Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Avelao Aho mba Hanompo Anao Jehovah ô!’

‘Avelao Aho mba Hanompo Anao Jehovah ô!’

‘Avelao Aho mba Hanompo Anao Jehovah ô!’

Notantarain’i Danielle Hall

Tia nankany amin’i Bebe aho tamin’ny mbola kely. Nipetraka teo akaikinay izy. Niala sasatra kely izy isaky ny tolakandro. Raha tamin’izay aho no tonga tany, dia niara-nipetraka teo am-pandriana izahay, ary namakiany tantara ara-baiboly aho. Matetika izy no nilaza hoe: “Tadidio foana fa tia anao i Jehovah, ary hikarakara anao foana izy raha tia azy ianao.” Tsy hadinoko mihitsy ireo teniny ireo.

MATY i Bebe tamin’ny 1977, tamin’izaho efa-taona. Vavolombelon’i Jehovah izy, toy ny fianakavian’i Dada rehetra ao Moe, any Aostralia. Nandray tsara ny Vavolombelona i Dada, na dia tsy Vavolombelona aza izy sy Neny. Nifindra tany Tintenbar izahay, tsy ela taorian’izay. Tanàna kely any akaikin’ny morontsirak’i Nouvelle-Galles du Sud izy io. Nivory tsindraindray niaraka tamin’ny Vavolombelona izahay sy Dada ary Jamie, zokiko lahy.

Nisaraka i Dada sy Neny, tamin’izaho valo taona. Niverina tany Moe i Dada, fa izahay sy Jamie kosa niara-nipetraka tamin’i Neny. Tsy liana tamin’ny Baiboly anefa izy, ka tsy navelany hivory izahay. Nalahelo be aho! Nosaintsainiko ilay tenin’i Bebe. Fantatro fa tena tia an’i Jehovah aho, ary te hanompo azy. Nivavaka tamin’i Jehovah àry aho, ary nilaza taminy fa anisan’ny vavolombelony. Nihevitra ny tenany ho toy izany koa i Jamie.

Fitsapana tany an-tsekoly

Nasain’ny mpampianatra nilaza ny fivavahany ny ankizy tao am-pianaranay, mba horaketina an-tsoratra. Nony tonga ny anjaran’i Jamie, dia niteny tamin’ny feo avo sy mazava izy hoe: “Vavolombelon’i Jehovah.” Taitra i Ramose ka nasainy naverin’i Jamie ny valin-teniny. Naveriny tokoa ilay izy, ka hoy i Ramose: “Tsy mino an’izany aho. Mbola hiresaka aminao aho rehefa avy eo.” Rehefa tonga indray ny anjarako, dia niteny mafy koa aho hoe: “Vavolombelon’i Jehovah.” Sosotra izy, ka niantso ny tale.

Hoy ilay tale: “Ity ny taratasy nanoratana ny anaranareo, ary tsy Vavolombelon’i Jehovah izany no nosoratan’ny ray aman-dreninareo ato.” Namaly tamim-panajana izahay hoe: “Ka izany ange ny fivavahanay e!” Tsy niresaka momba izany intsony ilay tale sy ilay ramose.

Noresahiko tamin’ny ankizy ny zavatra kely fantatro tao amin’ny Baiboly. Nentiko tany am-pianarana ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. * Afaka namaky azy io tamin’ny ankizivavy iray mino an’Andriamanitra aho, indraindray. Tsy dia tian’ny ankizy anefa aho, satria niezaka nanaraka ny fitsipika kristianina. Nahatsiaro ho nanirery àry aho indraindray.

Imbetsaka aho no nivavaka tamin’ny foko manontolo, ka lasa tena namako akaiky i Jehovah. Nipetraka teo am-pandriana aho isaky ny avy nianatra, ary notantaraiko taminy tamin’ny an-tsipiriany ny zava-nitranga nandritra ny andro. Nitomany aho matetika. Nitalaho tamin-dranomaso aho hoe: “Avelao aho mba hanompo anao miaraka amin’ny vahoakanao, Jehovah ô!” Maivamaivana foana aho isaky ny avy mivavaka.

Taratasy mampahery

Niverina tany Moe i Jamie, tamin’izaho folo taona, ka tsy nisy nampahery intsony aho. Tamin’izay no nahitako gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tao amin’ilay olona teo akaikinay. Notadidiko ny adiresin’ny biraon’ny sampana hitako tao amin’ilay gazety, ary nody haingana aho mba hanoratra izany. Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’i Aostralia aho. Nohazavaiko ny nanjo ahy ary nangataka fanampiana aho. Tena nanohina ny foko ny valin’ilay taratasy, izay nisy roa pejy. Tsapako fa tena sarobidy amin’i Jehovah aho!

Nampirisika ahy ilay taratasy, mba hanahaka ny finoan’ilay zazavavikely israelita, izay lasa andevon’i Namàna, komandin’ny miaramila syrianina. Nifandray tsara tamin’i Jehovah Andriamaniny foana izy, na dia babo tany an-tany lavitra aza. Sahy niresaka ny finoany izy, ka hita fa tena vavolombelon’i Jehovah.—2 Mpanjaka 5:1-4.

