Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tolède, Tanàna Misy Kolontsaina Isan-karazany

Tolède, Tanàna Misy Kolontsaina Isan-karazany

Tolède, Tanàna Misy Kolontsaina Isan-karazany

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

MISY havoana iray ahitana granita eo afovoan’i Espaina. Andalovan’ny Reniranon’i Tage ny lafiny telo amin’izy io. Nokaohin’ny rano tsikelikely ny sisin’io havoana io, ka lasa hantsana niaro azy tamin’ny mpanafika. Eny ambony eny no misy an’i Tolède. Rehefa mieritreritra an’io tanàna io ny olona, dia tonga ao an-tsainy avy hatrany ny momba an’i Espaina sy ny kolontsainy.

Mampahatsiaro ny vanim-potoan’ny Moyen Âge, ireo lalana tery sy miolikolika any Tolède. Mbola toy ny endriny taloha ihany ireo vavahady sy rova ary tetezana. Hita amin’izy ireny fa anisan’ny tanàna tena niavaka teto Eoropa i Tolède, fahiny.

Tsy toy ny tanàna eoropeanina rehetra anefa i Tolède. Na ny gara any aza, dia mitovitovy amin’ny garan’ny tany tatsinanana. Rehefa dinihina koa ireo zavakanto sy trano lehibe, dia hita fa niana-javatra avy tamin’ireo kolontsaina nifandimby nandritra an’ireo taonjato, ny mponina tao. Nandroso be ilay tanàna, 700 taona lasa izay, ary nifangaro tao ireo kolontsaina isan-karazany tamin’ny Moyen Âge.

Kolontsaina isan-karazany

Efa nanorina tanàna teny an-tampon’ilay havoana ny Selta sy ny Iberika, talohan’ny nahatongavan’ny Romanina tany Espaina. Novan’ny Romanina ho Toletum (avy amin’ny tollitum, midika hoe “nasandratra”) ny anaran’ilay tanàna, ary nataony renivohi-paritany ilay izy. Nilaza i Tite-Live, mpahay tantara romanina, fa “tanàna kely [i Tolède], nefa voaro noho ny toerana nisy azy.” Notafihin’ny Visigoths i Espaina rehefa rava ny Fanjakana Romanina, ary i Tolède no nataony renivohitra. Tany ny Mpanjaka Reccared, no niala tamin’ilay fivavahana atao hoe Arianisma, tamin’ny taonjato fahenina. Lasa foiben’ny Fivavahana Katolika Ortodoksa àry i Espaina taorian’izay, ka tany Tolède no nipetraka ny arseveka lehiben’izy ireo.

Lasa anisan’ny faritra niadidian’ny filoha silamo anefa i Tolède, tatỳ aoriana. Tamin’izany no nanaovana ireo lalana tery ao amin’io tanàna tranainy io, izany hoe teo anelanelan’ny taonjato faha-8 sy 11. Tsy nanohitra ny fivavahana hafa ny Silamo, ka samy nisy tany Tolède ny fivavahana kristianina sy jiosy ary silamo. Lasa teo ambany fahefan’i Alphonse Faha-6, mpanjaka katolika, ilay tanàna tamin’ny 1085. Mbola nisy nandritra ny taonjato maro anefa ireo fivavahana ireo, na dia niovaova aza ny mpitondra.

Efa nisy hatramin’ny Moyen Âge ny ankamaroan’ireo trano lehibe miavaka any Tolède. Nataon’ireo mpitondra katolika renivohitra io tanàna io. Ny Jiosy kosa nampiasa ny fahaizany, mba hampandrosoana ny varotra sy ny asa tanana. Ny Silamo indray nampiasa ny talentany tamin’ny asa fanorenana. Nisy manam-pahaizana mpandika teny avy tamin’ireo fivavahana telo ireo, niara-niasa tany Tolède. Asa soratra tranainy be dia be no nadikan’izy ireo ho amin’ny teny espaniola sy latinina, tamin’ny taonjato faha-12 sy 13. Efa nahalala zavatra betsaka momba ny siansa ny Arabo talohan’izay, ka nanjary azon’ny Tandrefana nianarana izany noho ireo mpandika teny ireo.

Nanomboka anefa ny fanenjehana fivavahana tamin’ny taonjato faha-14, ka Jiosy an’arivony no novonoina tsy nisy indrafo. Nanangana fitsarana tany Tolède ny Katolika, tamin’ny fotoana nahitan’i Christophe Colomb an’i Amerika. Notsaraina ny Jiosy sy Silamo ka noterena hiova finoana, raha tsy izany dia nalefa sesitany.

Taratry ny fandrosoana taloha

Zato mahery ankehitriny ny trano lehibe manan-tantara sy zavatra miavaka any Tolède. Nampidirin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina ho anisan’ny Lova Iraisam-pirenena àry, io tanàna io. Anisan’ny miavaka amin’ireo zavatra naorina tamin’ny Moyen Âge, ny tetezana lehibe roa eo amin’ny Reniranon’i Tage. Ny iray miditra ao Tolède avy any atsinanana, ary ny iray kosa avy any andrefana. Manaitra ny maro koa ilay vavahady lehibe sady avo atao hoe Puerta Nueva de Bisagra, fidirana ao amin’ilay tanàna mimanda.

