Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Aho no Ailikiliky ny Olona Foana?

Nahoana Aho no Ailikiliky ny Olona Foana?

Manontany ny Tanora Hoe...

Nahoana Aho no Ailikiliky ny Olona Foana?

“Hoatran’ny hoe mifalifaly daholo ny olona, mandritra ny faran’ny herinandro, afa-tsy izaho.”—Renee.

“Miaraka daholo ny ankizy rehetra, fa ianao avelany eo!”—Jeremy.

TSARA ny andro, nefa ianao tsy mba misy hatao toy ny olon-drehetra. Lasa nandehandeha ny namanao rehetra, fa ianao tsy mba nentiny! Efa mateti-pitranga izany.

Tena kivy ianao rehefa tsy mba asain’ny hafa hiaraka aminy. Vao mainka malahelo ianao satria lasa mieritreritra hoe: ‘Misy zavatra tsy mety angamba amiko. Nahoana no tsy tian’ny olona ny miaraka amiko?’

Nahoana no mahakivy ilay izy?

Ara-dalàna raha irintsika ny hiaraka amin’ny hafa sy horaisina tsara, ary mahasoa antsika izany. Hoy i Jehovah momba an’i Adama, talohan’ny namoronany an’i Eva: “Tsy tsara raha irery ralehilahy.” (Genesisy 2:18) Mila namana àry ny olona, araka ny namoronan’Andriamanitra azy. Izany no mahatonga antsika ho tena kivy rehefa ailikiliky ny olona.

Vao mainka ianao kivy raha mitranga matetika ilay izy, na ataon’ny ankizy izay hahatsapanao fa tsy ho afaka ny hitovy aminy mihitsy ianao. Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Marie: “Misy tanora mahay zavatra tsara be, dia ry zareo ihany no minamana. Ataony tsapanao hoe tsy tiany hiaraka aminy ianao satria tsy mahavita azy.” Lasa mahatsiaro ho ailikilika sy manirery àry ianao.

Indraindray aza ianao tafaraka amin’olona maro, nefa mbola mahatsiaro ho irery ihany. Hoy i Nicole: “Nisy fety nandehanako izay, nefa tena nahatsiaro ho nanirery aho. Toa hafahafa ilay izy, saingy izany no tsapako. Olona maro be mantsy no teo, nefa tsy mba nisy namako tamin’izy ireo.” Misy aza mahatsiaro ho manirery any amin’ny fivoriana na fivoriambe. Hoy i Meagan: “Hoatran’ny hoe mifankahalala daholo ny rehetra, fa izaho kosa tsy mba misy mahalala!” Izany koa no tsapan’i Maria. Hoy izy: “Hoatran’ny hoe misy namana be dia be manodidina ahy, nefa izaho tsy manana namana.”

Mety hahatsiaro ho manirery avokoa ny rehetra, na dia ireo toa sambatra sy mamy hoditra amin’ny olona aza. Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo.” (Ohabolana 14:13) Mety ho kivy tanteraka ny olona manirery, raha tena mafy sy maharitra ilay izy. Hoy ny Baiboly: “Ny alahelon’ny fo mahareraka ny fanahy.” (Ohabolana 15:13) Inona àry no azonao atao raha tsapanao fa malahelo ny fonao?

Reseo ny alahelonao

Andramo ireto soso-kevitra ireto, raha mahatsiaro ho manirery ianao:

Mifantoha amin’ny toetra tsaranao sy ny fahaizanao. (2 Korintianina 11:6) Manontania tena hoe: ‘Inona avy ny zavatra tena haiko sy ny toetra tsara ananako?’ Soraty eto ambany ny sasany amin’izany.

․․․․․

Tadidio ireo zavatra ireo rehefa mahatsiaro ho manirery ianao. Marina aloha fa manana fahalemena ianao, ary tokony hiezaka handresy azy ireny. Aza avela hahakivy tanteraka anao anefa izany, fa tohizo hatrany ny ezaka ataonao. Mbola tsy vitanao avokoa angamba ny zava-drehetra, kanefa misy dingana efa vitanao ihany, ary ireo no ifantohy!

Halalaho ny fonao. (2 Korintianina 6:11-13) Miezaha hifandray amin’ny olona. Mety ho sarotra izany amin’ny voalohany. Hoy i Liz, 19 taona: “Tena mahasadaikatra indraindray ny manatona ankizy maromaro. Mora kokoa anefa raha ankizy iray ihany aloha no arahabaina sy iresahana. Vetivety dia ho lasa naman’izy rehetra ianao.” (Jereo ny efajoro hoe “Manatòna dia Miresaha.”) Ataovy koa izay tsy hahatonga anao hihatakataka amin’ny hafa, ohatra hoe ireo be taona. Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Cori: “Nana-namana efa zokiko lavitra be aho, tamin’izaho 10 na 11 taona. Mpinamana be anefa izahay.”

Mieritrereta olon-dehibe roa eo anivon’ny fiangonanareo, izay tianao ho lasa namanao, ary soraty eto.

․․․․․

Manatòna ny iray amin’izy ireo, amin’ny fivorianareo manaraka. Miezaha manombo-dresaka. Anontanio izy, ohatra, hoe ahoana no nahatonga azy ho liana tamin’ny fahamarinana. Azo inoana fa tsy hahatsiaro ho manirery na halahelo be intsony ianao, raha miezaka hifandray amin’ny “rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.”—1 Petera 2:17.