Hoy koa ilay taratasy: “Mbola kely ianao, ka tokony hankatò ray aman-dreny, ary hianatra tsara any an-tsekoly. Efa fanompoana an’i Jehovah izany. Mila mifandray akaiky amin’i Jehovah koa ianao, ka hivavaka aminy sy hianatra Baiboly.” Nifarana toy izao ilay taratasy: “Tadidio foana, ry Danielle, fa eo anilantsika foana i Jehovah, na aiza na aiza misy antsika. Matoky izahay fa mino izany ianao.” (Romanina 8:35-39) Mbola voatahiry ao anatin’ny Baiboliko io taratasy io, na dia efa tonta sy misy simba aza. Mirotsaka foana ny ranomasoko isaky ny mamaky azy io.

Nahazo taratasy hafa aho, taoriana kelin’izay. Voalaza tao fa nataon’i Dada izay hahazoako gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tamin’ny alalan’ny paositra. Faly be aho! Nahazo sakafo ara-panahy tsy tapaka aho. Novakiko hatramin’ny farany izay gazety tonga. Mbola voatahiriko ao ireo gazety azoko voalohany. Nanomboka nitsidika ahy koa ny anti-panahy iray tao amin’ny fiangonana teo an-toerana. Tena nampahery ny fitsidihany, na dia fohy aza.

Afaka nandroso aho

Ny hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ny fiangonana ihany anefa no tena faniriako. Nangataka tamin’i Neny àry aho, rehefa feno 13 taona, mba hifindra any amin’i Dada. Tena tiako i Neny sady tia ahy, kanefa tapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra aho. Niverina tany Moe aho, ary nianatra Baiboly niaraka tamin’ny fiangonana. Navelan’i Dada hanatrika ny fivoriana rehetra izahay sy Jamie. Nanao ezaka manokana ny Vavolombelona teo an-toerana mba hanampiana anay mianadahy. Nandroso haingana izahay ary natao batisa. Nifanelanelana volana vitsivitsy monja ny batisanay. Nivaly ny vavaka nataoko tamin’ny mbola kely. Nanompo an’i Jehovah niaraka tamin’ny vahoakany ihany aho!

Nifandray be tamin’i Dadatoa Philip Taylor sy Nenitoa Lorraine aho. Tao amin’ny Fiangonana Moe koa ry zareo. Nentiny toy ny zanany aho. Faly erỳ aho rehefa nasain’izy ireo hiaraka taminy ho any amin’ny nosy Bougainville, Papouasie-Nouvelle-Guinée. Nila mpitory maro kokoa mantsy tany. Navelan’i Dada sy Neny handeha aho, na dia vao 15 taona monja aza.

Mbola mpianatra aho, ka nanohy ny fianarako tamin’ny alalan’ny fifanoratana. Nandeha nitory aho rehefa tsy nianatra lesona. Faly be aho fa afaka nanompo niaraka tamin’ny mpisava lalana sy misionera! Tena nanetry tena ny mponina tany, ary maro no nanaiky hianatra Baiboly.

Nipoaka ny ady tamin’ny faramparan’io taona io, noho ny olana ara-politika. Tsy afaka nijanona tany intsony aho, ka niverina tany Aostralia. Nalahelo be aho rehefa nandao an’io nosy kely io sy ireo olona tsara fanahy tao. Nanofahofa tanana i Dadatoa Philip, rehefa niainga ny fiaramanidina kely nitondra ahy. Nigogogogo nitomany aho, ary nivavaka tamin’i Jehovah mba havelany hanompo any an-tany hafa, indray andro any.

Valim-bavaka hafa

Niofana tao amin’ny birao iray momba ny lalàna aho, rehefa vita ny fianarako teny amin’ny lise. Nanambady indray i Dada, ary efa manan-janaka maro ilay vadiny. Nifindra tany amin’i Neny i Jamie. Izaho kosa nivezivezy teo ka sahirana be. Nila nanatsotra ny fiainako aho, mba hanatratrarako ny tanjoko. Nanao mpisava lalana maharitra tany Moe àry aho, nanomboka tamin’ny 1994.

Nahita fifaliana indray aho! Tia manompo daholo ireo tanora namako teo anivon’ny fiangonana, ary tena nampahery ahy izy ireo. Lasa vadiko ny iray tamin’izy ireo, tamin’ny 1996. Will no anarany, ary tsara fanahy sy manetry tena izy sady malefadefa-piteny. Tena fanomezana avy amin’i Jehovah izy!

