Helodrano Shark Valan-javaboary Hafakely
Helodrano Shark Valan-javaboary Hafakely
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA
HELODRANOMASINA midadasika sady tsy dia lalina ny Helodrano Shark. Any andrefan’i Aostralia no misy azy io, ary 650 kilaometatra eo ho eo any avaratry ny tanànan’i Perth. Tonga tany ilay Holandey mpikaroka tany vaovao atao hoe Francois Pelsaert, tamin’ny 1629, ary nantsoiny hoe “tany ngazana sy voaozona” io tany efitra io. Ireo mpitsidika hafa kosa niantso azy io hoe Toerana Tsy Misy Antenaina, Helodrano Tsy Misy Ilana Azy, Helodrano Mandiso Fanantenana.
Olona 120 000 mahery, isan-taona, anefa izao no mitsidika azy io. Tena miavaka ny hakanton’io toerana mitokana io, ka nampidirina ho anisan’ny Lova Iraisam-pirenena, tamin’ny 1991. *
Toerana feno zavaboary
Ho nahita toerana rakotra ahi-maitso i Pelsaert, raha mba nijery ny tao ambanin’ilay ranomasina. Io mantsy no ranomasina be karazan-javamaniry indrindra eto an-tany. Io koa no ranomasina misy faritra rakotra ahi-maitso midadasika indrindra, satria maherin’ny 4 000 kilaometatra toradroa izany raha atambatra. Ny faritra misy ahi-maitso ao Wooramel fotsiny no efa mahatratra 130 kilaometatra, manaraka ny ilany atsinanan’ny Helodrano Shark.
Ireo zavamaniry mamelana hita ao amin’io ranomasina io no iveloman’ireo biby maro be ao. Hita ao ny zanaka makamba, trondro madinika, ary biby hafa tsy hita isa. Misy karazana lambondriaka goavana iray koa ao. Miisa 10 000 eo ho eo izy ireo ary ampy hohanin’izy ireo tsara ny ahi-maitso ao. Biby mampinono tsara fanahy sy tia karokaroka izy io. Mety hahatratra 400 kilao ny lanjany, ary matsokotsoko ny rambony. Miara-miraoka ahitra izy ireo, ary mahatratra 100 mahery ny andiany iray, indraindray. Ny faritra avaratr’i Aostralia, manomboka eo amin’ny Helodrano Shark, any andrefana, ka hatrany amin’ny Helodrano Moreton, any atsinanana, angamba no tena be an’io karazana lambondriaka io, eto an-tany.
Antsantsa no dikan’ny hoe shark amin’ilay hoe Helodrano Shark. Mety tsara io anarana io, satria ahitana antsantsa maro be ao ary misy
karazany 12 mahery izy ireo. Anisan’izany ny antsantsa tigra. Ao koa ny antsantsa trozona, izay tsy mampidi-doza na dia goavam-be aza. Io no trondro ngeza indrindra. Misy feso koa ao, ka hita fa tsy marina ilay filazana hoe tsy misy feso ny rano misy antsantsa. Hitan’ny mpikaroka fa misy holatra vokatry ny fanafihan’ny antsantsa ny 70 isan-jaton’ny feso ao. An’arivony ny trozona misy trafo mandalo ao isan-taona, rehefa hody any amin’ny Tendrontany Atsimo. An’arivony koa ny soka-dranomasina tonga ao isan-taona, mba hanatody eny amin’ny torapasika.Tena vato ve ireo?
Tsy mitovy amin’ny faritra hafa ao amin’ny Helodrano Shark i Hamelin Pool, fa toa tsy misy zavamananaina sady tsy manintona. Eo amin’ny farany atsimo amin’ilay helodranomasina no misy azy io. Avo roa heny noho ny sira ao amin’ny ranomasina hafa ny sira ao, satria lasa etona ny ankabetsahan’ny rano ao aminy. Misy toy ny vato miloko volon-davenona eny amoron’ilay rano. Tsy vato anefa izy io rehefa jerena akaiky, fa fitambarana ahidrano bitika dia bitika miloko manga manopy maitso. Efa ho 3 000 tapitrisa isaky ny iray metatra toradroa ny isan’izy ireo!
