Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampy ve ny Manao Izay Heverinao fa Tsara?

Ampy ve ny Manao Izay Heverinao fa Tsara?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Ampy ve ny Manao Izay Heverinao fa Tsara?

“MIEZAKA manao ny tsara foana aho eo amin’ny fiainako, raha mbola azoko atao”, hoy ny tovovavy iray atao hoe Allison. Mihevitra izy fa izany ihany no takin’Andriamanitra aminy, ary maro no miombon-kevitra aminy.

Misy indray mino fa tsy mampaninona an’Andriamanitra na dia manota be aza izy, raha mbola manao zavatra tsara ihany. Mihevitra izy ireo fa tia mamela heloka Andriamanitra, fa tsy tonga dia manameloka.

Marina aloha fa samy manana ny amaritany ny hoe manao ny tsara ny tsirairay. Inona anefa no lazain’ny Baiboly? Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra? Ahoana izany hoe manao ny tsara, araka ny fihevitr’Andriamanitra?

Ekeo ny tari-dalan’ny Mpamorona

Mpamorona antsika i Jehovah Andriamanitra, ka manan-jo hanome tari-dalana antsika momba ny fitondran-tena. (Apokalypsy 4:11) Manome lalàna sy toro lalana mahakasika ny fitondran-tena sy ny fivavahana izy, ao amin’ny Baiboly. Hoy izy amin’ny vahoakany: “Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko hianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo.”—Jeremia 11:4.

Mila mamantatra ny fitsipik’Andriamanitra sy mampifanaraka ny fiainantsika amin’izany àry isika, raha te hanao izay tsara eo imasony. Eritrereto hoe te ho naman’ny olona iray ianao. Azo antoka fa hofantarinao aloha hoe ahoana no tian’ilay olona hitondrana azy, ary izay mahafaly azy no hataonao avy eo. Asehon’ny Baiboly fa afaka ny ho tonga naman’i Jehovah, toa an’i Abrahama isika, izany hoe mahazo sitraka aminy. (Jakoba 2:23) Ankoatra izany, dia ambony kokoa noho ny antsika ny fitsipik’Andriamanitra. Tsy tokony hanantena àry isika hoe hanova ny fitsipiny izy, mba hifanaraka amin’izay heverintsika fa tsara.—Isaia 55:8, 9.

Tena ilaina ny mankatò

Tsy hankasitrahan’Andriamanitra tokoa ve isika, raha mandika didy heverintsika fa tsy dia zava-dehibe? Misy olona mihevitra fa tsy dia misy dikany loatra ny didy sasany, ka tsy maninona na tsy arahina aza. Tsy misy azo heverina ho tsy dia misy dikany anefa ny lalàn’Andriamanitra. Mariho fa tsy manisy fanavahana ny Baiboly ao amin’ny 1 Jaona 5:3, rehefa milaza hoe: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny itandremantsika ny didiny.” Ho hita fa tena tia an’Andriamanitra isika, raha miezaka mafy mankatò ny lalàny rehetra.—Matio 22:37.

Tsy mitaky ny tonga lafatra i Jehovah. Vonona hamela antsika izy, raha tena manenina noho ny fahadisoantsika isika, ka miezaka mafy tsy hamerina izany intsony. (Salamo 103:12-14; Asan’ny Apostoly 3:19) Tsy mampaninona azy ve anefa raha minia tsy miraharaha lalàna sasany isika, ary mihevitra fa ho voaonitra izany raha mankatò azy amin’ny zavatra hafa isika? Asehon’ny Baiboly fa diso izany fomba fihevitra izany.

Tsy ny didin’Andriamanitra rehetra no nankatoavin’i Saoly mpanjakan’ny Israely, fa nofidifidiny izay harahiny. Nilazana, ohatra, izy rehefa niady tamin’ny Amalekita, fa tsy tokony havelany hisy hiangana ny biby fiompin’izy ireo, fa ‘hovonoiny avokoa.’ Marina fa narahiny ny toromarika sasany. Tsy nankatò anefa izy ka tsy novonoiny “izay tsara indrindra tamin’ny ondry aman-osy sy ny omby.” Nahoana? Mba ho azy sy ny vahoakany.—1 Samoela 15:2-9.

