Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Dia Nahitan-doza

Ilay Dia Nahitan-doza

Ilay Dia Nahitan-doza

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

NIADY teo amin’ny ranomasina La Manche, eo anelanelan’i Angletera sy Frantsa, ny Anglisy sy ny Espaniola, tamin’ny taonjato faha-16. Nitondra sambo mpiady maro izy ireo. I Elizabeth I no mpanjakavavin’i Angletera tamin’izany. Protestanta izy. Katolika kosa i Philippe II, mpanjakan’i Espaina. Adin’ny Katolika sy Protestanta àry ilay izy. Hoy ilay boky hoe Resy ny Armada Espaniola (anglisy): “Nihevitra ny olona tamin’izany, fa io adin’ny Anglisy sy Espaniola tany La Manche io, no ho ady goavana farany hifanaovan’ny herin’ny mazava sy ny maizina.”

I Espaina no nanafika an’i Angletera, ary nitondra andian-tsambo mpiady atao hoe Armada Espaniola izy ireo. Nilaza ny Anglisy tamin’izany fotoana izany, fa “mbola tsy nahita tafika an-dranomasina goavana noho io.” Resy tanteraka anefa ny Espaniola. Nampalahelo fa an’arivony maro tamin’izy ireo no maty. Fa nahoana i Espaina no nandefa ny Armada, ary nahoana izy ireo no resy?

Nahoana izy ireo no nanafika an’i Angletera?

Efa an-taonany maro ny jiolahin-tsambo anglisy no nandroba ny sambo espaniola. Nazoto nanampy an’ireo Holandey nikomy tamin’ny fanjakana espaniola koa i Elizabeth, mpanjakavavin’i Angletera. Tetsy an-danin’izany, dia nihevitra i Philippe II, fa adidiny ny nanampy ny Katolika anglisy hamongotra ny Protestanta tany Angletera. Nihamaro mantsy ny Protestanta tany, ary noheverina ho mpivadi-pinoana izy ireo. Nasiana mompera sy mpanolo-tsaina momba ny fivavahana 180 teo ho eo àry niaraka tamin’ny Armada. Tsy maintsy nikonfesy sy nandray Kominio mihitsy aza ny mpiasa tsirairay tao amin’ilay andian-tsambo, isaky ny nivory!

Nafana fo tamin’ny fivavahany tokoa ny Espaniola sy ny mpanjakany. Hita izany rehefa jerena ny tenin’ilay Zezoita espaniola malaza, atao hoe Pedro de Ribadeneyra. Hoy izy: “Hiaraka amintsika ny Tompo Andriamanitsika, noho isika manohana ny fikasany sy ny finoana masina indrindra. Izy no kapitenintsika, ka tsy misy na inona na inona atahorantsika.” Tetsy an-danin’izany, dia nanantena ny Anglisy fa hiely haingana eran’i Eoropa ny foto-pinoana protestanta, raha resiny ny Espaniola.

Toa voalamina tsara erỳ ny paikadin’ny mpanjaka espaniola. Nasainy nankany La Manche ny Armada mba haka ny Andrianan’i Parme sy ireo miaramilany za-draharaha niisa 30 000, izay efa niandry tany Flandre. * Hiaraka hiampita an’i La Manche izy rehetra avy eo, ka hiantsona eo amoron-tsirak’i Essex, ary hiditra an-keriny any Londres. Nanantena i Philippe fa hivadika tamin’ilay mpanjakavavy protestanta ny Katolika anglisy, ary hanohana ny tafika espaniola.

Nisy lesoka lehibe anefa ny paikadin’i Philippe. Marina fa natoky izy hoe hanampy sy hitari-dalana azy Andriamanitra, nefa nisy zava-tsarotra roa tsy noeritreretiny. Voalohany, natanjaka be ny tafika an-dranomasina anglisy. Faharoa, sarotra ny nahita seranana tsy mampidi-doza ihaonana amin’ilay tafika tarihin’ny Andrianan’i Parme.