Nanomboka nahay niara-niaina izahay, ary toy ny hoe efa feno ny fifalianay. Nanompo niaraka tamin’ny mpiandraikitra mpitety faritany anefa i Will, indray andro. Nony tonga tao an-trano izy, dia nasainy nipetraka aho, ka hoy izy: “Tianao ve raha manampy fiangonana hafa isika?” Tena tiako izany, nefa mbola nanontany aloha aho hoe: “Aiza? Any Vanuatu sa Fidji?” Namaly izy hoe: “Morwell.” Raha vao nandre izany aho dia nilaza hoe: “Hay ve etsy akaiky etsy e!” Niara-nihomehy izahay, ary tapa-kevitra fa hifindra tao amin’ilay fiangonana teo akaikinay.

Faly sady nahita vokatra izahay, tamin’izahay nanompo tao Morwell nandritra ny telo taona. Nisy zavatra tsy nampoizinay indray tamin’izay. Nasain’ny biraon’ny sampan’i Aostralia hanao mpisava lalana manokana izahay. Taiza hoy ianareo? Timaoro Atsinanana! Firenena kely ao amin’ny vondronosin’i Indonezia izy io. Nanganohano ny ranomasoko. Nisaotra an’i Jehovah aho, satria namaly ny vavaka rehetra nataoko izy. Tsy vitan’ny hoe navelany hanompo azy aho, fa mbola navelany hanompo any amin’ny firenen-kafa koa izahay mivady.

Fanompoana any an-tany hafa

Tonga tao Dili renivohitra izahay tamin’ny Jolay 2003. Ny Fiangonana Dili ihany no fiangonana tao amin’io tany io. Mpisava lalana manokana 13 avy any Aostralia, sy Vavolombelona teratany vitsivitsy no tao. Mahantra be ireo Vavolombelona eto Timaoro Atsinanana. Maro no namoy ny havany sy ny fananany tamin’ny ady an-trano naharitra 24 taona, izay nifarana tamin’ny 1999. Maro koa no niaritra ny fanoheran’ny havany, noho izy lasa Vavolombelona. Manana finoana matanjaka sy falifaly foana anefa izy ireo.—Apokalypsy 2:8, 9.

Matahotra an’Andriamanitra sy manaja Baiboly ny ankamaroan’ny mponina eto. Tsy ela dia tsy arakay intsony ny fampianarana Baiboly azonay. Natao batisa ny sasany tamin’ireo olona nampianarinay Baiboly voalohany, tatỳ aoriana. Faly be izahay nahita ny fandrosoan’izy ireo!

Niverina indray ny korontana, tamin’ny 2006. Lasa ady mangotraka ny disadisa teo amin’ireo foko samy hafa. Maro ny trano voaroba sy may tanteraka. Nialokaloka tany amin’ireo mpisava lalana manokana ny Vavolombelona teo an-toerana. Lasa tobin’ny mpitsoa-ponenana ny trano sy ny tokotaninay. Efa nahatratra zato mihitsy aza ny olona niara-nipetraka taminay! Malalaka be ny garazinay, ka natao lakozia sy toerana fisakafoana ary Efitrano Fanjakana vonjimaika.

Na dia nipoapoaka aza ny basy sy ny grenady, dia nilamina kosa ny tao aminay. Tsapanay rehetra fa niaro anay i Jehovah. Nandinika andinin-teny tao amin’ny Baiboly izahay isa-maraina, ary tsy niova ny fotoam-pivoriana. Nampianatra Baiboly an’ireo olona liana koa izahay.

Hitanay, tatỳ aoriana, fa mety hahita loza ireo Vavolombelona avy atỳ atsinanana, raha mijanona ao Dili. Tapa-kevitra àry ireo anadahy tompon’andraikitra fa hasiana antoko-mpitory eto Baucau. Eto no tanàna faharoa lehibe indrindra eto Timaoro Atsinanana, ary adiny telo avy ao Dili raha mandeha fiara miatsinanana. Nafindra tatỳ àry izahay mivady.

Tonga teto Baucau izahay tamin’ny Jolay 2006, izany hoe telo taona taorian’ny nahatongavanay teto Timaoro Atsinanana. Vavolombelona teratany enina sy mpisava lalana manokana efatra izahay no eto. Namoy ny fananany rehetra ireo Vavolombelona teratany, kanefa mbola mitsikitsiky foana. Tena mahafinaritra anay ny mahita azy ireo tsy mivadika sy mahafoy tena.

Mbola manompo eto Baucau izahay mivady. Tena tianay ny fanompoanay eto, ary mbola heverinay ho fitahiana avy amin’i Jehovah izany. Rehefa mitodika ny lasa aho, dia hitako fa marina ny tenin’i Bebe. Tena nikarakara ahy i Jehovah nandritra ny taona maro. Voninahitra tokoa ny manompo azy miaraka amin’ny vahoakany! Misaotra an’i Jehovah foana aho satria navelany hanompo azy. Tsy andriko koa ny hihaona amin’i Bebe, rehefa hatsangana amin’ny maty izy. Hisaotra azy aho amin’izay fotoana izay, satria izy no nanoro ahy ny fomba ananana fiainana tena mahafa-po sy mahasambatra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 26]

Izahay sy Bebe

[Sary, pejy 28, 29]

Izahay mivady