Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hamafiso ny Fifankatiavanareo

Hamafiso ny Fifankatiavanareo

2

Hamafiso ny Fifankatiavanareo

Nahoana izany no tena ilaina? Mila fitiavana ny ankizy, mba hitomboany ara-dalàna. Manamarina izany ny tenin’i Ashley Montagu, mpandinika ny olombelona. Hoy izy tamin’ny 1955 tany ho any: “Ny fitiavana no tena ilain’ny olombelona mba hitomboany ara-dalàna. Anisan’ny tena mahasalama ny olona ny fahatsapany hoe tiana izy, indrindra mandritra ireo enin-taona voalohany iainany.” Nilaza koa i Montagu hoe: “Misy vokany ratsy eo amin’ny ankizy ny tsy fahampiam-pitiavana.” Miombon-kevitra amin’i Montagu ny mpikaroka tatỳ aoriana.

Olana: Tsy manam-pitiavana sy tia tena ny olona eto amin’ity tontolo ity, ka misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisan’ny mpianakavy izany. (2 Timoty 3:1-5) Mandany vola koa ny fitaizana, ary mila fitiavana sy fikarakarana avy amin’ny ray aman-dreny ny ankizy. Mampitombo ny olana efa misy eo amin’ny mpivady izany. Mety ho efa tsy mahay mifampiresaka, ohatra, ny mpivady. Vao mainka àry hitombo ny olana, raha tsy mitovy hevitra izy ireo eo amin’ny fomba hanafaizana sy hamalian-tsoa ny ankizy.

Vahaolana: Manaova fandaharam-potoana raikitra mba hiarahan’ny fianakaviana. Tokony hanokana fotoana hiarahana koa ny mpivady. (Amosa 3:3) Tokony hanao zavatra mahasoa izy ireo, rehefa matory ny ankizy. Aza lanina hijerena tele izany fotoana sarobidy izany. Asehoy amin’ny teny sy ny atao fa tianao ny vadinao, mba tsy hihenan’ny fifankatiavanareo. (Ohabolana 25:11; Tonon-kiran’i Solomona 4:7-10) Aza mifantoka amin’ny fahadisoany, fa mitadiava fomba hiderana azy isan’andro.—Salamo 103:9, 10; Ohabolana 31:28.

Lazao amin’ny zanakao hoe tia azy ianao. Namela modely ho an’ny ray aman-dreny i Jehovah Andriamanitra rehefa nilaza ampahibemaso fa tiany ny Zanany. (Matio 3:17; 17:5) Hoy i Fleck, raim-pianakaviana any Aotrisy: “Hitako fa misy itoviana amin’ny voninkazo sasany ny ankizy. Mitodika any amin’ny masoandro ireny voninkazo ireny mba hahazoana hazavana sy hafanana. Manantena ny ray aman-dreniny koa ny ankizy, mba hitia azy sy hanome toky azy hoe sarobidy izy eo anivon’ny fianakaviana.”

Na manambady àry ianao na mitaiza irery ny zanakao, dia ampio ny fianakavianao mba hifankatia sy ho tia an’Andriamanitra. Hanatsara ny fifandraisanareo mianakavy izany.

Inona kosa no lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny fifehezana ny ankizy?

[Teny notsongaina, pejy 4]

‘Fatorana mampiray tonga lafatra ny fitiavana.’—Kolosianina 3:14