Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio Hanana Fahazarana Tsara ny Zanakao

Ampio Hanana Fahazarana Tsara ny Zanakao

5

Ampio Hanana Fahazarana Tsara ny Zanakao

Nahoana izany no tena ilaina? Efa manana ny fahazarany ny olon-dehibe. Tsy miova mazàna ny fotoana iasany sy andehanany mivavaka, ary na dia ny fotoana ialany voly aza. Manimba ny zanany ny ray aman-dreny, raha tsy mampianatra azy ireo handamina fotoana sy hanaraka fandaharam-potoana raikitra. Hoy i Laurence Steinberg, mpampianatra psikolojia: “Asehon’ny fanadihadiana fa mahatsiaro ho voaro ny ankizy sady lasa mahay mifehy tena sy matoky tena, rehefa manaraka fitsipika sady manana fahazarana tsara.”

Olana: Hazakaza-dava ny fiainana. Betsaka ny ray aman-dreny miasa mandritra ny ora maro, ka kely sisa ny fotoana hiarahany amin-janany. Tsy tia manaraka fandaharam-potoana koa ny ankizy amin’ny voalohany, ka ilain’ny ray aman-dreny ny mifehy tena sy manana fikirizana raha tiany ny hanampy ny zanany.

Vahaolana: Ampiharo ilay toro lalan’ny Baiboly hoe: “Aoka ny zava-drehetra hatao amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana.” (1 Korintianina 14:40) Ray aman-dreny maro, ohatra, no mametra ny fotoana handehanan’ny zanany hatory, raha mbola kely izy ireo. Tokony hahafinaritra anefa izany fotoana izany. Hoy i Tatiana, mipetraka any Gresy: “Sady manafosafo ny zanako aho no mitantara amin’izy ireo ny zavatra nataoko tamin’izy ireo tany am-pianarana. Avy eo dia avelako izy ireo hitantara ny zavatra nataony nandritra ny andro. Matetika izy ireo no mamboraka amiko izay nitranga.”

Mamaky tantara ho an’ireo zanany roa vavy ireo i Kostas, vadin’i Tatiana. Hoy izy: “Matetika izy mirahavavy no miresaka ny momba azy, rehefa avy milaza ny heviny momba an’ilay tantara. Tsy miteny mihitsy anefa izy ireo raha tonga dia asaiko milaza izay mampanahy azy.” Mazava ho azy fa tokony hovanao ny ora hatorian’ny zanakao, rehefa mihalehibe izy. Raha manana fahazarana tsara anefa ianareo, dia ho zatra hiresaka aminao foana ny zanakao.

Tsara koa raha zatra miara-misakafo ny mpianakavy, indray mandeha isan’andro fara fahakeliny. Mety hila hanovaova ny fotoana hisakafoanana ianareo mba hetezan’izany. Hoy i Charles, manan-janaka roa vavy: “Tara aho indraindray vao tonga avy miasa. Omen’ny vadiko sakafo maivana izy roa vavy mba tsy ho noana be. Ataony foana izay tsy hatorian’ny ankizy, mba hahafahanay mianakavy miara-misakafo. Mitantara ny zavatra nataonay nandritra ny andro izahay, mandinika andinin-teny iray, miresaka momba ny zava-manahirana anay, ary miara-mihomehy. Tena nisy vokany tsara teo amin’ny fianakavianay izany fahazarana izany.”

Aza avela hanelingelina ny fandaharam-potoanan’ny fianakavianao ny fitadiavam-bola, raha tianao hanana fahazarana tsara ny zanakao. Ampiharo ity torohevitry ny Baiboly ity: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’—Filipianina 1:10.

Inona koa no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanatsarany ny fifandraisany amin-janany?

[Teny notsongaina, pejy 7]

“Aoka ny zava-drehetra hatao amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana.”—1 Korintianina 14:40