Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy Mazava Tsara ny Fitsipika Mifehy ny Fianakaviana ary Ampiharo avy Hatrany

Ataovy Mazava Tsara ny Fitsipika Mifehy ny Fianakaviana ary Ampiharo avy Hatrany

4

Ataovy Mazava Tsara ny Fitsipika Mifehy ny Fianakaviana ary Ampiharo avy Hatrany

Nahoana izany no tena ilaina? Hoy i Ronald Simons, profesora ao amin’ny Oniversiten’i Géorgie: “Tsara toetra kokoa ny ankizy, raha asaina manaraka fitsipika voafaritra tsara ary sazina raha vao mandika izany. Raha tsy fehezina toy izany kosa izy dia lasa tia tena sy tsy sambatra ary mampijaly ny mpiara-belona aminy.” Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Izay tia zanaka dia manafay azy.”—Ohabolana 13:24.

Olana: Mila mametra ny zavatra azon’ny zanakao atao ianao, ary manao izay hampiharan’izy ireo izany. Mitaky fotoana sy ezaka ary fikirizana anefa izany. Tia mandika fitsipika koa ny ankizy matetika. Niresaka momba ny toetran’ny ankizy i Mike sy Sonia, izay manan-janaka roa vavy. Hoy izy ireo: “Manana ny heviny manokana sy ny zavatra tiany ny ankizy, ary mora manao zavatra tsy mety.” Tena tia zanaka izy ireo, kanefa nilaza hoe: “Mafy loha sy tia tena ny ankizy indraindray.”

Vahaolana: Tahafo ny fomba nitondran’i Jehovah ny firenen’ny Israely. Nataony mazava tsara ny lalàna tiany harahin’izy ireo. (Eksodosy 20:2-17) Nolazainy koa ny sazy miandry azy ireo raha mandika izany. (Eksodosy 22:1-9) Izany no anisan’ny fomba nampisehoany fa tia azy ireo izy.

Nahoana raha atao lisitra ny fitsipika tianao harahin’ny zanakao? Misy ray aman-dreny milaza fa tsara kokoa raha atao vitsivitsy ireny fitsipika ireny, angamba dimy eo ho eo. Mora ampiharina sy mora tadidina ny fitsipika vitsivitsy sy voafidy tsara. Soraty eo akaikin’ny fitsipika tsirairay ny sazy miandry an’izay tsy mankatò. Tokony ho voalanjalanja tsara ireo sazy ireo, ary tokony ho vonona hampihatra izany ianao. Mila jerena tsy tapaka ireo fitsipika ireo, amin’izay dia hahafantatra izay tokony hataony ny rehetra, anisan’izany i Dada sy Neny.

Ampiharo avy hatrany ilay sazy raha vao misy mandika fitsipika. Tokony ho tony sy ho hentitra ianao rehefa manasazy, ary tsy hiovaova hevitra. Tadidio fa tsy tokony hanasazy ianao raha mbola tezitra. (Ohabolana 29:22) Aza mangataka andro anefa. Aza manaiky raha mangataka ny hanalefahana an’ilay sazy ny ankizy. Raha tsy izany mantsy, dia tsy ho zava-dehibe amin’izy ireo ilay fitsipika. Hoy mantsy ny Baiboly: “Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ny fon’ny zanak’olombelona amin’ny fanaovan-dratsy.”—Mpitoriteny 8:11.

Inona koa no azonao atao mba hahasoa ny zanakao?

[Teny notsongaina, pejy 6]

“Aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.”—Matio 5:37