Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsara Lavitra Noho ny Fahaizana Voajanahary

Tsara Lavitra Noho ny Fahaizana Voajanahary

Tsara Lavitra Noho ny Fahaizana Voajanahary

“Raha samy manao izay tiany fotsiny ny tsirairay eo amin’ny lafiny fitondran-tena, fa tsy misy fitsipika manampy azy hamantatra na mety na tsia ny ataony, dia tsy maintsy hamoaka lalàna hanerena ny olona hanana fitondran-tena tsara ny fanjakana.”—PR. DANIEL CALLAHAN.

TANTERAKA tokoa ankehitriny ny zavatra efa nahian’i Callahan. Mihamaro eran-tany ny olona tsy manana fitsipi-pitondran-tena, hany ka voatery mamoaka lalàna tsy hita isa ny fanjakana mba hampihenana ny heloka bevava. Tamin’ny fihaonam-be voalohany ho an’ny reny nizerianina, dia nilaza ny filoham-pirenen’i Nizeria fa tena mampanahy azy ny hoavin’ny fireneny. Tsy misy ifandraisany amin’ny politika na ny fahantrana anefa ny fanahiany. Hoy izy: ‘Olana goavana kokoa noho izany no atrehintsika. Tsy misy fitsipika mifehy ny fitondran-tena intsony izao ao an-trano, any am-piasana, eo amin’ny fiaraha-monina, ary manerana ny firenena [Nizeria].’

Hita tamin’ny fanadihadiana renim-pianakaviana miisa 1 736 tany Grande-Bretagne, fa “tsy toy ny taloha intsony izao ny tokantrano. Mihatsy manana fitsipika momba ny fitondran-tena ny olona, ary mihamaro ny reny na ray mitaiza irery ny zanany.” Miharatsy haingana koa tato ho ato ny fitondran-tenan’ny olona any Chine. Milaza ny gazety Fotoana (anglisy), fa mbola kely ny Sinoa dia efa manao firaisana, ary vao mainka be dia be ny olona iarahany. Nirehareha erỳ ny ankizivavy sinoa iray fa hoe efa nanao firaisana tamin’olona 100 mahery. Hoy izy: “Fiainako izany, ka mahazo manao izay tiako aho.”

Lasa ratsy fitondran-tena koa ny ankamaroan’ny manam-pahefana. Hoy i Javed Akbar, tao amin’ilay gazety kanadianina hoe Kintan’i Toronto (anglisy): “Tsy heverin’ny olona ho modely eo amin’ny fitondran-tena intsony ny mpitondra.” Hoy ihany izy: “Hita fa tsy vonona hanaraka fitsipika momba ny fitondran-tena intsony” ny mpanao politika sy ny mpitantana orinasa ary na dia ny mpitondra fivavahana aza.

Nahoana no miharatsy fitondran-tena ny olona?

Antony maromaro no mahatonga izany. Tsy tian’ny olona intsony, ohatra, ny mankatò ny fitsipika momba ny fitondran-tena nisy hatramin’ny ela. Nanontaniana ny mpianatry ny lise tany atsimon’i Etazonia, ka ny ankamaroany no nilaza fa “miankina amin’ny olona tsirairay ny atao hoe tsara sy ratsy.”

Niresaka antony hafa ilay mpanoratra momba ny politika, atao hoe Zbigniew Brzezinski. Hoy izy momba ny olona ankehitriny: ‘Izay hahafa-po avy hatrany ny faniriany no tena imasoan’ny olona. Tsy manao zavatra ny tsirairay na ny fiaraha-monina manontolo, raha tsy hahazoany fahafinaretana.’ Marina fa mety hahafinaritra ny olona sasany ny hoe afaka manao izay tiany, sy mangoron-karena, ary manome fahafaham-po ny faniriany rehetra. Tena mahasambatra sy mahafa-po ary mahatonga ny olona iray ho tsara fihavanana amin’ny hafa ve anefa izany?

Hoy i Jesosy: ‘Ny fahendrena dia hamarinin’ny asany.’ (Matio 11:19) Sambatra sy milamin-tsaina kokoa ve ny olona ankehitriny satria tsy misy fitsipika momba ny fitondran-tena mifehy azy? Tsia. Jereo fotsiny ny fahavoazana sasany manjo azy: mitebiteby, vao mainka miahiahy ny namany, na tsy mifankahazo amin’olona. Ny ankizy indray lasa tsy manana ray na reny mitaiza azy. Mihanaka hatraiza hatraiza ny aretina azo avy amin’ny firaisana. Manana anaka tsy nirina ny vehivavy sasany. Tsy lazaina intsony ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny herisetra. Hita avy amin’izany àry fa tsy sambatra velively ny olona tsy manana fitsipika mifehy. Potika kosa ny fiainany ary feno fahoriana.—Galatianina 6:7, 8.

Toy izany koa ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Jeremia, mpaminanin’Andriamanitra. Hoy izy, rehefa nahazo herin’ny fanahy masina: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23) Nataon’Andriamanitra hiankina aminy isika, fa tsy hanapa-kevitra samirery ny amin’izay tsara sy ratsy. Mety hitondra loza mahatsiravina ho antsika ny fitondran-tena heverintsika fa tsara. Hoy ny Ohabolana 14:12: “Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.”

