Mahatalanjona ny Volom-borona
Mahatalanjona ny Volom-borona
KOPAK’ELATRA indray mandeha monja dia efa mampiainga ny varevaka. Raha vao tafainga izy, dia manidina miakatra ary somary mihodina, nefa toa tsy mampiasa hery firy. Rehefa tonga eny amin’ny habakabaka izy, dia ahitsiny kely fotsiny ny fipetraky ny elany sy ny rambony, ka mahavita mijanona eo amin’ny toerana iray izy, ary zara raha mihetsika. Vitany tsara ireo rehetra ireo, nefa tsy sahirana akory izy. Nahoana? Noho ny volony.
Tsy misy biby manana volo mitovy amin’ny an’ny vorona eto an-tany. Misy karazany maromaro ny volom-borona. Eo ireo volo ivelany indrindra, izay manarona saika ny faritra rehetra amin’ny vatany. Milamina tsara izy ireny, ka tsy sarotra amin’ny vorona ny mamakivaky ny rivotra. Ahitana an’io volo io eo amin’ny elatra sy ny rambon’ny vorona, ary tena ilainy izany mba hahafahany hanidina. Tsy manana afa-tsy 1 000 latsaka amin’izy io ny kôlibria. Ahitana 25 000 mahery amin’izy io kosa ny gisabe.
Mahatalanjona ny nanamboarana ny volom-borona. Mora miforitra nefa tena matanjaka ny tahobeny. Misy tsiratsiraka maniry eo amin’izy io. Maro mitandahatra ireny tsiratsiraka ireny ary malamalama rehefa mitambatra. Ahoana no mampitambatra azy? Samy manana rantsana madinika an-jatony ny tsirairay aminy, ary mifampiraikitra izany. Atambatry ny vorona amin’ny vavany ireo tsiratsiraka rehefa misaratsaraka. Afaka manao toy izany koa ianao rehefa mahita volom-borona mikorontana. Tazòny ilay izy, ary alamino moramora amin’ny rantsantananao roa.
Raha ny volo eo amin’ny elatra no dinihina, dia mivelatra kokoa ny eny amin’ny fotony noho ny eo amin’ny lohany. Toy ny elatra kely mihitsy àry ny tsirairay aminy. Raha maka volon’elatra lehibe kokoa indray ianao ka mijery izany akaiky, dia hahita toy ny tatatra kely ao ambadiky ny tahobeny. Io tatatra tsotra io no mahatonga ilay tahobe tsy ho folaka na dia rehefa miforitra sy miolana aza.
Maro be ny asan’ny volom-borona
Ahitana volo kely sy volo mamovoka eny anelanelan’ireo volo ivelany indrindra. Voalaza fa misy selam-pitatitra ao amin’ny fototr’ireo volo kely, ka manampy an’ilay vorona hahafantatra raha misy zavatra manelingelina ny volony. Mety hanampy azy hamantatra ny hafainganam-pandehany eny am-panidinana mihitsy aza ireo selam-pitatitra ireo. Ahoana kosa ny amin’ireo volo mamovoka? Io volo io ihany no tsy mihintsana mihitsy fa maniry foana. Potika ny tsiratsiraka eo aminy rehefa ela ny ela, ka lasa vovo-javatra manify, ary io no voalaza fa miaro ny volom-borona tsy ho tantera-drano.
Miaro ny vorona amin’ny hafanana sy ny hatsiaka ary ny taratra manimba avy amin’ny masoandro koa ny volony. Toa mahazo aina tsara, ohatra, ny ganaganan-dranomasina any amin’ny Ila Bolantany Avaratra, na dia mamirifiry be aza ny rivotra. Nahoana? Tsy tanteraky ny hatsiaka firy ny volony ivelany indrindra. Misy volo malefaka toy ny landihazo koa ao ambanin’ireo volo ireo. Mety hahatratra 1,7 santimetatra ny hateviny, ary saika rakotra azy avokoa ny vatan’ilay ganagana. Tena mafana ireo volo malefaka ireo ka mbola tsy nisy akanjo mafana vitan’olombelona nahatoraka azy.
