Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Hitanao ve ny Loko Sasany?

Tsy Hitanao ve ny Loko Sasany?

Tsy Hitanao ve ny Loko Sasany?

Hoy i Rodney: “Ny vadiko no mijery raha mifanaraka ny lokon’akanjoko, rehefa miakanjo aho. Izy koa no mifidy ny voankazo hohaniko, satria tsy fantatro izay masaka. Rehefa miasa aho, dia tsy haiko indraindray ny manavaka ireo zavatra hita ao amin’ny ordinatera, satria ny lokony no anavahana azy ireny matetika. Manahirana ahy koa ny jiro mandrindra ny fifamoivoizana, rehefa mitondra fiara aho. Tsy haiko mantsy ny manavaka ny maitso sy mena. Jereko fotsiny izay mirehitra, na ny ambony indrindra na ny ambany indrindra. Tsy hitako anefa izay atao raha mitsivalana ny fipetrak’ilay jiro.”

VOAN’NY aretina iray manimba ny temimaso i Rodney, ka tsy mahita loko sasany. Nifindra avy tamin’ny ray aman-dreniny izy io. Faritra ao anaty maso ny temimaso, ary rehefa misy hazavana izy io no miasa. Eoropeanina no tena voan’io aretina io. Tokotokony ho lehilahy 1 isaky ny 12 sy vehivavy 1 isaky ny 200 no tratran’izy io. * Maro amin’ny olona voan’io aretina io no mahita loko hafa ankoatra ny mainty sy fotsy. Tsy mitovy amin’ny an’ny olona anefa ny fahitany ny loko sasany.

Misy sela boribory kitsoloha ao amin’ny temimaso. Misy karazany telo izy ireo, ary mpamantatra ny loko manga na maitso na mena ny tsirairay aminy. Ireo loko telo ireo no fototry ny loko rehetra. Ahoana, ohatra, no ahitanao ny loko manga? Ny tara-pahazavana avy amin’io loko io no manaitra ny sela mpamantatra loko manga, ary io sela io indray no mampita izany any amin’ny atidoha, ka fantatrao ilay loko. * Tsy mandray an’ilay tara-pahazavana avy amin’ny loko anefa ny sela mpamantatra loko, raha voan’ilay aretina manimba temimaso ny olona iray. Miova àry ny loko hitany. Sarotra amin’ny olona maro voan’io aretina io ny manavaka ny loko mavo, maitso, volondaoranjy, mena ary volontsôkôlà. Tsy hitan’izy ireo àry ny bobongolo maitso, eo amin’ny mofo volontsôkôlà na eo amin’ny fromazy mavo. Tsy hainy koa ny manavaka ny olona manga maso manana volo mavo, amin’ny olona maitso maso manana volo mena. Lasa mainty ny lokon’ny raozy mena, raha tsy miasa tsara ireo sela mpamantatra loko mena. Vitsy amin’ny olona voan’io aretina io, no tsy mahita loko manga.

Voan’io aretina io koa ny ankizy

Manaranaka io aretina io. Efa voan’izy io àry ny ankizy sasany raha vao teraka. Matetika anefa izy ireo no mahay manonitra an’izany ho azy. Na dia tsy hitany aza, ohatra, ny loko mena sy maitso, dia jereny izay antitra kokoa na tanora kokoa, ary izany no anavahany azy. Tsy ny loko koa no amantarany zavatra, fa ny bikany sy ny endriny. Ankizy maro no efa lehibe vao nahalala hoe voan’io aretina io.

Maro ny sekoly mampiasa fitaovana samy hafa loko, mba hampianarana momba ny loko. Mety hisy mpampianatra sy ray aman-dreny hihevitra fa tsy mahay ny ankizikely iray, rehefa diso ny loko ampiasainy. Mety ho tsy nahita loko sasany anefa izy. Nisy ankizilahikely dimy taona, ohatra, nosazin’ny mpampianatra, satria nolokoiny mavokely ny rahona, nataony maitso ny olona, ary volontsôkôlà ny ravinkazo. Mety tsara izany loko izany aminy, satria tsy mitovy amin’ny antsika ny fahitany ny loko sasany. Milaza àry ny mpitondra sasany fa tokony hampanaovina fitsapana matetitetika ny ankizy, mba hahalalana raha hitany ny loko rehetra.

