Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Voankazo Tena Tian’ny Mpanao Ranomanitra

Ilay Voankazo Tena Tian’ny Mpanao Ranomanitra

Ilay Voankazo Tena Tian’ny Mpanao Ranomanitra

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ITALIA

EFA ela be no nisy ny ranomanitra. Natao tamin’ny trano, akanjo, sy fandriana izy io, tamin’ny andron’ny Baiboly, ary ny olona nanam-bola no nanao azy. Anisan’ny fanaovana ranomanitra ny aloesy, menaka balsama, kanelina, ary zavamanitra hafa.—Ohabolana 7:17; Tonon-kiran’i Solomona 4:10, 14.

Tena mbola ilaina ny menaka avy amin’ny zavamaniry, mba hanamboarana ranomanitra. Nankany Calabre, faritra farany atsimon’i Italia, izahay mba hitsidika orinasa mpanao ranomanitra. Voankazo atao hoe bergamote no ampiasain’izy ireo. Vaovao aminao angamba izany anarana izany. Voalaza anefa fa misy fofon’izy io ny ampahatelon’ny ranomanitry ny vehivavy sy ny antsasaky ny ranomanitry ny lehilahy. Aleo hohazavainay aminao ny mombamomba an’io voankazo io.

Karazam-boasary izy io, ary maitso mandavantaona ny raviny. Isaky ny volana Aprily no mamelana ilay hazo, ary ny Oktobra ka hatramin’ny Desambra no fiotazana ny voany. Mitovy habe amin’ny laoranjy izy io, ary mavo sady malamalama ny hodiny. Manam-pahaizana maro no mihevitra fa zavamaniry roa natambatra no nahazoana an’ilay karazam-boasary, nefa tsy fantatra izay tena niaviany. Tsy misy maniry ho azy izy io, sady tsy mety ambolena avy amin’ny masomboly. Tsy maintsy maka tahony kosa ny mpamboly, ary ataony grefy amin’ny karazam-boasary hafa, toy ny voasarimakirana.

Misy lafiny maro mampiavaka azy ilay voankazo, amin’ny mpanao ranomanitra. Hazavain’ny boky iray fa hafakely ny menaka azo avy amin’izy io. “Rehefa ampiarahina amin’ny fofona manitra maromaro izy io, dia manome hanitra vaovao, izay tsy miova sady tsy lefy mihitsy.” *

Toeram-pambolena any Calabre

Efa tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-18 no nisy bergamote tany Calabre, araka ny boky momba ny tantara. Voalaza fa nivarotra menak’izy io tamin’ny vahiny, ny tompon-tany. Ny fivarotana ranomanitra anefa no tena nampiroborobo ny fambolena azy io. Tamin’ny 1704, dia nanamboatra karazana ranomanitra ilay Italianina atao hoe Gian Paolo Feminis, izay nifindra monina tany Alemaina. Nantsoiny hoe Aqua admirabilis, na “rano mahatehotia” izy io. Menaka bergamote no tena nanaovana azy io. Natao hoe eau de Cologne na “ranon’i Cologne” ilay ranomanitra tatỳ aoriana, satria tao amin’ny tanànan’i Cologne no nanamboarana azy.

Tany Reggio no nisy toeram-pambolena an’ilay voankazo voalohany, tamin’ny 1750 tany ho any. Nihamaro ireo namboly azy io, satria nahazoana tombony be ny fivarotana ny menaka manitra azo avy aminy. Mila hafanana antonony ilay hazo, ary tokony harovana amin’ny rivotra mangatsiaka avy any avaratra. Tsy tantiny anefa ny mari-pana miakatra na midina tampoka, ny rivotra mahery loatra, ary ny hamandoana maharitra. Mety tsara aminy ny toetrandro any Reggio, izay faritra lavalava kely mirefy 5 kilaometatra monja ny sakany, ary 150 kilaometatra ny lavany. Eo akaikin’ny morontsiraka farany atsimon’i Italia izy io. Nisy ihany niezaka namboly an’ilay karazam-boasary tany an-toeran-kafa, saingy ny faritanin’i Reggio no mamokatra be indrindra eran-tany. I Côte d’Ivoire, any Afrika, ihany no mpamokatra betsaka azy io, ankoatra an’i Reggio.

Mavo manopy maitso ny menaka bergamote, ary ny hoditr’ilay voankazo no akana azy. Toy izao no fanaovana izany taloha: Zaraina roa ilay voankazo, ary esorina ny nofony. Fihazana eo ambonina sponjy ny hodiny avy eo, ka ahazoana menaka manitra. Raha voankazo 90 kilao no ampiasaina, dia menaka manitra antsasa-kilao eo ho eo monja no azo. Milina no tena fampiasa ankehitriny mba hakana an’io menaka io, ka vy marokoroko no mikiky ny hoditr’ireo voankazo.

Tsy be mpahalala nefa be mpampiasa

Tsy be mpahalala io voankazo io, ankoatra ny olona any Calabre. Milaza anefa ny boky iray fa “azon’ny manam-pahaizana anaovana zavatra be dia be” izy io. Tsy ny ranomanitra ihany no nasiana fofona manitra avy amin’izy io, fa eo koa ny savony, famotsia-nify, ary menaka fanosotra. Misy hanitra avy amin’izy io koa ny dite, gilasy, vatomamy, ary zava-pisotro sasany. Anisan’ny ampiasaina anamboarana menaka fanosotra rehefa mitanina andro izy io. Tena fampiasan’ny orinasa mpanao fanafody koa ilay voankazo, satria mamono otrikaretina sy bakteria. Ampiasain’ny mpandidy sy dokotera maso ary mpitsabo aretin-koditra izy io, mba hamonoana mikraoba. Mora mampivaingana zavatra koa izy io, ka azo anaovana fanafody mampandry ra sy mampijanona aretim-pivalanana.

Hitan’ny mpikaroka fa misy taharo 350 ao amin’ny menaka avy amin’ilay karazam-boasary. Ireo taharo ireo no manome an’ilay fofona hafakely mampiavaka azy, sy mahatonga azy ho azo anaovan-javatra maro be. Voankazo iray anefa no ahazoana izany rehetra izany!

Tsy nahafantatra bergamote angamba ireo mpanoratra Baiboly fahiny. Raha mandinika an’io voankazo io anefa ianao, ka manaiky ny fahendren’ny Mpamorona, dia azo inoana fa hilaza toy ny mpanao salamo hoe: “Miderà an’i Jehovah, ry ... hazo fihinam-boa.”—Salamo 148:1, 9.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Misy olona tsy mahazaka ranomanitra, toy ireo tsy mahazaka vovobony na voninkazo. Tsy manao dokam-barotra momba ny ranomanitra na entana hafa ny Mifohaza!

[Sary, pejy 25]

Ny hodiny no kikisana mba hahazoana menaka manitra

[Sary nahazoan-dalana]

© Danilo Donadoni/Marka/age fotostock