Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tao Amin’ny Ilanay Azy Mihitsy Ilay Izy!”

“Tao Amin’ny Ilanay Azy Mihitsy Ilay Izy!”

“Tao Amin’ny Ilanay Azy Mihitsy Ilay Izy!”

Izany no nolazain’ny reny iray any Italia, rehefa nahazo an’ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe izy. “Tsy tanako ny ranomasoko”, hoy izy. Nanohy ny teniny izy hoe: “Mbola tsy mahay mamaky teny ny zanako vavikely, nefa manampy azy hitadidy ny hevi-dehibe ireo sary. Manaraka tsara mihitsy izy rehefa mamaky aho, satria toy ny hoe miresaka amin’ny mpamaky ny mpanoratra an’ilay boky. Matetika koa ilay zanako no mamaly ny fanontaniana. Tsy hahita fanomezana tsara toy io izahay!”

Nitantara ny raim-pianakaviana iray any Italia, fa sahiran-tsaina izy sy ny vadiny hoe ahoana no azony anazavana momba ny firaisana amin’ny zanany lahikely. Hoy izy mivady: “Rehefa nivoaka io boky vaovao io, dia tsapanay hoe nahafantatra ny zavatra nampanahy anay Andriamanitra. Nandinika an’ilay boky izahay, ka samy niaiky fa tena handrisika an’ilay zanakay hieritreritra tsara izy io.”

Nanoratra koa ny tovovavy japoney iray, izay nisy nametaveta tamin’ny mbola kely. Nankasitraka an’io boky io izy, ka nilaza hoe: “Nitomany be mihitsy aho, ary nisaotsaotra an’i Jehovah. Manome fanazavana mivantana sy marina tsara, momba ny zavatra mety hanjo ny ankizy amin’izao fotoana feno faharatsiana izao io boky io. Feno hatsaram-panahy ny fomba nanoratana an’ireo fanontaniana, ka mampirisika ny ankizy hilaza ny heviny. Tena manampy ny ankizy ny toko faha-32, mba ho voaro amin’ny olon-dehibe mitady hanisy ratsy azy! Raha mba nanana boky nisy fanazavana mivantana toy izany aho, 20 taona lasa izay, dia ho hafa be noho izao ny fiainako!”

Mitovy velarana amin’ity gazety ity io boky 256 pejy io, sady feno sary tsara tarehy. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.