Misy trano lehibe roa miavaka ao Tolède, rehefa tazanin-davitra, dia ny rova sy ny katedraly. Miendrika efamira ngezabe ilay rova eny atsinanana, antsoina hoe Alcázar. Efa nataon’ny Romanina fonenan’ny governora izy io, ary efa nipetrahan’ny mpitondra visigoths. Efa nataon’ny Arabo lapa koa izy io, ary efa nonenan’ny mpanjaka espaniola. Tranombakoky ny Tafika izy io izao, ary misy tranomboky lehibe. Tanàna be mpivavaka anefa i Tolède, ka misy katedraly lehibe eo afovoan-tanàna.—Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy 17.

Voaravaka sary hoso-doko nataon’ny mpanakanto malaza iray nipetraka tany Tolède, ilay katedraly sy ny fiangonana maro any. El Greco, midika hoe “Ilay Grika”, no ahafantarana an’io mpanao hoso-doko io. Doménikos Theotokópoulos no tena anarany. Tany amin’ny tanànan’ny Jiosy izy no nipetraka. Misy tranombakoka ahitana ny maro amin’ireo sary hoso-doko nataony izao any.

Avy eny amin’ireo havoana eny atsimo angamba no tena tsara hitazanana an’i Tolède. Hitanao kokoa anefa ny hakantony, raha mitsangantsangana eny amin’ireo lalana tery ao anatiny ianao. Mety hahavery izy ireny nefa mahafinaritra sy mahavariana. Amin’izany koa no tena ahitana an’ireo trano tranainy sy lavarangana voaravaka ary fivarotana fahatsiarovana mahaliana.

Tsy tontan’ny ela tokoa ny tanànan’i Tolède, nefa tsy maintsy mody ihany ny mpizaha tany rehefa avy nitsidika azy. Tena tsara raha ny ilany atsimo amin’ny Reniranon’i Tage no arahina rehefa mody. Rehefa hilentika mantsy ny masoandro, dia mandefa taratra mampamirapiratra an’ilay tanàna. Toa miverina amin’ny hakantony taloha indray àry ireo trano lehibe sy zavatra miavaka any Tolède!

[Efajoro/​Sary, pejy 17]

IREO KOLONTSAINA TELO ANY TOLÈDE

Nizara ho faritra telo i Tolède, tamin’ny Moyen Âge: ny an’ny Katolika, Jiosy, ary Silamo. Samy nanana ny lalàny sy ny fombany avy izy ireo. Lasa toerana falehan’ny mpizaha tany izao, ny sasany amin’ny toeram-pivavahan’izy ireo taloha.

➤ Mosquée efa tamin’ny taonjato fahafolo, atao hoe Cristo de la Luz. Ahitana tsara ny rafitra biriky fanaon’ireo Silamo mpanao asa tanana. Silamo mpanankarena no nipetraka tao amin’ny faritra nisy azy io, taloha.

➤ Misy synagoga roa efa tamin’ny Moyen Âge any Tolède, manaporofo fa nisy Jiosy maro tany. Ampahatelon’ny mponina izy ireo taloha. Lasa fiangonana katolika ireo synagoga ireo. Antsoina hoe Santa María la Blanca ilay voalohany, ary misy andry maro voaravaka ao anatiny, toy ilay mosquée etsy ambony. Antsoina hoe El Tránsito (afovoany) kosa ny iray, izay lehibe kokoa. Tranombakoka momba ny kolontsaina jiosy izy io izao.

➤ Katedraly lehibe indrindra eto Espaina. Nanomboka tamin’ny taonjato faha-13 ny fanorenana azy io, ary 200 taona mahery vao vita.

[Efajoro/​Sary, pejy 18]

SABATRA SY BISIKOỲ HAFAKELY

Efa 2 000 taona mahery no nanamboatra sabatra ny mpanefy any Tolède. Malaza ho misy vy tsara mantsy any. Samy nampiasa an’ireny sabatra ireny, ny tafiky ny Jeneraly Hannibal sy ny miaramila romanina. Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nanisy haingony ny sabatra sy fiadiana namboariny ireo Silamo mpanefy. Santionany amin’izany ilay eto amin’ny sary. (Jereo ny lahatsoratra hoe “Vy Voaravaka Volamena”, ao amin’ny Mifohaza! [frantsay] tamin’ny 22 Janoary 2005.) Ahitana sabatra isan-karazany sy fiadiana hafa, any amin’ny ankamaroan’ireo fivarotana fahatsiarovana any Tolède. Tsy dia misy mampiasa amin’ny ady intsony izy ireny fa amin’ny filma sisa, na atao fahatsiarovana fotsiny.

Bisikoỳ mahazatra any Tolède koa ny massepain, vita amin’ny amandy sy siramamy ary tapotsin’atody. Efa nisy hatramin’ny fotoana nandresen’ny Arabo an’ilay tanàna izy io. Betsaka ny amandy nambolena teto Espaina rehefa tonga ny Silamo. Tsy nisy anefa ny siramamy, izay tena nilaina mba hanaovana ilay bisikoỳ. Nambolena fary àry tany amin’ny faritra atsimon’i Espaina, nandritra ny 50 taona nanjakan’ny Silamo. Lasa nampiavaka an’i Tolède ilay bisikoỳ, tamin’ny taonjato faha-11, ary nanjary be mpitia. Misy fivarotana tsy ahitana afa-tsy massepain, izay matetika no miendrika sariolona kely. Tsy azo lazaina hoe tena nitsidika an’i Tolède ianao, raha tsy nanandrana an’ireny bisikoỳ kely matsiro be ireny!

[Sary nahazoan-dalana]

Agustín Sancho

[Sarintany, pejy 16]

(Jereo ny gazety)

PORTOGALY

ESPAINA

Madrid

Tolède

[Sary, pejy 18]

Tetezan’i San Martin