Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Feon-kira Iray ao Roma

Feon-kira Iray ao Roma

Feon-kira Iray ao Roma

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ITALIA

Nanome aingam-panahy an’i Ottorino Respighi, mpanoratra italianina, ireo sarivongana mamoaka rano ao Roma sy ny feon’ny rano avoakan’izy ireny, ka namorona feon-kira hoe “Ireo Sarivongan’i Roma Mamoaka Rano” izy. Andeha hojerentsika ny iray amin’ireny sarivongana ireny, dia ny sarivongan’i Trevi. Tena mahavariana izy io.

Nanaraka arabe iray izahay, ary nivily teo amin’ny kihon-dalana iray. Tena tsy nampino ny zavatra hitanay. Sarivongana lehibe maromaro mamoaka rano mankeo amina dobo no nanoloana anay. Io ilay sarivongan’i Trevi. Mahatratra 20 metatra ny sakany, ary 26 metatra ny haavony. Kely ihany ny toerana misy azy, nefa makadiry be ilay izy, ka tena mahavariana!

Ny Papa Clément Faha-12 no nampanao azy io, ary i Niccolò Salvi, Italianina mpanao maritrano, no nanao ny planina. Tamin’ny 1732 no natomboka ny fanorenana azy, ary vita tamin’ny 1762. Rano avy amin’ny lakandrano Aqua Virgo no mankao. Efa hatramin’ny taonjato voalohany T.K. no nisian’io lakandrano io, izay miainga avy any amin’ny 13 kilaometatra miala an’i Roma.

Eo anoloan’ny lapa iray no misy an’ireo sarivongana mamoaka rano ireo. Ny ranomasina no tiana haseho amin’ilay izy. Ny sarivongan’i Océanos (na Neptune), izay lazaina fa andriamanitry ny ranomasina, no misongadina indrindra eo amin’ilay toerana. Mitaingina kalesy miendrika akorandriaka izy. Voalaza fa izy no manara-maso ny rano misasasasa mivoaka eo ambaniny. Mikoriana manodidina ny sarivongana hafa ilay rano avy eo, ary mianjera eo amin’ireo vato eny ambany. Toy ny fidoboky ny onja eny amoron-dranomasina ny feony. Misy dobo mitanty ireo rano, ary io no tena mibahana eo amin’ilay toerana. Toy ny hoe anisan’ireo sarivongana àry ilay toerana manontolo.

Io no iray amin’ireo toerana manintona mpizaha tany indrindra any Roma. An-jatony no mitsidika an’io toerana kely io isan’andro, ary manipy vola madinika ao anatin’ilay dobo. Ritina isan-kerinandro izy io, mba hakana ireo vola. Mahatratra 11 000 dolara (22 tapitrisa ariary eo ho eo) izany, ary omena ny fivavahana mpanao asa soa.

Nilaza i Respighi fa toy ny mihira ireo sarivongana mamoaka rano, ary toy ny miara-manandra-peo amin’izy ireo ny tanànan’i Roma noho ireo feo isan-karazany ao. Miavaka anefa ny feon’ny rano mivoaka eo amin’ny sarivongan’i Trevi, raha oharina amin’ny feon’ny rano avy amin’ireo sarivongana maro be manintona mpizaha tany ao Roma.