Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Manontany ny Tanora Hoe... Manana Olana Mifandray Amin’ny Sakafo ve Aho? (Oktobra 2006) Kivy be aho rehefa avy namaky an’io lahatsoratra io. Efa hatry ny ela mantsy aho no nanana olana mifandray amin’ny sakafo sy niezaka namaha izany. Toa te hilaza ilay lahatsoratra fa tokony ho tamin’izaho mbola tanora kokoa no “namaha” ilay olana. Mbola miezaka mafy foana anefa aho hatramin’izao, fa tsy resiko ilay izy. Lasa mieritreritra aho hoe tsy misy antenaina intsony ny amiko. Toa te hilaza ilay lahatsoratra fa finoana matanjaka fotsiny no ilaina, dia ho voavaha ilay olana.

J. J., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Marina fa natao voalohany indrindra ho an’ny tanora ny lahatsoratra “Manontany ny Tanora.” Azon’ny rehetra ampiharina anefa ny toro lalana ara-baiboly resahiny, na firy taona ilay olona na firy taona. Miaiky izahay fa anisan’ireo olana ara-pahasalamana tena sarotra sitranina ny olana mifandray amin’ny sakafo. Tsy milaza ilay lahatsoratra hoe tsy ampy finoana ny olona manana an’io olana io. Manoro hevitra fotsiny izy fa afaka mangataka fanampiana amin’i Jehovah ilay olona. Ampirisihiny koa ilay olona hitady fanampiana amin’ny ‘rainy na ny reniny na ny olon-dehibe hafa.’ Ankoatra izany, dia miresaka mazava tsara ilay lahatsoratra fa “tsy mora ny miala amin’ilay zava-manahirana”, ary mbola mety hiverina ilay izy any aoriana. Matokia anefa fa tsy hoe tsy misy antenaina ny aminao. Misy tokoa ny fanantenana rehefa jerena ny ezaka nataonao nandritra ny taona maro.

Manontany ny Tanora Hoe... Inona no Hataoko eo Amin’ny Fiainana? (Jolay 2006) Efa ho vita ny fianarako, ary mieritreritra aho izao hoe inona no hataoko eo amin’ny fiainana. Vao mainka aho tapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra manontolo andro, rehefa avy namaky an’io lahatsoratra io. Tsy misy asa sarobidy sy mahafaly kokoa noho izany.

H. W., Hong Kong

Mankasitraka anareo amin’ny foko manontolo aho noho io lahatsoratra io. Nazava tamiko, rehefa namaky azy io aho, fa ny fanompoana an’Andriamanitra no tokony hatao loha laharana. Izany no tanjona tsara indrindra ho an’ny tanora toa ahy, eto amin’ity tontolo variana mangoron-karena ity.

A. S., Brezila

Be zavatra atao aho isan’andro, ka matetika no hadinoko hoe inona no tanjoko. Rehefa avy namaky an’io lahatsoratra io aho, dia nanjary tapa-kevitra indray fa hanao izay rehetra azoko atao mba hanompoana an’i Jehovah. Misaotra indrindra noho ny fikarakaranareo anay tanora.

E. M., Japon

Ahoana no Hananana Tokantrano Sambatra? (Jolay 2006) Faran’izay tsara ireo lahatsoratra ireo. Ny fomba nitondran’i Jesosy ny apostoliny no natao modely hotahafin’ny mpivady eo amin’ny fomba ifampitondrany. Tsara be ilay ohatra. Mazotoa foana mamoaka lahatsoratra tsara toy ireny. Tena tsy andrinay mihitsy ny handraisanay ny gazetinay isam-bolana.

S. C., Etazonia

Namoy Fo Taloha Nefa Sambatra Izao (Jolay 2006) Nahatsiaro tena ho tsy nisy vidiny aho, toy ny Rahalahy González mihitsy. Nieritreritra aho hoe ‘tsy ho tia olona toa ahy mihitsy i Jehovah, indrindra fa noho izaho mpanota be taloha.’ Tena mampahery tokoa ny mahafantatra fa be famindram-po sy mamela heloka ary be fitiavana i Jehovah! Nanome torohevitra be dia be sy nanohana ahy tamim-pitiavana ny fiangonana. Teo koa ny fanampian’ny fanahy masin’i Jehovah. Izany no nahavitako nampihatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly teo amin’ny fiainako. Misaotra noho io sakafo ara-panahy tonga tamin’ny fotoana nilana azy io.

T. A., Etazonia