Misy fahavalo ao anatintsika ao!

Nahoana isika no mila tari-dalana eo amin’ny fitondran-tena? Satria mety hamitaka antsika ny fontsika. Hoy ny Jeremia 17:9: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy?” Raha efa fantatrao fa mpamitaka ny olona iray, mbola hatoky azy ve ianao? Mazava ho azy fa tsia! Toy izany mihitsy anefa ny fontsika. Mety hamitaka antsika izy io. Izany no mahatonga an’Andriamanitra hanome antsika ity fampitandremana mivantana nefa feno fitiavana ity: “Izay matoky ny fony dia adala; fa izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala.”—Ohabolana 28:26.

Voalazan’io andinin-teny io ny tokony hataontsika. Tsy lavorary isika, ka tsy tokony hatoky ny fahaizantsika, fa hampihatra ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Hiaro antsika amin’ny olana maro izany. Hahazo an’io fahendrena sarobidy io daholo izay tena maniry hanana azy. Hoy ny Baiboly: “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny.”—Jakoba 1:5.

Matokia an’Andriamanitra “amin’ny fonao rehetra”

Hoy ny Baiboly momba ilay namorona antsika: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” (Deoteronomia 32:4) Toy ny vatolampy lehibe i Jehovah, ka azo atokisana tanteraka fa hanome tari-dalana tsara ara-pitondran-tena sy ara-pivavahana, na inona na inona fiovana mitranga manodidina antsika. Hoy ny Ohabolana 3:5, 6: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.”

Iza tokoa moa no ho afaka hanome tari-dalana tsara kokoa ho antsika noho ny Mpamorona? Hatramin’ny ‘volon-dohantsika’ aza voaisany avokoa! (Matio 10:30) Izy rahateo efa nampiseho fa tena namana be fitiavana, satria milaza ny marina amintsika foana, na dia tsy tantintsika aza indraindray ny mandre izany.—Salamo 141:5; Ohabolana 27:6.

Tsy manery antsika hankatò ny tari-dalany koa i Jehovah. Miangavy antsika kosa izy, ary ataony amim-pitiavana izany. Hoy izy: ‘Izaho, Jehovah no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao.’ (Isaia 48:17, 18) Tsy mahasarika anao ve ny Andriamanitra toy izany? Ankoatra izany, dia nataony mora tadiavina ilay fahendrena avy aminy. Nosoratany tao amin’ny Teniny izany, dia ny Baiboly Masina, ilay boky miely indrindra eran-tany!—2 Timoty 3:16.

Avelao hanazava ny lalanao ny Tenin’Andriamanitra

Hoy ny mpanao salamo momba ny Soratra Masina: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” (Salamo 119:105) Mahita ny zavatra mety hampidi-doza eo akaikintsika isika, rehefa misy fanilo mitsilo ny tongotsika. Mahita lavitra kosa isika, rehefa misy jiro manazava ny lalantsika. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia afaka mitari-dalana antsika eo amin’ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra. Manampy antsika amin’ny toe-javatra rehetra izy io, ka mahatonga antsika hahay handray fanapahan-kevitra tsara sy feno fahendrena, izay mety hisy vokany eo amin’ny fiainantsika ankehitriny na amin’ny hoavy.

Jereo, ohatra, ilay lahateny fohy nataon’i Jesosy, antsoina hoe Toriteny teo An-tendrombohitra, izay hita ao amin’ny Matio toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7. Niresaka foto-kevitra be dia be i Jesosy, toy ny fahasambarana, fitiavana, fankahalana, famindram-po, fitondran-tena, vavaka, fitadiavana harena. Nahasoa ireny fampianarana ireny tamin’ny androny, ary mbola toy izany ihany ankehitriny. Tena feno fahendrena ny teniny, ka “nitolagaga ny vahoaka noho ny fomba fampianarany.” (Matio 7:28) Nahoana raha manokana minitra vitsivitsy mba hamakiana an’io toriteny io? Azo inoana fa hitolagaga koa ianao.

‘Angataho hatrany’ ny fanampian’Andriamanitra

Marina fa tsy mora foana ny manao izay lazain’Andriamanitra fa tsara. Oharin’ny Baiboly amin’ny ady ny ezaka mafy ataontsika mba tsy hanota. (Romanina 7:21-24) Ho vitantsika anefa ny handresy, raha mangataka ny fanampian’Andriamanitra isika. Hoy i Jesosy: “Mangataha hatrany dia homena ianareo, mitadiava hatrany dia hahita ianareo ... Fa izay rehetra mangataka no mahazo, ary izay rehetra mitady no mahita.” (Lioka 11:9, 10) Tsy hanary an’izay rehetra miezaka mafy mandeha eo amin’ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana mandrakizay i Jehovah.—Matio 7:13, 14.

