Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantaro ny Fihetseham-pon’ny Zanakao

Fantaro ny Fihetseham-pon’ny Zanakao

6

Fantaro ny Fihetseham-pon’ny Zanakao

Nahoana izany no tena ilaina? Tian’ny ankizy ho takatry ny ray aman-dreniny ny fihetseham-pony, satria izy ireo no olona sarobidy indrindra aminy. Raha kianin’ny ray aman-dreny foana anefa izay lazain-janany, dia mety tsy ho sahy hamboraka ny ao am-pony intsony izy. Mety tsy ho azony antoka koa raha ara-dalàna na tsia ny fihetseham-pony sy ny eritreriny.

Olana: Tia manitatra ny ankizy rehefa milaza ny ao am-pony sy ny eritreriny. Tena mety hampahatahotra ny ray aman-dreny ny zavatra sasany lazain-janany. Rehefa kivy, ohatra, ny ankizy, dia mety hilaza hoe: “Tsy te hiaina intsony aho!” * Mety hamaly avy hatrany ny ray aman-dreny hoe: “Aza miteny an’izany!” Mety hieritreritra izy ireo hoe raha tsy manohitra izay lazain-janany izy, dia toy ny mankasitraka izany.

Vahaolana: Araho ity torohevitry ny Baiboly ity: “Aoka [ianao] ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.” (Jakoba 1:19) Tsy mba nanohitra izay nolazain’ny mpanompony mahatoky i Jehovah Andriamanitra, rehefa namboraka ny tao am-pony izy ireo. Nasainy nosoratana tao amin’ny Baiboly kosa izany. (Genesisy 27:46; Salamo 73:12, 13) Niharan’ny fitsapana mafy, ohatra, i Joba, ka nilaza fa te ho faty.—Joba 14:13.

Marina fa nila nahitsy ny zavatra sasany nolazain’i Joba. Tsy nanao tsinontsinona ny fihetseham-pony anefa i Jehovah na nanakana azy tsy hiteny, fa nanaja azy kosa ka namela azy hamboraka ny tao am-pony. Avy eo i Jehovah vao nanitsy azy tamin-katsaram-panahy. Hoy ny raim-pianakaviana iray: “Avelan’i Jehovah hamboraka ny ao am-poko aho, rehefa mivavaka aminy. Rariny koa raha avelako hamboraka ny fihetseham-pony ny zanako, na mampahery ilay zavatra resahiny amiko na tsia.”

Mety hilaza aminao ny fihetseham-pony na ny eritreriny ny zanakao, amin’ny manaraka. Raha alaim-panahy hamaly ianao hoe: “Tsisy dikany izany!”, dia tsarovy ilay tenin’i Jesosy hoe: “Araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo no ataovy aminy koa.” (Lioka 6:31) Eritrereto hoe nanao fahadisoana ianao tany am-piasana ka bedy, na kivy ianao noho ilay zavatra nataonao. Mba namboraka izany tamin’ny namanao akaiky ianao, ary nilaza taminy fa tsy hainao mihitsy ilay asa. Inona no tianao holazain’ilay namanao? Tianao ve raha milaza izy hoe: “Tsy dia misy dikany izany, sady fahadisoanao koa ange ilay izy e!”? Sa aleonao izy milaza hoe: “Mafy tokoa izany nanjo anao androany izany”?

Toy ny olon-dehibe ihany ny ankizy. Mora mandray torohevitra kokoa izy ireo, raha tsapany fa tena mahatakatra ny manjo azy sy ny olana atrehiny, ilay olona manome torohevitra. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Ny fon’ny hendry mahahendry ny vavany sady manampy fahendrena eo amin’ny molony.”—Ohabolana 16:23.

Ahoana no ahazoanao antoka fa mety tsara ny torohevitra omenao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Aza hamaivanina ny tenin’ny zanakao raha milaza izy fa hamono tena.

[Teny notsongaina, pejy 8]

‘Izay mamaly teny mbola tsy re, dia hadalana ho azy izany.’—Ohabolana 18:13