Simba ny volom-borona rehefa mandeha ny fotoana, ka mihintsana, ary misy volo vaovao misolo azy. Tsy indray mihintsana ny volo eo amin’ny elatra sy ny rambon’ny ankamaroan’ny vorona, ka afaka manidina foana izy.
‘Tsy misy hokianina mihitsy ny endriny’
Ilana fanomanana be sy fahaizana ny fanamboarana fiaramanidina, raha tiana tsy hampidi-doza izy io. Ahoana kosa ny amin’ny vorona sy ny volony? Milaza ny mpino ny evolisiona fa nivoatra tsikelikely avy tamin-javatra hafa ny volom-borona. Tsy misy taolam-biby fahiny ahafahana manaporofo izany anefa, ka lasa miady hevitra be izy ireo. Milaza ny gazety Vaovao Siantifika (anglisy), fa isaky ny misy ady hevitra ifanaovan’ny mpino ny evolisiona, dia “miziriziry amin’ny heviny” ny sasany na “mifametaka anarana manambany.” “Mafana fo loatra [koa] ireo manam-pahaizana momba ny taolam-biby fahiny.” Taorian’ny fivoriana iray nandinihana momba ny fivoaran’ny volom-borona, dia nitsotra toy izao ny mpikaroka iray mino ny evolisiona: “Tsy nampoiziko mihitsy hoe hiteraka fifandirana mafy sy tsy fahalalam-pomba toy izany ny foto-kevitra momba ny siansa.” Tsy tokony hisy tokoa ny fifandirana toy izany, raha toa ka tena nivoatra tsikelikely ny volom-borona.
Milaza ny boky iray momba ny vorona navoakan’ny Oniversiten’i Yale, fa “tsy misy hokianina mihitsy ny endriky ny volom-borona, ka izany no mahatonga ilay fifandirana.” Rehefa jerena tokoa ny volom-borona, dia hita fa tsy nila fanatsarana mihitsy. ‘Mitovy tanteraka amin’ny volom-borona ankehitriny ny volom-borona tranainy indrindra hita, ka tsy hita izay maha samy hafa azy.’ * Milaza anefa ny mpino ny evolisiona fa avy amin’ny zavatra namontsina teo amin’ny hoditry ny zavamananaina iray fahiny ny volom-borona. Niova tsikelikely, hono, io zavatra namontsina io, ka lasa volom-borona rehefa ela ny ela. Mampianatra koa izy ireo fa nihatsara hatrany ny volom-borona isaky ny nisy taranaka vorona vaovao. Mbola tsy nisy mihitsy anefa volom-borona nahitana fihatsarana toy izany, araka ny voalazan’ilay boky etsy aloha.
Izao no hevitry ny mpino ny evolisiona, raha tsorina: Niova tsikelikely ny volom-borona tao anatin’ny fotoana lava be. Nisy fiovana nitranga foana isaky ny nisy taranaka vaovao. Kisendrasendra fotsiny no nitrangan’ireny fiovana ireny, ary nahatonga ny vorona ho ela velona kokoa ny fiovana tsirairay. Na ny maro amin’ireo mpino ny evolisiona aza anefa dia tsy mino fa toy izany no niforonan’ny volom-borona. Be pitsiny mantsy izy io sady tonga lafatra ny fomba fiasany.
Raha niova tsikelikely tao anatin’ny fotoana lava be koa ny volom-borona, dia tokony ho nisy karazana volom-borona tsara kokoa nipoitra isaky ny taranaka vaovao. Tsy nisy mihitsy anefa izany, fa sombina volom-borona mitovy tanteraka amin’ny ankehitriny no hita. Hoy ihany ilay boky etsy ambony: “Mampalahelo fa tena sarotra amin’ny mpino ny evolisiona ny mahazo ny fomba niforonan’ny volom-borona.”
