Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Andevozin’ny Toaka Intsony

Tsy Andevozin’ny Toaka Intsony

Tsy Andevozin’ny Toaka Intsony

Mety ho fanampin-tsakafo ny zava-pisotro misy alkaola araka ny antonona, ary mety hahatonga ny fety hahafaly. Miteraka olana lehibe ho an’ny sasany anefa ny fisotroan-toaka. Ity misy tantaran’ny lehilahy iray, izay nanafa-tena tamin’ny fibobohan-toaka.

HENJANA ny zava-nitranga tao an-tranonay, ary mafy amiko ny mitantara izany, na dia ankehitriny aza. Nikapoka an’i Neny i Dada rehefa nisotro izy ireo. Izaho anefa matetika no voany. Nanapa-kevitra hisara-toerana izy ireo, raha vao efa-taona monja aho. Mbola tsaroako ny nitondrana ahy hipetraka tany an-tranon’i Bebe.

Nahatsiaro ho tsy nilaina aho. Nitsofoka mangingina tao amin’ny lakaly fitehirizana divay aho, tamin’izaho fito taona, ary nisotro tamin’ny divay tao. Nifamaly be momba ahy i Neny sy Bebe, tamin’izaho 12 taona. Tezitra mafy i Neny ka natorany teny amiko ilay farango vy teny aminy. Nahay niala aho, ka tsy voa! Tsy tamin’iny ihany no notandindomin-doza ny aiko. Mbola lalina kokoa noho ireo holatra eo amin’ny vatako anefa ny alahelo sy ratram-po nahazo ahy.

Lasa nisotro toaka foana aho, rehefa 14 taona. Nandositra niala tao an-trano aho, tamin’ny farany, tamin’izaho 17 taona. Nahatsiaro ho afaka nanao izay tiako aho rehefa nisotro, ary lasa nahery setra be, ka nampisy korontana tany amin’ny bara. Ny misotro toaka no hany fahafinaretako. Nahalany divay dimy litatra teo ho eo, sy labiera, ary toaka mahery hafa aho tao anatin’ny iray andro monja.

Nanambady aho, tatỳ aoriana. Niteraka olana lehibe ho an’ny vadiko anefa ny fisotroako. Nitombo ny alahelo sy lolompo. Namono ny vady aman-janako koa aho, ka niverina indray ilay rivo-piainana manimba nitaizana ahy. Lany tamin’ny toaka ny ankabeazan’ny vola azoko. Tsy nisy farafara na fanaka hafa tao aminay, ka nanao ladina an-tany izahay rehefa natory. Tsy nahita tsirony tamin’ny fiainana aho, ary tsy nanao na inona na inona mba hanatsarana ny fiainanay.

Niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, indray andro. Nanontany azy aho hoe nahoana no misy fijaliana be dia be toy izao. Nasehony ahy, avy tao amin’ny Baiboly, ny fampanantenan’Andriamanitra tontolo iray tsy hisy olana intsony. Izany no naharesy lahatra ahy hanomboka hianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nihatsara be ny fiainam-pianakavianay, rehefa nampihatra ny fampianaran’ny Baiboly aho sady nampihena ny toaka nosotroiko. Takatro anefa fa mila mandresy an’io fahazaran-dratsy miboboka toaka io aho, raha te hanompo an’i Jehovah Andriamanitra araka izay tiany. Afaka tamin’ny fanandevozan’ny toaka ihany aho, rehefa niady mafy nandritra ny telo volana. Natao batisa aho, enim-bolana tatỳ aoriana, ho porofon’ny fanoloran-tenako ho an’Andriamanitra.

Afaka nandoa ny trosako rehetra aho, rehefa tsy nandevozin’ny toaka intsony. Afaka nividy trano aho, tatỳ aoriana. Nividy fiara koa aho hoentinay mivory sy mitory. Lasa nahatsiaro tena ho misy vidiny aho, tamin’ny farany.

Manasa ahy hisotro zava-pisotro misy alkaola indraindray ny olona, any amin’ny fiaraha-mikorana. Maro no tsy mahalala hoe manao ady mafy aho, ary fisotroana kely fotsiny dia efa mety hampiverina ahy amin’ny fanaoko taloha. Mbola ao amiko foana ny faniriana hisotro. Mila mivavaka mafy sy ho tapa-kevitra ny tsy hisotro mihitsy àry aho. Zava-pisotro tsy misy alkaola no sotroiko be dia be, rehefa mangetaheta aho. Efa folo taona aho izao no tsy nisotro toaka, na dia kely fotsiny aza.

Mahavita izay tsy vitan’ny olona i Jehovah. Nanampy ahy izy, na dia nihevitra aza aho fa tsy ho afaka mihitsy! Mbola mampijaly ahy ny ratram-po noho izay nanjo ahy tamin’ny fahazazako, ary mbola miady mafy aho handresy ny hakiviana. Tena faly anefa aho satria mifandray tsara amin’Andriamanitra, manana tena namana eo anivon’ny fiangonana sy fianakaviana mahafinaritra izay mitovy finoana amiko. Manohana ahy amin’ny fony manontolo ny vady aman-janako, mba handreseko amin’ilay ady ataoko amin’ny alkaola. Hoy ny vadiko: “Mafy ny zavatra niainako taloha. Tena misaotra an’i Jehovah anefa aho izao, satria sambatra izahay mivady sy ny zanako roa.”—Lahatsoratra nisy nanome.

[Teny notsongaina, pejy 21]

Lasa nisotro toaka foana aho, rehefa 14 taona

[Teny notsongaina, pejy 22]

Mahavita izay tsy vitan’ny olona i Jehovah

[Efajoro/​Sary, pejy 22]

NY BAIBOLY SY NY TOAKA

◼ Tsy mandrara ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola ny Baiboly. Resahina ao fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny “divay izay mampifaly ny olona.” (Salamo 104:14, 15) Natao hilazana fanambinana sy filaminan-tsaina koa ny voaloboka, ao amin’ny Baiboly. (Mika 4:4) Nanova ny rano ho divay aza, raha ny marina, no fahagagana voalohany nataon’i Jesosy Kristy, nandritra ny fampakaram-bady iray. (Jaona 2:7-9) Rehefa henon’ny apostoly Paoly koa fa ‘tsy salama matetika’ i Timoty, dia nampirisika azy izy mba hisotro “divay kely.”—1 Timoty 5:23.

◼ Ny fisotroana tafahoatra no raran’ny Baiboly:

Ny “mpimamo ... dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.”—1 Korintianina 6:9-11.

“Aza mba mamon-divay, fa amin’izany dia misy filibana.”—Efesianina 5:18.

“An’iza ny Indrisy? An’iza ny Endrey? An’iza ny fifandirana? An’iza ny fitolokoana? An’iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’iza ny maso mivoara-mena? An’izay mikikitra amin’ny divay, eny, an’izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra. Aza mijery ny divay noho ny hamenany sy ny fanganohanony eo anaty gilasy ary ny fikoriany mahafinaritra; fa amin’ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy ary hanindrona toy ny menarana. Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, ary ny fonao hieritreri-dratsy.”—Ohabolana 23:29-33.

Araka ny hitantsika tao amin’ity lahatsoratra ity, dia nanapa-kevitra hifady tanteraka ny zava-pisotro misy alkaola, ny olona sasany niboboka azy ireny taloha.—Matio 5:29.