Aborahy amin’ny olon-dehibe ny ao am-ponao. (Ohabolana 17:17) Mety tsy hanirery loatra ianao, raha lazainao amin’ny ray aman-dreninao na olon-dehibe hafa izay mampanahy anao. Izany no nataon’ny ankizivavy iray 16 taona. Nalahelo be izy tamin’ny voalohany satria nailikiliky ny ankizy. Hoy izy: “Nosaintsainiko indray ilay zava-nitranga nampalahelo ahy. Noresahiko tamin’i Neny ilay izy avy eo, ary natorony ahy izay tokony hatao. Tena manampy ny miresaka an’ilay izy amin’ny hafa!”

Iza àry no azonao iresahana, raha mahatsiaro ho manirery foana ianao?

․․․․․

Hevero ny hafa. (1 Korintianina 10:24) Milaza ny Baiboly fa tokony ‘hanisy fiheverana manokana izay hahasoa ny hafa [isika], fa tsy izay hahasoa ny tenantsika ihany.’ (Filipianina 2:4) Marina fa mora kivy sy malahelo ianao rehefa mahatsiaro ho ailikilika. Tsy aleo ve anefa manampy ny hafa, toy izay hanaiky ho resin’ny hakiviana? Mety hahazo namana vaovao mihitsy aza ianao amin’izany!

Eritrereto izay havanao na olona eo anivon’ny fiangonanareo, ka mila namana hiaraka aminy na hanampy azy indraindray. Soraty eto ambany ny anarany sy izay azonao atao ho azy.

․․․․․

Tsy dia hahatsiaro ho manirery intsony ianao, rehefa mihevitra ny hafa sy manampy azy. Hampiova ny toe-tsainao sy ny fihetsikao izany, ka hahatonga anao ho tian’ny olona hatao namana. Hoy mantsy ny Ohabolana 11:25: “Izay manisy soa olona hohatavezina; ary izay mandena dia mba holemana kosa.”

Mahaiza mifidy namana. (Ohabolana 13:20) Aleo namana tsara vitsivitsy izay tena miahy anao, toy izay namana sandoka maro nefa mety hahitanao loza. (1 Korintianina 15:33) Eritrereto i Samoela ao amin’ny Baiboly, tamin’izy mbola tanora. Mety ho nanirery izy tao amin’ilay tranolay masina. Anisan’ny mpiara-miasa taminy i Hofinia sy Finehasa. Zanaky ny mpisoronabe izy ireo nefa nanao ratsy, ka tsy namana tsara. Ho simba tanteraka ny fifandraisan’i Samoela tamin’i Jehovah, raha nanaraka ny fanaon’izy roa lahy ireo izy! Tsy naniry hanao an’izany mihitsy anefa i Samoela! Hoy ny Baiboly: “Ary Samoela zaza nitombo, sady tian’i Jehovah sy ny olona koa izy.” (1 Samoela 2:26) Olona iza izany? Azo antoka fa tsy i Hofinia sy Finehasa. Nihatakataka taminy aza angamba izy ireo, noho izy nanao ny tsara. Ireo nanaraka ny fitsipik’Andriamanitra kosa no tia azy, satria mendri-piderana ny toetrany. Olona tia an’i Jehovah àry no namana tsara ho anao!

Mijere lafy tsaran-javatra. (Ohabolana 15:15) Mety hahatsiaro ho ailikiliky ny olona isika rehetra indraindray. Inona àry no azo atao? Aza mifantoka loatra amin’izany, fa miezaha mijery lafy tsaran-javatra. Izao no tadidio: Mety tsy ho vitanao ny hifehy ny toe-javatra rehetra eo amin’ny fiainana. Afaka mifehy ny fihetsikao kosa anefa ianao.

Manaova zavatra àry rehefa mahatsiaro ho ailikiliky ny olona ianao. Miezaha, ohatra, manova ilay toe-javatra na, fara faharatsiny, manitsy ny fiheveranao an’ilay izy. Tadidio foana fa mahalala anao i Jehovah, ka fantany izay ilainao sy ny fomba tsara indrindra ahazoanao izany. Lazao aminy ao amin’ny vavaka raha mahatsiaro ho manirery foana ianao. Matokia fa “Izy no hanohana anao.”—Salamo 55:22.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

ERITRERETO IZAO:

◼ Inona no azoko atao raha mahatsiaro ho ailikiliky ny olona aho?

◼ Inona no andinin-teny hanampy ahy hahay handanjalanja, ka tsy ho resin’ny hakiviana?

[Efajoro/​Sary, pejy 12]

Manatòna dia Miresaha

Mitsikia. Ho vonona hiresaka aminao ny olona raha sariaka ianao.

Ampahafantaro ny tenanao. Lazao ny anaranao sy ny toerana niavianao.

Mametraha fanontaniana. Anontanio ny mombamomba ilay olona, nefa aza manao izay hahasadaikatra azy.

Mihainoa. Aza mieritreritra an’izay holazainao manaraka, fa mihainoa aloha. Ho tonga ho azy ny fanontaniana na ny teny manaraka tokony holazainao.

Aoka ianao ho tony. Mety hahazo namana vaovao ianao rehefa miresaka. Andramo àry e!