary ny zatovo.”

Mpanarinary Foana

Milaza ny foibem-pikarohana iray any Aostralia, fa nanary sakafo tsy nohanina mitentina 4 100 tapitrisa dolara ny Aostralianina, nandritra ny taona 2004. Avo 13 heny mahery izany, raha oharina amin’ny vola fanampiana nomen’ny Aostralianina tamin’ny 2003. Amin’ny ankapobeny, dia mahatratra 8 100 tapitrisa dolara isan-taona eo ho eo, ny tokom-bidin’ny zavatra arian’ny Aostralianina. Entana tsy niasa mihitsy na mahalana vao nampiasaina izy ireny. Mihoatra lavitra noho ny vola lanin’i Aostralia amin’ny oniversite sy ny lalana izany.