Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mba Ampindramo Pensilihazo aza Fady!

Mba Ampindramo Pensilihazo aza Fady!

Mba Ampindramo Pensilihazo aza Fady!

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE

TSY lafo ilay izy, azo ampiasaina avy hatrany ary maivana kely. Azo atao ao am-paosy izy io, tsy mila herinaratra, tsy mitsonika mihitsy, ary azo fafana amin’ny gaoma izay nosoratana taminy. Mampiasa azy io ny ankizy vao mianatra manoratra, ny mpanakanto mamorona sangan’asa, ary ny ankamaroantsika rehefa manoratra kely. Tsy inona izany fa ny pensilihazo. Hita hatraiza hatraiza izy io, ary anisan’ny fitaovana mora indrindra sy fampiasan’ny olona eran-tany. Kisendrasendra no nahitana ny akora nanaovana azy io, tany ambanivohitr’i Angletera. Mahavariana ny tantarany sy ny fivoarany.

Firamainty

Tamin’ny taonjato faha-16, dia nahitana bolongan-javatra mainty hafakely, teny am-pototry ny havoanan’i Borrowdale, any amin’ny faritra avaratr’i Angletera. Hoatran’ny arina ilay izy nefa tsy nirehitra, ary namela soritra mainty mamiratra mora fafana rehefa nanoratana. Somary nisy menaka ilay izy ka nofonosin’ny olona tamin’ny hoditr’ondry na kofehy, arakaraka ny habeny. Tsy fantatra izay nahita hevitra hoe hofonosina hazokely ilay izy. Tonga hatrany Eoropa anefa ny karazana pensilihazo voalohany, taorian’ny 1560.

Tsy ela dia notrandrahina ilay firamainty, ary naondrana mba hamidy tamin’ny mpanao sary. Nampiasaina saika naneran-tany izy io tamin’ny taonjato faha-17. Nanao fanandramana koa ny mpanao pensilihazo, mba hanatsarana azy io. Tsy nisy fangarony sady mora notrandrahina ilay firamainty tany Borrowdale, ka be no nangalatra sy nanao varo-maizina azy io. Namoaka lalàna mba hanasaziana ny mpangalatra àry ny Parlemanta Britanika, tamin’ny 1752. Nogadraina izy ireny na natao sesitany.

Tamin’ny 1779, dia hitan’i Carl Scheele, Soedoà mpahay simia, fa tsy firamainty velively ilay noheverina hoe firamainty. Hay karazan’arina malemy tsy misy fangarony ilay izy. Folo taona tatỳ aoriana, dia nantsoin’i Abraham Werner, Alemà mpandinika ny nofon-tany, hoe grafita na manjarano izy io. Avy amin’ilay teny grika graphein, midika hoe “manoratra” io anarana io. Tsy misy firamainty mihitsy àry ny pensilihazo!

Nivoatra hatrany ny pensilihazo

Ny manjarano avy any Angletera ihany no nampiasain’ny orinasa mpanao pensilihazo, nandritra ny taona maro. Tsy nisy fangarony firy mantsy izy io, ka azo nampiasaina avy hatrany. Ratsy kokoa ny manjarano avy any Eoropa, ka nitady fomba hanatsarana ny pensilihazo ireo orinasa tany. Nampifangaroin’ilay injeniera frantsay atao hoe Nicolas Jacques Conté, ny vovoka manjarano sy ny tanimanga. Nataony lavalava manify ilay izy, ary nodorany tao anaty lafaoro mba ho mafy. Novaovany ny fatran’ny manjarano sy tanimanga, mba hahazoany soratra mainty be na matsatso kokoa. Mbola fampiasa ankehitriny izany fomba izany. Nahazo alalana hivarotra ny zavatra noforoniny i Conté, tamin’ny 1795.

Nahazoam-bola be ny fanamboarana pensilihazo, tamin’ny taonjato faha-19. Toerana maromaro no nahitana manjarano, anisan’izany i Siberia sy Alemaina ary ny Repoblika Tseky ankehitriny. Betsaka ny orinasa nisokatra tany Alemaina sy Etazonia tatỳ aoriana. Nampiasa milina izy ireny, ary namokatra pensilihazo be dia be, ka nihena ny vidiny. Nampiasa pensilihazo koa ny mpianatra, teo am-piandohan’ny taonjato faha-20.