Nanontany an’i Saoly i Samoela mpaminany hoe nahoana no tsy nankatoaviny ny didin’Andriamanitra. Tsy nanaiky ho diso i Saoly ary nilaza fa nankatò izy. Notanisainy ny zavatra tsara nataon’izy sy ny vahoaka. Anisan’izany ny fanolorana fanatitra ho an’Andriamanitra. Hoy i Samoela: “Sitrak’i Jehovah moa ny fanatitra odorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra mihoatra noho ny mihaino ny feon’i Jehovah? He! ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy.” (1 Samoela 15:17-22) Tsy hahonitra ny tsy fankatoavantsika an’Andriamanitra àry ny fanaovantsika fanatitra ho azy na ny fanaovana asa tsara sasany.

Porofon’ny fitiavan’Andriamanitra ny fitsipika omeny

Tia antsika i Jehovah, ka tsy mamela antsika hanombantombana ny fomba hampifaliana azy. Manome tari-dalana mazava tsara momba ny fitondran-tena izy ao amin’ny Baiboly. Hoy mihitsy izy: “Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:21) Samy manana ny heviny momba ny fitondran-tena ny olona, ary mifanipaka izy ireny. Raha isika no hisafidy amin’ireo fomba fihevitra ireo, dia ho sahiran-tsaina sady tsy hahazo antoka hoe iza amin’ireo no tena mety. Tsy izany kosa no hitranga, raha manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra isika. Afaka matoky koa isika fa mahasoa antsika foana ny tari-dalany, ary ‘mampianatra antsika hahita soa’ izy.—Isaia 48:17, 18.

Inona no loza mety hanjo antsika raha isika ihany no mamaritra ny atao hoe tsara? Nandova ota daholo isika rehetra ka mora resin’ny fitiavan-tena. Mety hamitaka antsika koa ny fontsika. (Jeremia 17:9) Mety ho mora amintsika ny hanamaivana izay takin’Andriamanitra, rehefa heverintsika ho sarotra sy maneritery ilay izy.

Mieritreritra ny hanao firaisana angamba, ohatra, ny olon-droa tsy mpivady. Mihevitra izy ireo fa anjarany ny manapa-kevitra ny amin’izany, satria tsy misy olon-kafa voakasika. Mety ho takany fa tsy mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly izany, nefa mihevitra angamba izy fa tsy mampaninona an’Andriamanitra ny ataony, raha mbola “tsy misy olona iharan’ny voka-dratsiny.” Mety hohajambain’ny faniriany izy, ka hanadino ny maha ratsy ny zavatra ataony sy ny ho vokany. Mampitandrina anefa ny Baiboly hoe: “Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.”—Ohabolana 14:12.

Hita taratra amin’ny lalàn’i Jehovah rehetra ny fitiavany ny olombelona. Asehon’izy ireny koa fa tsy tiany hijaly isika. Tsy nahatonga ny olona ho sambatra kokoa sy hahita fahombiazana, ny fandikana ny fitsipik’Andriamanitra momba ny firaisana sy ny zavatra hafa. Vao mainka aza nanasarotra ny fiainan’ny olona maro ny fanaovana izany. Manampy antsika hanao ny tsara kosa ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra. Tsy hitondra fahavoazana ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa isika, raha manao izany.—Salamo 19:7-11.

Aoka ianao hiezaka mafy hanaraka ny tari-dalan’i Jehovah Andriamanitra, raha tena maniry hanao ny tsara eo imasony. Ho hitanao amin’izay fa ‘tsy mavesatra ny didiny.’—1 Jaona 5:3.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Nahoana isika no tokony hanaiky ny tari-dalan’ny Mpamorona?—Apokalypsy 4:11.

◼ Tsy maintsy mankatò ny didin’Andriamanitra rehetra ve isika?—1 Jaona 5:3.

◼ Nahoana no tsy mety raha isika ihany no mamaritra ny fitsipi-pitondran-tena harahintsika?—Ohabolana 14:12; Jeremia 17:9.

[Sary, pejy 21]

Mitovy amin’ny an’Andriamanitra ve ny fomba fihevitrao momba ny fitondran-tena?