Tsy misy fanafodiny io aretina io, kanefa tsy mihombo na dia mandroso taona aza ilay olona. * Mety hahasorena anefa izy io. Soa ihany fa hanala ny tsy fahalavorariana rehetra i Jesosy Kristy, rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Hahita ny hakanton’ny asan’i Jehovah rehetra ireo olona tsy mahita tsara, amin’izay fotoana izay.—Isaia 35:5; Matio 15:30, 31; Apokalypsy 21:3, 4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Mety ho voan’io aretina io ny karazan’olona rehetra, fa ny fotsy hoditra no tena voany.

^ feh. 4 Biby maro no mahita loko, na dia tsy mitovy amin’ny antsika aza ny fahitany azy. Roa ihany, ohatra, ny karazana sela mpamantatra loko ao amin’ny alika: mpamantatra loko manga sy mpamantatra ny loko eo anelanelan’ny mena sy maitso. Misy karazany efatra kosa ny sela mpamantatra loko, ao amin’ny vorona sasany, hany ka mahita loko tsy hitan’ny olona izy ireo.

^ feh. 8 Mety ho vokatry ny aretina hafa izy io. Tokony hanatona dokotera ianao, raha hitanao fa tsy toy ny taloha intsony ny fahitanao loko.

[Efajoro/​Kisary, pejy 18]

FITSAPANA NY FAHITANA LOKO

Teboteboka miloko isan-karazany mazàna no ampiasaina, mba hamantarana ny loko tsy hitan’ny olona iray. Ny fomba fitsapana noforonin’i Ishihara no tena be mpampiasa. Misy karazany 38 izy io. Kapila telo, ohatra, no ampiasaina amin’ny karazany iray, ary misy tarehimarika ny tsirairay amin’izy ireo. Raha olona mahita tsara no mijery azy io dia tokony ho hitany ny isa 42 sy 74 eo ambony. Ny isa 21 eo amin’ny farany ambany kosa no ho hitan’ireo tsy mahita ny loko mena sy maitso.*

Tokony hanatona mpitsabo maso ny olona iray, raha misy loko tsy hitany. Mety hampanao fitsapana hafa ilay mpitsabo, mba hamantarana raha nanaranaka ilay aretina, na avy amin’ny zavatra hafa.

[Fanamarihana ambany pejy]

Natao hanazavana an’ilay fomba fitsapana fotsiny ny sary eto ankavia. Dokotera matihanina ihany no tokony hanao ny fitsapana.

[Sary nahazoan-dalana]

Kapila fanaovana fitsapana, pejy 18: Reproduced with permission from the Pseudoisochromatic Plate Ishihara Compatible (PIPIC) Color Vision Test 24 Plate Edition by Dr. Terrace L. Waggoner/www.colorvisiontesting.com

[Efajoro, pejy 19]

MARO KOKOA NY LEHILAHY VOA

Ny krômôzôma X no mitondra ilay aretina manimba temimaso. Manana krômôzôma X roa ny vehivavy, fa krômôzôma X iray sy Y iray kosa ny an’ny lehilahy. Raha mitondra an’ilay aretina àry ny krômôzôma X iray ao amin’ny vehivavy, dia mandresy an’ilay aretina ilay krômôzôma X faharoa. Hahita tsara àry ilay olona. Raha mitondra an’ilay aretina kosa ny krômôzôma X ao amin’ny lehilahy, dia tsy misy krômôzôma X hafa mandresy an’ilay aretina.

[Kisary/​Sary, pejy 18]

(Jereo ny gazety)

FOMBA AHITANTSIKA LOKO

Mandalo ao amin’ny tapotsimaso sy ny family ny taratra avy amin’ny zavatra jerentsika, ary tonga ao amin’ny temimaso

Tapotsimaso

Family

Temimaso

Mivadika ilay sary, fa ny atidoha no manitsy azy

NY HOZATRA FITATIJERY no mampita ny zavatra hitan’ny maso any amin’ny atidoha

NY TEMIMASO no misy ireo sela boribory kitsoloha sy sela lavalava, izay manampy antsika hahita

Sela lavalava

Sela boribory kitsoloha

NY SELA BORIBORY KITSOLOHA no mamantatra ny loko

Mena

Maitso

Manga

[Sary]

Mahita tsara

Tsy mahita loko sasany