Tsy ny volony fotsiny no ilainy mba hanidinana
Olana iray monja ho an’ny mpino ny evolisiona ny volom-borona. Mbola eo koa anefa ny faritra rehetra amin’ny vatan’ny vorona izay samy natao hanampy azy hanidina. Maivana sy poakaty, ohatra, ny taolany, ary matanjaka be ny taovam-pisefoany. Misy hozatra manokana koa mibaiko ny elany sy mampikopaka azy ireo. Manana hozatra maromaro afaka mibaiko ny volony tsirairay mihitsy aza izy. Misy selam-pitatitra koa mampifandray ny hozatra tsirairay amin’ny atidohan’ny vorona. Kely ny atidohany nefa tena mahavariana, satria mahay ho azy mibaiko ireo zavatra rehetra ireo tsy misy diso, ary amin’ny fotoana iray ihany. Izany rehetra izany no ilain’ny vorona mba hanidinany, fa tsy ny volony ihany.
Tadidio koa fa avy amin’ny sela bitika iray ny vorona tsirairay. Hita ao anatin’io sela io ny zavatra rehetra momba ny fitomboany sy ny fahaizany, ka afaka manidina izy rehefa mandeha ny fotoana. Fiovana maromaro sendra nitranga nandritra ny fotoana lava be ve no nahatonga izany, ary nisy fihatsarana isaky ny nisy fiovana? Sa kosa nisy Mpamorona faran’izay mahay nanao ny vorona sy ny volony? Tsy izany ve no fanazavana tsotra indrindra sy azon’ny saina ekena indrindra ary mifanaraka indrindra amin’ny siansa? Miteny ho azy ny zava-misy.—Romanina 1:20.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 12 Teo amin’ny zavamananaina iray efa lany tamingana, atao hoe archéoptéryx, no nisy an’io volo io. Lazaina fa anisan’ireo zavamananaina fahiny niova tsikelikely ho biby hafa izy io, ka lasa vorona tamin’ny farany. Tsy eken’ny ankamaroan’ny manam-pahaizana momba ny taolam-biby intsony anefa hoe anisan’ny razamben’ny vorona izy io.
[Efajoro/Sary, pejy 24]
HAY POROFO SANDOKA!
Nisy taolam-biby fahiny nodradradradraina hatraiza hatraiza hoe taolan’ny zavamananaina iray niova tsikelikely ho vorona. Hita anefa tatỳ aoriana fa tsy marina izany. Tamin’ny 1999, dia namoaka lahatsoratra momba an’io zavamananaina io ny gazety Jeografiam-pirenena (anglisy). Voalaza tao fa nanana volo toy ny an’ny vorona sy rambo toy ny an’ny dinôzôro izy io. Nilaza koa ilay gazety fa avy amin’ny dinôzôro io zavamananaina io, ary io no niova tsikelikely ka lasa vorona. Fantatra anefa avy eo fa hay sandoka ilay izy. Taolam-biby roa samy hafa natambatra fotsiny izy io. Mbola tsy nisy mihitsy zavamananaina fahiny voaporofo hoe niova tsikelikely ho vorona.
[Sary nahazoan-dalana]
O. Louis Mazzatenta/National Geographic Image Collection
[Efajoro, pejy 25]
NY MASON’NY VORONA
Miloko marevaka ny vorona sasany. Misy toy ny lokon’ny avana, rehefa tarafin’ny hazavana. Variana ny olona mijery izany. Mbola tsara tarehy kokoa noho ny fahitan’ny olona azy anefa ny fahitan’ny vorona sasany ny namany. Efatra mantsy ny karazana sela ao anaty masony, manampy azy hahita loko. Telo monja kosa ny an’ny olona. Afaka mahita taratra ultraviolet (taratra avy amin’ny masoandro) àry ireny vorona ireny. Tsy mahita izany kosa ny olona. Rehefa mijery azy ireny ny olona, dia mitovy ihany ny fahitany ny lahy sy ny vavy. Rehefa miantefa eny amin’ny vorona lahy anefa ny taratra ultraviolet, dia lasa hafa noho ny lokon’ny vavy ny lokony. Afaka mahita izany fahasamihafana izany izy ireo, ary izany no manampy azy hahita vady.
[Kisary, pejy 23]
(Jereo ny gazety)
Tsiratsiraka
Rantsana madinika
Tahobe
[Sary, pejy 24]
Volo ivelany indrindra
[Sary, pejy 24]
Volo kely
[Sary, pejy 25]
Volo mamovoka
[Sary, pejy 25]
Volo malefaka
[Sary, pejy 24, 25]
Karazana ngovo