Diniho, ohatra, ny tantaran’i Frank. Mpifoka sigara be izy, tamin’izy vao nanomboka niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa avy namaky ny 2 Korintianina 7:1 anefa izy, dia hitany fa “mandoto ny nofo” io fanaony io, eo imason’Andriamanitra. Tapa-kevitra àry izy fa hiala amin’ny sigara. Tsy mora taminy anefa izany. Mbola nandady nikaroka sisan-tsigara hofohina mantsy izy indray mandeha!

Tonga saina anefa i Frank taorian’ny nanaovany an’io fihetsika nahamenatra io. Tsapany fa efa tena nandevozin’ny sigara izy. (Romanina 6:16) Nivavaka mafy àry izy mba hahazoana ny fanampian’Andriamanitra. Niezaka nifanerasera tamin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah koa izy, mba hahazoana fampaherezana. Resiny ilay fahazaran-dratsiny tamin’ny farany.—Hebreo 10:24, 25.

Henoy ny tari-dalan’Andriamanitra

Maro ny olona niova toa an’i Frank. Hita avy amin’izany fa misy tari-dalana tena tsara momba ny fitondran-tena sy ny fivavahana ao amin’ny Baiboly. Manampy antsika hanana finiavana hanaraka ireny tari-dalana ireny koa ny Baiboly. Tsy mahagaga àry raha nilaza i Jesosy hoe: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.”—Matio 4:4.

Mandray soa maro isika, rehefa manaiky ny fampianarana sarobidy avy amin’Andriamanitra, ka mampihatra izany. Hilamina ny fontsika sy ny saintsika, hifandray tsara amin’Andriamanitra isika, ary ho salama. Hoy ny Salamo 19:7, 8: ‘Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy. Mahitsy ny fandidian’i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso [izany hoe manjary mazava amintsika ny fikasan’Andriamanitra ka lasa manana fanantenana isika].’

Omen’i Jehovah antsika àry ny Teniny, mba hahazoantsika tari-dalana azo itokisana momba ny fitondran-tena, sy hananantsika ny fiainana tsara indrindra dieny izao. Lazainy amintsika koa ny hoavy. (Isaia 42:9) Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa hanana hoavy tsara tokoa izay rehetra mankatò ny tari-dalan’Andriamanitra.

[Efajoro/​Sary, pejy 4, 5]

Misy Mpitari-dalana ao Anatinao

Zava-tsarobidy napetrak’Andriamanitra ao anatin’ny olona rehetra ny feon’ny fieritreretana. Toy ny hoe mitari-dalana na manome fitsipika antsika izy io, satria mampahafantatra antsika raha mety na tsia ny ataontsika. Tsy mahagaga àry raha mitovitovy ny fitsipika momba ny fitondran-tena arahin’ny olona any amin’ny tany sy ny foko rehetra, na taloha na ankehitriny. (Romanina 2:14, 15) Tsy azo ianteherana foana anefa ny feon’ny fieritreretana. Mety hamitaka antsika izy io, raha mino ny fampianaran’ny fivavahan-diso isika na ny filozofia na ny lainga momba ny olon-kafa, na koa manaiky ho voataonan’ny fanirian-dratsy. (Jeremia 17:9; Kolosianina 2:8) Ahoana no hisorohana izany? Indro misy ohatra: Manitsy ny ora amin’ny famantaranandrony ny olona indraindray, raha ilaina izany. Toy izany koa fa mila mandinika ny fitsipika arahintsika eo amin’ny fitondran-tena sy fivavahana isika, ary manitsy izany raha ilaina. Ataontsika izay hifanarahan’izy ireny amin’ny fitsipika marina napetrak’i Jehovah Andriamanitra, ilay “Mpanome lalàna antsika.” (Isaia 33:22) Miova ny fitsipi-pitondran-tena apetraky ny olombelona, rehefa mandeha ny fotoana. Tsy miova mihitsy anefa ny fitsipika tonga lafatra napetrak’i Jehovah. Hoy mantsy izy: “Izaho Jehovah dia tsy miova.”—Malakia 3:6.

[Efajoro, pejy 7]

Te Hahomby sy ho Sambatra ve Ianao?

INONA NO MAHASAMBATRA?

“Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—MATIO 5:3.

“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—ASAN’NY APOSTOLY 20:35.

‘Sambatra izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany!’—LIOKA 11:28.

TIANAO VE NY HATOKISAN’NY OLONA?

‘Milazà ny marina amin’ny namanao.’—EFESIANINA 4:25.

“Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony.”—EFESIANINA 4:28.

“Aoka ho mendri-kaja eo amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady.”—HEBREO 13:4.

TE HIFANDRAY TSARA AMIN’NY HAFA VE IANAO?

‘Izay rehetra tianao hataon’ny olona aminao, dia mba ataovy aminy koa.’—MATIO 7:12.

‘Aoka ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany, ary aoka ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.’—EFESIANINA 5:33.

‘Mahaiza foana mifamela heloka tanteraka.’—KOLOSIANINA 3:13.

AHOANA NO HISOROHANA DISADISA NA HANDAMINANA IZANY?

“Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza.”—ROMANINA 12:17.

‘Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mitana lolompo.’—1 KORINTIANINA 13:4, 5.

‘Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranao.’—EFESIANINA 4:26.