Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Tokony Hiheverana ny Vola?

Ahoana no Tokony Hiheverana ny Vola?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Ahoana no Tokony Hiheverana ny Vola?

“FIALOKALOFANA [na fiarovana] ny vola”, hoy ny Baiboly. (Mpitoriteny 7:12) Voaro amin’ireo fahasahiranana ateraky ny fahantrana isika rehefa manam-bola, satria afaka mividy sakafo, akanjo, ary trano ipetrahana. “Hahazoana ny zavatra rehetra” eto an-tany tokoa ny vola, araka ny Mpitoriteny 10:19.

Mampirisika antsika hiasa mafy ny Tenin’Andriamanitra, mba hahafahantsika hamelon-tena sy hamelona ny fianakaviantsika. (1 Timoty 5:8) Lasa mahatsiaro tena ho afa-po sy misy vidiny ary tsy manana ahiahy isika, rehefa miasa mafy sady manao ny marina.—Mpitoriteny 3:12, 13.

Ho afaka halala-tanana amin’ny hafa koa isika ka hizara zavatra aminy, raha miasa mafy. Hoy i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Mahatsapa izany fahasambarana izany isika rehefa mampiasa amim-pifaliana ny volantsika mba hanampiana ny sahirana, indrindra fa ireo Kristianina namantsika. Sambatra koa isika rehefa mampiasa ny volantsika hividianana fanomezana ho an’ny olona tiantsika.—2 Korintianina 9:7; 1 Timoty 6:17-19.

Nampirisika ny mpanara-dia azy mba halala-tanana i Jesosy. Tokony ho fomba fiaina mihitsy ilay izy, fa tsy hoe atao tsindraindray fotsiny. “Aoka ianareo ho zatra hanome”, hoy izy. (Lioka 6:38) Tokony halala-tanana koa isika mba hampandrosoana ny fitoriana ilay Fanjakana. (Ohabolana 3:9) Hahatonga antsika ho naman’i Jehovah sy ny Zanany izany.—Lioka 16:9.

Mitandrema amin’ny “fitiavam-bola”

Mahihitra ny olona tia tena, ary tsy mba mizara izy raha tsy misy tombony ho azy. Ny fitiavam-bola mazàna no anton’izany. Tsy mitondra fahasambarana araka ny iheverany azy anefa ny fitiavam-bola. Hoy ny 1 Timoty 6:10: “Ny fitiavam-bola no fototry ny karazan-javatra ratsy rehetra. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka voavily niala tamin’ny finoana, sy nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.” Nahoana no tsy mahasoa ny fitiavam-bola ary mampidi-doza mihitsy aza? 

Tsy mety ho afa-po mantsy ny olona tia vola fa te hampitombo ny harenany foana. Hoy ny Mpitoriteny 5:9: “Izay tia vola tsy hety ho voky vola.” Toy ny hoe ‘manindrona ny tenany’ amin’ny fahadisoam-panantenana tsy misy farany àry ireny olona ireny. Simba koa ny fihavanany amin’ny hafa sy ny fiainan-tokantranony. Mety ho ratsy mihitsy aza ny torimasony. “Mamy ny torimason’ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben’ny ananan’ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.” (Mpitoriteny 5:11) Ary ny tena loza, dia tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny olona tia vola.—Joba 31:24, 28.

Olona maro no nangalatra, nanao fitsarana miangatra, nivaro-tena, namono olona, namadika ny namany, ary nandainga, noho ny fitiavam-bola. Ahitana tantara momba izany ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ireo tantara tsy ara-pivavahana. (Josoa 7:1, 20-26; Mika 3:11; Marka 14:10, 11; Jaona 12:6) Nanasa manam-pahefana tanora iray mba hanara-dia azy i Jesosy, tamin’izy teto an-tany. “Nanan-karena be” izy io. Nampalahelo fa nanda izany fanasana tena tsara izany ilay lehilahy, noho izy tsy nahafoy ny harenany. Hoy i Jesosy, rehefa nahita izany: “Ho sarotra tokoa ny hidiran’ny mpanam-bola ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra!”—Lioka 18:23, 24.

Tsy maintsy mailo ny Kristianina, indrindra fa amin’izao “andro farany” izao, satria efa voalaza fa ho “tia vola” ny ankamaroan’ny olona. (2 Timoty 3:1, 2) Tsy manara-drian-drano fotsiny ny tena Kristianina, izay mahatsapa fa mila an’Andriamanitra. Manan-javatra sarobidy noho ny vola mantsy izy ireo.

Inona no sarobidy noho ny vola?

Marina fa nilaza i Solomona Mpanjaka hoe fiarovana ny vola. Nilaza koa anefa izy fa “fialokalofana [na fiarovana] ny fahendrena”, satria “maharo ny ain’ny manana azy.” (Mpitoriteny 7:12) Inona no dikan’izany? Ilay fahendrena miorina amin’ny fahalalana marina tsara ny Soratra Masina sy amin’ny tahotra an’Andriamanitra no tian’i Solomona holazaina. Sarobidy noho ny vola io fahendrena io satria misoroka olana maro, ary miaro ny olona tsy ho faty aloha loatra mihitsy aza. Toy ny satroboninahitra koa izy io, ka mahatonga ny olona hidera sy hanaja ny manana azy. (Ohabolana 2:10-22; 4:5-9) Ary antsoina hoe “hazon’aina” izy io, satria anisan’ny mahatonga ny olona hahazo sitraka amin’Andriamanitra.—Ohabolana 3:18.

Tsy ho sarotra ny hahazo izany fahendrena izany, ho an’ny olona tena maniry sy mikatsaka mafy azy io. “Anaka, raha ... miantso ny fahalalana hianao ary manandratra ny feonao hahazo saina, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra. Fa Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.”—Ohabolana 2:1-6.

Mahatsapa fiadanana sy fahasambarana ary tsy fananana ahiahy tokoa ny tena Kristianina, satria ny fahendrena no sarobidy kokoa aminy noho ny vola. Tsy mahatsapa izany ireo tia vola. Hoy ny Hebreo 13:5: “Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola, fa aoka ianareo hianina amin’izay efa eo. Fa hoy [Andriamanitra]: ‘Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy.’ ” Tsy mahavita manome toky toy izany ny vola.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Nahoana no azo lazaina ho fialokalofana na fiarovana ny vola?—Mpitoriteny 7:12.

◼ Nahoana no sarobidy noho ny vola ny fahendrena avy amin’Andriamanitra?—Ohabolana 2:10-22; 3:13-18.

◼ Nahoana isika no tsy tokony ho tia vola?—Marka 10:23, 25; Lioka 18:23, 24; 1 Timoty 6:9, 10.