Mamoaka dity izy ireo. Afangarony amin’ny zavatra avy amin’ny ranomasina izany ka lasa simenitra. Ampitomboiny tsikelikely izany ka lasa sosona maromaro, ary eo amboniny izy ireo no mipetraka. Miadana be ny fitrangan’izany, satria eo amin’ny 1 000 taona eo ho eo vao mahatratra 30 santimetatra ny hateviny!
Ao Hamelin Pool no misy an’io karazana “vato” io be indrindra sy maro karazana indrindra. Ao koa ireo ahidrano mpanamboatra azy io no tena voaro.
Ny tena mampahalaza ny Helodrano Shark
Ny feso lava vava no tena mampahalaza azy io. Any Monkey Mia, morontsiraka eo amin’ny Saikinosy Denham, no tena ahitana azy ireo. Manatona ny moron-dranomasina izy ireo, satria tia mifandray amin’ny olona. Vitsy ihany ny toerana ahitana an’izany eto an-tany. Tsy tena fantatra anefa ny fotoana niandohan’io fifandraisana io.
Misy milaza fa efa fanaon’ny feso any ny mandroaka trondro ho eny amoron-drano, nanomboka tamin’ny 1950. Mety ho nohararaotin’ny olona izany mba hamahanana azy ireny sy hifaneraserana taminy. Tamin’ny 1964, dia nisy vehivavy mpanjono teo an-toerana nanipy trondro ho an’ny feso iray nilalao teo akaikin’ny lakany. Niverina izy io ny ampitso hariva ary nihinana
trondro iray natolotr’ilay vehivavy azy mivantana. Nantsoin’ny olona hoe Charlie io feso io. Nitondra namana i Charlie tsy ela taorian’izay.Efa 40 taona mahery izay ny feso any Monkey Mia, no nampifalifaly mpitsidika an-tapitrisany. Faly mandinika azy ireo koa ny mpikaroka momba ny zavamananaina. Mpikaroka 100 mahery avy amin’ny faritra maro no efa tonga tany. Ny feso any àry no tena nanaovana fandinihana be indrindra amin’ireo feso maneran-tany.
Mila ho isa-maraina izao ireo feso ireo no tonga any Monkey Mia, ary matetika no miaraka amin’ny zanany. Mpitsidika maro be no miandry ny fahatongavany, fa vitsy ihany no afaka mamahana. Nahoana? Tsy tian’ny mpiambina ho zatra toloram-potsiny izy ireo. Afaka mahita tsara ny famahanana azy ireo anefa ny rehetra. Hoy ny vehivavy iray: “Raha mba ny biby rehetra mantsy no azo ifandraisana tsara toy izao!”
Hita taratra amin’izany faniriana izany ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany. Tian’Andriamanitra hiara-miaina amim-piadanana mantsy ny olona sy ny biby rehetra. (Genesisy 1:28) Marina fa tsy tanteraka ny fikasan’Andriamanitra, noho ny fahotana. Ho faly anefa ianao raha tia biby, satria ho tanteraka izany rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy io dia fitondram-panjakana any an-danitra tarihin’i Jesosy Kristy.—Matio 6:9, 10; Apokalypsy 11:15.
Ho feno zavaboary kanto ny tany manontolo, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy harary na ho simbasimba izy ireny amin’izay. Mbola ho betsaka noho ny ankehitriny amin’izay ny zavatra hahafinaritra ny olona, any amin’ny toerana maro toy ny Helodrano Shark.—Salamo 145:16; Isaia 11:6-9.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Ampidirin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina ho anisan’ny Lova Iraisam-pirenena ireo toerana miavaka noho ny tantarany na ny zavaboary ao aminy.
[Sarintany, pejy 15]
(Jereo ny gazety)
AOSTRALIA
HELODRANO SHARK
[Sary, pejy 16, 17]
Morontsirak’i Monkey Mia, sary nalaina avy eny ambony fiaramanidina
[Sary, pejy 16, 17]
Karazana lambondriaka
[Sary nahazoan-dalana]
© GBRMPA
[Sary, pejy 16, 17]
Karazana vato namboarin’ny ahidrano
[Sary, pejy 17]
Feso mandalo ao Monkey Mia
[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]
© GBRMPA; sarintany nalaina tamin’ny satelita: Jeff Schmaltz, MODIS Rapid Response Team, NASA/GSFC
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Avy amin’ny Tourism Western Australia ny sary rehetra, ankoatra ilay karazana lambondriaka