Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nialako Ilay Asa Tena Tiako

Nialako Ilay Asa Tena Tiako

Nialako Ilay Asa Tena Tiako

Notantarain’i Marcelo Neím

TERAKA tany Montevideo, any Orogoay, aho. Tia an’Andriamanitra ny ray aman-dreniko, nefa tsy mba nandeha niangona. Matin’ny lozam-piarakodia i Neny, tamin’izaho efa-taona. Havanay no nitaiza ahy sy nanampy ahy mba ho hendry tsara. Nanapa-kevitra ny hitety tany aho rehefa 20 taona, mba hamantatra kolontsaina samihafa.

Nanomboka nanampy an’ireo mpanao cirque aho, tany Kolombia. Hitako fa faly erỳ ry zareo rehefa nitehaka ny olona. Mba naniry ho anisan’izy ireo koa aho. Nianatra nitaingina bisikileta kely àry aho. Nohakeleziko hatrany ilay izy, ka nahavita nitaingina bisikileta nirefy 12 santimetatra aho tamin’ny farany. Io no anisan’ny kely indrindra eran-tany. Antonona eo ambony felatanako ilay izy. Nanomboka nalaza eran’i Amerika Atsimo aho. Nankany Meksika aho rehefa 25 taona, ary niasa tamin’ny cirques maromaro.

Niova tanteraka ny fiainako

Tena tiako ilay asako satria nandeha foana aho, sady nisakafo sy natory tany amin’ny hotely tsara indrindra. Na izany aza, dia tsapako hoe tsy nisy zava-kendrena ny fiainako, ary tsy nanana fanantenana momba ny hoavy aho. Nisy zavatra nanova ny fiainako anefa, indray tolakandro. Nanome ahy ny boky Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka! * ilay mpanentana tamin’ny fampisehoana. Nomen’olona azy izy io. Novakiko ilay boky rehefa vita ny fampisehoana, ary niari-tory mihitsy aho. Tsy azoko daholo ny hevitra tao amin’ilay izy. Nahaliana ahy anefa ny fanazavana momba ilay bibidia mena midorehitra sy ilay mpivaro-tena ao amin’ny Apokalypsy. (Apokalypsy 17:3–18:8) Nanadio ilay tranofiara novidiko aho taorian’izay, ary nahita ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany.* Tsotra kokoa ny hevitra ao amin’izy io, ka tonga dia azoko fa tsy maintsy mitory aho. Noresahiko tamin’izay olona hitako àry ny zavatra nianarako.

Naniry hihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, rehefa nandeha ny fotoana. Tao amin’ilay boky Apokalypsy ny nomeraon-telefaonin’ilay ankizivavy Vavolombelona niresaka tamin’ilay mpanentana. Niantso tany aminy àry aho, ka nasain’ny rainy hanatrika fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Tijuana, any Meksika. Nanohina ny foko ny fitiavana nasehon’ireo Vavolombelona, ka niaiky aho fa ny fivavahan’izy ireo no marina. Nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana foana àry aho, tany amin’izay nanaovanay fampisehoana. Naka boky sy gazety koa aho, mba hozaraiko amin’ny olona.

Nisy zava-nitranga koa nampiaiky ahy fa nahita ny fahamarinana aho. Nanasa ahy hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy mantsy ny Vavolombelona. Nohazavain’izy ireo fa tena zava-dehibe amin’ny Kristianina izy io. Nihevitra anefa aho fa tsy ho afaka, satria tamin’io alina io mihitsy no nanomboka ny fampisehoana nataonay. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho, ary nisy zavatra tsy nampoizina nitranga. Tapaka ny jiro, adiny roa talohan’ilay fampisehoana! Afaka nanatrika Fahatsiarovana àry aho, ka niverina nanao ilay fampisehoana avy eo. Noraisiko ho toy ny valim-bavaka avy tamin’i Jehovah ilay izy.

Nilahatra tao amin’ny banky aho indray mandeha, sady nizara taratasy mivalona. Nahita ahy ny anti-panahy iray, ary nidera ahy noho ny zotom-poko. Nampirisika ahy hiara-mitory amin’ny fiangonana izy, mba hilamina kokoa ny fomba fitoriko. Nohazavainy tamin-katsaram-panahy anefa fa nila nanao fiovana aloha aho. Nieritreritra ny hanao izany àry aho. Notolorana asa be karama anefa aho tamin’izay, izany hoe hanao fampisehoana any Etazonia. Tsy hitako izay hatao. Te ho any Etazonia aho, nefa mety tsy handroso amin’ny fahamarinana aho raha mandeha. Izany no fitsapana voalohany natrehiko. Tsy te hampalahelo an’i Jehovah anefa aho. Tsy nanao fampisehoana intsony àry aho, ary nanomboka niaraka tamin’ny fiangonana. Tena gaga ireo mpiara-miasa tamiko. Lava volo aho nefa notapahiko ilay izy, ary nanova ny fiainako aho mba hanompoako an’i Jehovah.

Afa-po sady tsy manenina mihitsy

Niatrika fitsapana faharoa aho tamin’ny 1997, taloha kelin’ny batisako. Nasaina hankany Etazonia indray aho, mba hanao fampisehoana tao amin’ny fandaharana malaza iray tao amin’ny tele. Tany Miami ilay izy, ary nolazaina fa hiantohana daholo ny fandaniako rehetra. Naniry hatao batisa sy hanaporofo ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah anefa aho, ka tsy nanaiky an’ilay asa. Gaga be ireo mpiasan’ny tele tamin’izay.

Nisy olona nanontany ahy hoe nanenina ve aho niala tamin’ny asako. Namaly aho hoe tsy misy hatakaloko ny fitiavan’i Jehovah sy ny fifandraisako aminy mihitsy. Mpitory manontolo andro aho izao. Marina aloha fa tsy mahazo dera na laza na harena aho, nefa tena misy zava-kendrena ny fiainako. Manana fanantenana sarobidy aho, dia ny hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany. Tsy andriko erỳ ny hitsena an’i Neny, rehefa hatsangana amin’ny maty izy.—Jaona 5:28, 29.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.