Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Araho ny Dian’i Kristy!”

“Araho ny Dian’i Kristy!”

“Araho ny Dian’i Kristy!”

Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah

Nanomboka tany Etazonia tamin’ny Mey io fivoriambe telo andro io. Hitohy hatramin’ny 2008 izy io, any amin’ny tanàna an-jatony eran-tany. Amin’ny ankapobeny, dia manomboka amin’ny mozika ny fandaharana, ny zoma amin’ny 9.20 maraina. Hifantoka amin’i Jesosy ny fandaharana manontolo.

Izao no foto-kevitry ny andro zoma: ‘Banjino Tsara Ilay Solontena Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny Finoantsika, dia i Jesosy.’ (Hebreo 12:2) “Nahoana Isika no Tokony Hanara-dia An’i ‘Kristy’?” Io no lahateny voalohany. Hisy lahateny mifampitohy mizara telo avy eo, ka ireto avy izany: “Jesosy, Ilay Mosesy Lehibe, Ilay Davida Lehibe, Ilay Solomona Lehibe.” Hamarana ny fandaharana maraina ilay lahateny fototra hoe “Ny Anjara Asa Miavaka Tanan’i Jesosy eo Amin’ny Fikasan’i Jehovah.”

“ ‘Efa Hitanay ny Mesia!’ ” Io no lahateny voalohany ny zoma tolakandro. Avy eo kosa dia ilay hoe “Ahoana no Hahitana Ireo Harena ‘Tsara Afina’ ao Amin’i Kristy?” Hisy fizarana dimy ilay lahateny mifampitohy maharitra adiny iray hoe “Aoka ho ao Aminareo Foana ny Toe-tsain’i Kristy.” Anisan’izany ireto: “ ‘Noraisiny Tsara’ ny Olona”, “Tonga Hatramin’ny Fahafatesana ny Fankatoavany”, ary “ ‘Tiany Hatramin’ny Farany’ ny Mpianany.” Hamarana ny fandaharana ilay lahateny hoe “ ‘Manaraka Foana ny Zanak’ondry’ Izy Ireo ‘na Aiza na Aiza Alehany.’ ”

Izao no foto-kevitry ny andro asabotsy: ‘Ny Ondriko Mihaino ny Feoko, ary Manaraka Ahy.’ (Jaona 10:27) Haharitra adiny iray ilay lahateny mifampitohy hoe “Araho ny Modely Nomen’i Jesosy Rehefa eny Amin’ny Fanompoana.” Hanome soso-kevitra hanatsarana ny fanompoantsika izy io. Aorian’izay ny lahateny hoe “ ‘Tia ny Fahamarinana sy Mankahala ny Fandikan-dalàna’ toa An’i Jesosy ve Ianao?”, sy ilay hoe “ ‘Tohero ny Devoly’, toy ny Nataon’i Jesosy.” Hamarana ny fandaharana maraina ny lahatenin’ny batisa, ary hisy hatao batisa avy eo.

Lahateny mifampitohy no hanombohana ny fandaharana ny asabotsy tolakandro. Hisy fizarana enina izy io, dia ny hoe “Aza Manaraka... ‘ny Maro’, ny ‘Fonao na ny Masonao’, ‘Zava-poana’, ‘Mpampianatra Sandoka’, ‘Tantara Tsy Marina’, ary An’i ‘Satana.’ ” Anisan’ny lahateny hanaraka izany ny hoe “Tsy Misy Tsara Noho ny hoe ‘Ampianarin’i Jehovah’ ” sy hoe “Ampio Hiverina ao Amin’ny Andian’ondry Izy Ireo.” Ilay lahateny hoe “Andao Hanara-dia Ahy” no hisongadina amin’ny faran’ny fandaharana.

“Manaraha Ahy Mandrakariva.” (Jaona 21:19) Io no foto-kevitra ho an’ny alahady. Hisy lahateny iray mitondra ny lohateny hoe “Aza Mitady Fialan-tsiny mba Tsy Hanarahana ny Dian’i Kristy.” Hanaraka izany ilay lahateny mifampitohy hoe “Fahamarinana Sarobidy ao Amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra”, izay ahitana fizarana enina. Hohazavaina ao ny tenin’i Jesosy toy ny hoe “Sambatra ny Mahatsapa fa Mila An’Andriamanitra”, “Mandehana Aloha Mihavana Amin’ny Rahalahinao”, ary “Aoka Ianareo ho Zatra Hanome dia mba Homena koa Ianareo.” Hifarana amin’ny lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Iza no Tena Mpanara-dia An’i Kristy?” ny fandaharana maraina. Hisongadina amin’ny tolakandro ny tantara an-tsehatra momba an’i Gehazy, fatra-pitia harena. Mpanompon’i Elisa mpaminanin’Andriamanitra izy. Hamarana ny fivoriambe ny lahateny hoe “Araho Hatrany ny Dian’i Kristy, Ilay Mpitarika Antsika Tsy Mety Resy!”

Manaova fandaharana dieny izao mba hanatrehana azy io. Mankanesa any amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah na manorata any amin’ny mpamoaka an’ity gazety ity, mba hahafantaranao ny toerana hanaovana azy io, akaiky anao indrindra. Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa, ny lisitry ny toerana hanaovana io fivoriambe io, eto Madagasikara.