Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Vokatry ny Faniriana Te Hanan-karena?

Inona no Vokatry ny Faniriana Te Hanan-karena?

Inona no Vokatry ny Faniriana Te Hanan-karena?

OLONA 850 tapitrisa mahery no tsy ampy sakafo, maneran-tany. Toa tsy azo eritreretina àry ny hoe, hiteraka olana ny fananana harena be. Tadidinao ve ny voalazan’ny 1 Timoty 6:9, 10, izay noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha? Mariho fa tsy ny vola na ny harena no nolazainy hoe ratsy, fa ny fitiavam-bola sy ny faniriana te hanan-karena. Inona no mitranga raha ny hanan-karena sy ny hanan-javatra no imatimatesan’ny olona? Andeha aloha hojerentsika ny vokatr’izany eo amin’ny ankizy.

Ny vokany eo amin’ny ankizy

Dokam-barotra 40 000 isan-taona no hitan’ny ankizy amerikanina, ao amin’ny tele, araka ny tombantombana. Eo koa ireo zavatra hitany any amin’ny magazay sy any an-tranon’ny namany, toy ny lalao video, fitaovana ary fomba fandefasana mozika, programa ao amin’ny ordinatera ary akanjo lafo vidy misy marika malaza. Lasa mangataka amin’ny ray aman-dreniny foana izy ireo noho izany. Manome izay rehetra angatahin-janany ny ray aman-dreny sasany. Nahoana?

Tsy mba nanana fiainana nampiadana ny sasany tamin’izy ireo tamin’ny mbola kely, ka tsy tiany hihafy ny zanany. Ny hafa kosa matahotra sao tsy ho tian-janany intsony. Hoy ny mpanorina ny fikambanana iray miahy ny ray aman-dreny any Boulder, Etazonia: “Tiany hinamana be aminy ny zanany, ka ataony izay hampifalifaly azy.” Heverin’ny ray aman-dreny sasany fa hanonitra ny ora maro laniny any am-piasana ireo zavatra be dia be omeny an-janany. Ny hafa indray efa trotraky ny asa mandritra ny herinandro ka tsy mandà izay angatahin-janany, satria tsy te hifanditra aminy.

Mahasoa ny ankizy ve anefa ny fanomezana azy izay rehetra angatahiny? Tsy izany mihitsy. Tsy hoe lasa tia kokoa an’i Dada sy Neny ny ankizy ampihantaina, fa vao mainka aza tsy mahay mankasitraka. Tsy misy dikany aminy akory mantsy ireo zavatra nangatahiny mafy tamin’ny ray aman-dreniny rehefa azony. Nilaza ny zavatra hitany ny vehivavy iray talen’ny sekoly ambaratonga faharoa: “Raha omena ny ankizy eo no ho eo ny zavatra tadiaviny, dia ariariany fotsiny rehefa afaka tapa-bolana.”

Manao ahoana ny ankizy nampihantaina rehefa mihalehibe? Nasehon’ny fanadihadiana fa “mora kivy [izy ireo] rehefa misy zavatra mandiso fanantenana azy”, araka ny gazetiboky Herinandrom-baovao (anglisy). Zatra notoloram-potsiny ireny ankizy ireny fa tsy mba nianatra niasa mafy. Tsy mahomby àry ny sasany amin’izy ireo rehefa any am-pianarana sy any am-piasana, ary tsy manana fanambadiana sambatra. Noho izany, dia lasa miankin-doha amin’ny ray aman-dreniny izy ireo eo amin’ny lafiny ara-bola, ary mety ho be fanahiana sy mora kivy.

Very tombontsoa àry ny ankizy nampihantaina, satria tsy mahafantatra ny hasarobidin’ny asa mafy. Tsy mahatsiaro ho misy vidiny koa izy ireo, ary tsy mahatsapa hoe manana ny maha izy azy. Nampitandrina toy izao i Jessie O’Neill, mpitsabo aretin-tsaina: “Fiainana feno fijaliana no omaninao ho an’ny zanakao, raha omenao azy eo no ho eo izay rehetra tadiaviny.”

Ny vokany eo amin’ny olon-dehibe

Raha manambady ianao, dia “mety ho resa-bola no hampifamaly anareo manaraka, na hafiriana na hafiriana no nivadianareo, ary na ohatrinona na ohatrinona vola anananareo”, hoy ny gazety Psikolojia Ankehitriny (anglisy). Hoy koa izy io: “Miankina amin’ny fomba andaminan’ny mpivady ny olana ara-bola sy ny zava-manahirana tsy ampoizina, no hampaharitra ny fanambadiany.” Mora rava kokoa ny fanambadiana, raha ny vola aman-karena no tena zava-dehibe amin’ny mpivady. Voamarika fa olana ara-bola no mahatonga ny 90 isan-jaton’ny fisaraham-panambadiana.

Na dia tsy misaraka aza anefa ny mpivady, dia hihasimba tsikelikely ny fifandraisan’izy ireo, raha ny vola sy ny haitraitra no imatimatesany. Mifanome tsiny, ohatra, ny mpivady rehefa ananan’olona trosa ary mety ho mora tezitra. Tsy manam-potoana hiarahana firy izy roa rehefa samy variana amin’ny fananany. Inona no mitranga raha mividy zavatra lafo be ny iray amin’izy ireo, ary manafina izany amin’ny vadiny? Lasa manamelo-tena sy manafinafin-javatra izy ary tsy matoky ny vadiny. Manimba tsikelikely ny fifandraisan’izy ireo izany.