Ny pensilihazo maoderina

An’arivony tapitrisa ny pensilihazo vokarina eran-tany isan-taona. Lasa fitaovana maoderina izy io, mba hanoratana sy hanaovana sary. Azo anaovana tsipika 56 kilaometatra eo ho eo sy anoratana teny 45 000 ny pensilihazo iray. Misy karazana pensilihazo tsy mila ranitina mihitsy. Vy na plastika ny vatany, ary atosika hivoaka araka izay itiavana azy ny manjarano ao anatiny. Akora hafa misy loko isan-karazany kosa no ampiasaina amin’ny pensilihazo miloko, fa tsy manjarano.

Tsy mety lany andro ny pensilihazo nefa tsotra, mafy, mahasoa ary mety amin’izay ilana azy. Na ao an-trano àry ianao, na any am-piasana, dia azo inoana fa mbola hisy foana olona hilaza aminao hoe: “Mba ampindramo pensilihazo, aza fady!”

[Efajoro/​Sary, pejy 13]

AHOANA NO HAMPIDIRANA MANJARANO AO ANATIN’ILAY HAZOKELY?

Afangaro tsara amin’ny rano ny tanimanga sy vovoka manjarano, ary atao ao anaty fantsona kely vita amin’ny vy. Lasa manify toy ny tady kely ilay izy aorian’izay. Avela ho maina izany vao tapahina, ary dorana ao anaty lafaoro. Atsoboka ao anaty menaka sy savoka mahamay ilay izy avy eo. Matetika no vita amin’ny hazo sedera ny vatan’ny pensilihazo, satria mora ranitina izy io. Tsofana ilay hazo ary fisahina mba ho lasa antsasaky ny hatevin’ny pensilihazo ny hateviny. Atao malama ilay hazokely, ary lavahana manaraka ny lavany, ka ampidirina eo ilay manjarano. Apetaka amin’ny lakaoly eo amboniny ny hazokely faharoa izay efa nolavahana ihany koa, ary tsindriana mba hiraikitra tsara. Rehefa maina ny lakaoly, dia tapahina ilay hazo fisaka mba hahazoana pensilihazo be dia be. Omena izay endrika itiavana azy ilay izy avy eo. Kikisana ny sisiny mba halama ary lokoana. Eo vao asiana soratra momba ny mpanao azy sy fanazavana hafa ilay pensilihazo. Azo ampiasaina ilay izy aorian’izay, sady tsy hita akory hoe hazo roa natambatra no nanaovana azy. Misy gaoma indraindray apetaka eo amin’ilay pensilihazo.

[Sary nahazoan-dalana]

Faber-Castell AG

[Efajoro/​Sary, pejy 14]

INONA NO PENSILIHAZO TOKONY HAMPIASAIKO?

Jereo ny litera na tarehimarika eo amin’ilay pensilihazo. Izany no amantaranao hoe mafy na malemy ilay manjarano. Ny manjarano malemy kokoa no manome soratra mainty kokoa.

HB: manjarano antonony ny hamafiny, azo ampiasaina amin-javatra maro.

B: manjarano malemy kokoa. Mety hisy tarehimarika miaraka aminy, toy ny hoe 2B na 6B. Izay misy tarehimarika lehibe kokoa no malemy kokoa.

H: manjarano mafy kokoa. Misy koa ny hoe 2H, 4H, 6H, sy ny sisa. Izay misy tarehimarika lehibe kokoa no mafy kokoa.

F: manify kely ny soratra.

Mety ho hafa noho ireo ny famantarana ny pensilihazo any amin’ny tany sasany. Nomerao, ohatra, no ampiasaina any Etazonia, ka ny 2 no mifanitsy amin’ny HB. Izay pensilihazo misy nomerao lehibe kokoa no mafy kokoa.