Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Ankizy Nanam-pinoana (Aogositra 2006) Tsy andriko izay hahitana an’i Dustin sy ireo maty hafa an-tapitrisany, ao amin’ny tontolo vaovao efa antomotra. Ho tanora mavitrika izy ireo amin’izay, ka hihazakazaka sy hitsambikimbikina.

A. A., Sri Lanka

Tena nanohina ny foko ny finoana sy ny herim-pon’i Dustin. Nanampy ahy izany mba handinika ny halalin’ny fitiavako ny fahamarinana, sy hanitsy ny fiainako. Fantatro izao fa ny hifandray tsara hatrany amin’i Jehovah, sy ny hikatsaka voalohany an’ilay Fanjakana no tokony ho zava-dehibe indrindra amiko.

M.C.V., Brezila

Nanohina ny foko ny halalin’ny fitiavan’i Dustin ny fahamarinana. Hita tamin’ny zavatra nataony fa naniry hampifaly an’i Jehovah sy hanampy ny hafa izy. Te ‘hahavita ny fihazakazahako sy hihazona ny finoana’ toa an’i Dustin koa aho!

M. N., Japon

Fito taona aho. Misaotra anareo namoaka an’io fitantarana io. Gaga aho nahita fa tena natanjaka ny finoan’i Dustin an’i Jehovah, na dia narary mafy aza izy. Mampirisika ahy hanompo an’Andriamanitra bebe kokoa ny ohatra navelany.

T. D., Italia

“Hitanao Ihany Aho, Jehovah!” (8 Oktobra 2004) Tena mampahery ny lahatsoratra toa an’io. Manome toky antsika izy ireny, fa sarobidy amin’i Jehovah ny ondriny rehetra. Tsaroany sy ampiany foana ny tsirairay aminy, na aiza na aiza misy azy ireo.

J. G., Kanada

Nampitomany ahy io lahatsoratra io. Tsy Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniko ka nampijaly ahy. Faly aho fa tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah foana i Nelly.

K. L., Jamaika

Roa ambin’ny folo taona aho. Tena mampahery ny mahafantatra fa manampy anao foana i Jehovah, na maro aza ny olana atrehinao ao an-trano.

J. W., Etazonia

“Nogadraina Noho ny Finoany” (Aprily 2006) Tsy Vavolombelon’i Jehovah aho, nefa tena miaiky fa manam-pinoana ireo mpivavaka namanareo. Nahita Vavolombelona maromaro aho, rehefa nigadra tany amin’ny toby fitanana tany Gross-Rosen sy Buchenwald. Nanaja sy nidera azy ireo ny mpigadra hafa rehetra, satria tena fakan-tahaka ny fitondran-tenany ary vontom-pinoana izy ireo. Na ny miaramila SS aza niaiky azy ireo. Horaisiko tsara foana izay Vavolombelon’i Jehovah tonga mitsidika ahy.

P. V., Etazonia