Nisy mpitovo sy olona efa manambady, namoy ny ainy noho ny fitiavan-karena. Nisy olona nanandrana namono tena, ohatra, tany Afrika Atsimo, rehefa tsy nahatratra ny fari-piainan’ny olona any amin’ny tany mandroso. Toa olana ara-bola koa no nahatonga ny lehilahy iray tany Etazonia hamono tena sy hamono ny vadiny ary ny zanany lahy 12 taona.

Na tsy mamoy ny ainy aza anefa ireo mikatsaka harena, dia tsy ho afa-po amin’ny fiainana. Hanimba tsikelikely ny fiainany mantsy ny olana ara-bola sy ny adin-tsaina vokatry ny asa, satria lasa mitebiteby lava izy, tsy mahita tory, marary andoha lava, na marary vavony. Hanafohy ny androm-piainany izany. Ary na dia tonga saina aza izy ka manova ny zavatra ataony laharam-pahamehana, dia mety ho efa tara loatra. Mety tsy hatoky azy intsony ny vadiny sady tsy hifandray am-po aminy intsony ny zanany. Mety ho efa tsy ara-dalàna intsony koa ny fahasalamany. Azo arenina ihany angamba ny zavatra sasany, kanefa mitaky ezaka be izany. ‘Manindrona ny tenany amin-javatra maro mampanaintaina’ tokoa ny olona toy ireny!—1 Timoty 6:10.

Inona no irinao?

Te hanana fiainam-pianakaviana sambatra ny ankamaroan’ny olona. Iriny koa ny ho salama, hanana asa mahafa-po sy vola ampy hivelomana. Ilaina ny fahaiza-mandanjalanja mba hananana azy efatra ireo. Tsy hahay handanjalanja anefa ny olona iray raha tia vola loatra. Olona maro no mila manatsotra ny fiainany raha te hiova. Angamba izy ireo mila mifidy asa kely karama kokoa, na mifindra amin’ny trano kely kokoa. Firy anefa no vonona hamoy ireny zavatra feno haitraitra ireny, mba hahazoana zava-tsarobidy kokoa? Hoy ny vehivavy iray: ‘Tsy ho vitako mihitsy ny hamoy ny fananako, na dia fantatro aza fa tsy ilaiko ny sasany!’ Te hanatsotra ny fiainany ihany ny olona sasany, saingy tsy tiany raha izy no misantatra izany.

Ary ahoana ny aminao? Mendri-koderaina ianao, raha tsy ny vola aman-karena no zava-dehibe indrindra aminao. Sa be herehina loatra ianao, ka mamaky maimaika an’ity lahatsoratra ity? Anisan’ireo mila manatsotra fiainana ve ianao mba ho salama sy hilamin-tsaina kokoa? Mila manao zavatra ianao, dieny tsy mbola simban’ny fitiavan-karena ny fiainam-pianakavianao. Misy soso-kevitra hanampy anao ao amin’ilay efajoro eo ambany.

Ho salama sy hilamin-tsaina ianareo mianakavy, raha tsy ny vola aman-karena no zava-dehibe indrindra aminareo. Misy zavatra hafa ahin’ny Kristianina anefa. Tsy tian’izy ireo hanimba ny fifandraisany amin’Andriamanitra ny vola aman-karena. Nahoana anefa no lazaina fa manimba ny fifandraisana amin’Andriamanitra ny fitiavan-karena? Inona no azonao atao mba hisorohana izany? Hanazava izany ny lahatsoratra manaraka.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Matetika no tsy mahay mankasitraka ny ankizy ampihantaina, ary vetivety dia ariany ireo zavatra notadiaviny

[Efajoro/​Sary, pejy 7]

Ahoana no Hahaizana Mandanjalanja?

Mila mandray fanapahan-kevitra hentitra sy miomana tsara ianao, raha te hanatsotra fiainana. Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy efa nanampy olona maro:

DINIHO NY FANANANAO. Inona no tsy tokony hovidinao intsony? Inona no tsy ilainao intsony? Kojakojan-tokantrano sasany ve? Sa fitaovana maoderina? Sa CD? Sa fitafiana?

ANDRAMO ALOHA. Raha manahy ianao sao tsy ho vitanao ilay izy, nahoana raha manandrana mandritra ny enim-bolana na herintaona? Diniho hoe tena nahasambatra anao ve ny nandany fotoana nikatsahana vola aman-karena.

RESAHO AMIN’NY ZANAKAO ILAY IZY. Mety hanohana ny hevitrao izy ireo amin’izay, ka tsy hanahirana anao ny handa izay angatahiny, rehefa tsy maintsy manao izany ianao.

AZONAO OMENA VOLA KELY NY ZANAKAO. Izy ihany no hanapa-kevitra raha hangoniny ilay vola na tsia, mba hividianany izay zavatra tiany. Hanampy azy hanana faharetana, sy hankasitraka izay ananany, ary hahay hanapa-kevitra izany.

MIANARA MITSITSY. Miadia varotra rehefa mividy zavatra. Manaova teti-bola. Ahenao ny fampiasana fitaovana mandeha amin’ny gazy na herinaratra.

AMPIASAO TSARA NY FOTOANANAO. Tsy ny hampihena ny fanananao fotsiny no antony nanatsoranao ny fiainanao, fa ny mba hanananao fotoana hanaovana ireo zava-dehibe kokoa. Anisan’izany ny fiarahana amin’ny fianakavianao. Manao izany ve ianao?

[Sary, pejy 6]

Mety hanakorontana tokantrano ny faniriana te hanan-karena