Tafika goavana fa nitsipozipozy

Ny Andrianan’i Medina-Sidonia no notendren’i Philippe hitarika ny Armada. Tsy nanana traikefa firy momba ny fanaovana dia an-dranomasina io andriana io, nefa tena nahay nandamin-javatra, ka nankatò azy avy hatrany ireo kapiteny za-draharaha teo ambany fifehezany. Niara-nifidy miaramila izy ireo, ary nanisy vatsy betsaka araka izay azo atao tao amin’ireo sambo. Nataony maty paika koa ny baiko sy fitsipika ary fomba fiady harahina eny an-dranomasina. Hiara-miasa tsara ny miaramila rehetra amin’izay, na dia samy hafa firenena aza.

Sambo 130 nitondra miaramila efa ho 20 000 sy tantsambo 8 000 àry no niala tao Lisbonne, ny 29 Mey 1588. Tratran’ny rivotra mifofofofo sy oram-baratra mahery anefa izy ireo, ka voatery nijanona tany La Corogne, any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Espaina. Nanamboatra ny sambo simba sy naka vatsy fanampiny izy ireo tao. Na izany aza dia natahotra ny Andrianan’i Medina-Sidonia sao tsy hahomby ilay fanafihana. Mbola tsy ampy mantsy ny vatsy, ary narary ny miaramila sy tantsambo sasany. Nanoratra tany amin’ny mpanjaka àry izy. Nanizingizina anefa i Philippe, fa tsy maintsy tanterahina hatramin’ny farany ilay ady. Nanohy ny diany àry ilay andian-tsambo, na dia efa nitsipozipozy aza. Tonga tany La Manche ihany ny Armada, roa volana taorian’ny nialany tany Lisbonne.

Ny ady tao La Manche

Tonga teo akaikin’ny morontsirak’i Plymouth, any amin’ny faritra atsimoandrefan’i Angletera ilay andian-tsambo espaniola. Efa niandry azy ireo tao ny sambo mpiady anglisy. Nitovy ny isan’ny sambon’izy roa tonta, saingy samy hafa ny endriny. Nisy tilikambo lehibe teo amin’ny loha sy vodin’ny sambo espaniola, ka toy ny lapa eny ambony rano no fijery azy. Avo be ny sambon’izy ireo, ary feno tafondro mavesa-be. Tsy mety hitifirana lavitra anefa ny ankamaroan’ny tafondrony. Tsy maintsy nankeny akaikin’ny sambon’ny fahavalony àry ny miaramila espaniola, ary nitsambikina nankao rehefa hanafika. Iva kosa ny sambo anglisy, ary haingam-pandeha kokoa. Maro kokoa ny tafondrony mahatifi-davitra, raha oharina amin’ny an’ny Espaniola. Tapa-kevitra ny kapiteny anglisy fa tsy hanakaiky ny sambo espaniola, fa hitifitra avy eny lavitra.

Hitan’ny Andrianan’i Medina-Sidonia fa natanjaka kokoa ny Anglisy. Tapa-kevitra àry izy fa hataony miendrika tandrok’omby ny filaharan’ny sambony, mba hahatohitra ny sambo anglisy. Halefany eny amin’ny sisiny roa ny sambo mafy indrindra sy manana tafondro mahatifi-davitra indrindra. Ho afaka hihodina sy hifanandrina amin’ny Anglisy foana ny Espaniola amin’izay, na avy aiza na avy aiza hiavian’izy ireo, tsy misy hafa amin’ny omby vonona hanoto ny liona manatona azy.

Raikitra àry ny ady. Nifanandrina indroa ny Anglisy sy ny Espaniola, saingy mbola tsy nanao ady goavana. Tena nety ilay fomba nandaharana ny sambo espaniola, ka tsy nisy rendrika izy ireo na dia notifirin’ny Anglisy tamin’ny tafondro mahatifi-davitra aza. Tapa-kevitra àry ny kapiteny anglisy fa hanakorontana ny filaharan’ny sambo espaniola, ary hanakaiky azy ireo. Tonga ny fotoana nahafahany nanao izany ny 7 Aogositra.

Nankatò ny baiko azony ny Andrianan’i Medina-Sidonia, ka nentiny hihaona tamin’ny Andrianan’i Parme sy ny tafiny ny Armada. Nandefa hafatra tany amin’io andriana io izy. Teo am-piandrasana ny valin’izany, dia nasainy niantsona teo akaikin’ny morontsirak’i Calais, any Frantsa ny sambo rehetra. Hitan’ny Anglisy fa tsy ho afa-miala eo haingana ny Espaniola, ka ho mora ny hanafika azy. Nandefa sambo valo feno zavatra mora mirehitra àry ny Anglisy, ary nanapoaka izany teny akaikin’ny sambo espaniola. Nikoropaka namindra ny sambony ny ankamaroan’ny kapiteny espaniola, mba handosirana ilay afo. Soa ihany fa nifofofofo tampoka ny rivotra, ka voatosika nianavaratra ny sambon’izy ireo.

Nanomboka àry ny ady goavana ny ampitso vao mangiran-dratsy. Nanakaiky ny sambo espaniola ny sambo anglisy, ka nitifitra azy ireo. Sambo telo, fara fahakeliny, no potika tanteraka, ary maro hafa no simba. Tsy afa-nanoatra ny Espaniola, satria tsy ampy bala.

Nisy oram-baratra be anefa avy eo, ka najanon’ny Anglisy ny fanafihany, ary ny ampitso maraina vao notohiziny. Efa tena vitsy ny balan’ny Espaniola tamin’izay. Vonona hiady ihany anefa izy ireo. Nataony indray ilay filaharana miendrika tandrok’omby. Mbola tsy nanapoaka tafondro akory anefa ny Anglisy, dia indreny ny sambo espaniola fa natosiky ny rivotra sy ny ranomasina nankeny amin’ireo dongom-pasik’i Zélande, eo amoron-tsirak’i Holandy. Loza ny niandry azy ireo, nefa tsy nisy azony natao!

Toa tsy nisy fanantenana intsony tamin’izay, kanjo niova ny lalan’ny rivotra, ka avotra ny Espaniola. Voatosika nianavaratra nankany afovoan-dranomasina mantsy izy ireo. Nosakanan’ny sambo anglisy anefa ny lalana miverina any Calais. Vao mainka natosiky ny rivotra nianavaratra ihany ny sambo espaniola efa nitsipozipozy. Hitan’ny Andrianan’i Medina-Sidonia fa tsy nisy azony natao intsony. Tapa-kevitra izy fa hody, ary hanao izay hamonjena sambo sy tantsambo ary miaramila maro araka izay azo atao. Tsy maintsy nihodina tany Ekosy sy Irlandy anefa ny lalany.

Vaky sambo noho ny oram-baratra

Tena mafy ny nanjo ny sambo espaniola teny an-dalana hody. Tsy ampy intsony ny sakafo. Kely ny rano satria nitete ireo barìka nasiana azy. Maro ny sambo simba be noho ny fanafihan’ny Anglisy, ka vitsy tamin’izy ireny no nahatanty dia an-dranomasina. Nisy oram-baratra mahery indray anefa teo akaikin’ny morontsiraka avaratrandrefan’i Irlandy, ary naharitra tapa-bolana izany. Tsy hita popòka ny sambo sasany! Ny hafa kosa hita teny akaikin’ny morontsirak’i Irlandy, ary efa potika tanteraka.

Tody tany Santander, any amin’ny faritra avaratr’i Espaina ihany ny sambo sasany, ny 23 Septambra. Sambo 60 teo ho eo sy ny antsasany monja tamin’ireo olona namita iraka no hany tafaverina. An’arivony no natelin’ny ranomasina. Ny maro hafa maty noho ny ratra, na ny aretina nahazo azy teny an-dalana hody. Mbola mafy ihany anefa ny nanjo an’ireo tody teny amoron-tsirak’i Espaina.

Hoy ihany ilay boky hoe Resy ny Armada Espaniola: “Maro ny [kapiteny sy tantsambo] tsy nanana sakafo ka noana mafy ary maty nony farany”, na dia efa mba tody teo amin’ny seranana espaniola ihany aza. Mitantara koa io boky io fa nisy sambo potika tanteraka, raha vao tonga teo amin’ny seranan’i Laredo, “satria tsy ampy intsony ny vatan-dehilahy afaka nampidina ny lay sy nandatsaka ny vatofantsika.”

Inona no dikan’ilay faharesena?

Nanjary natoky tena kokoa ny Protestanta tany Eoropa Avaratra rehefa resy ny Armada, na dia mbola nitohy ihany aza ny adin’ny Katolika sy Protestanta. Nino ny Protestanta fa nankasitrahan’Andriamanitra izy ireo matoa nandresy. Manaporofo izany ny soratra eo amin’ny meday anglisy iray, natao hahatsiarovana ilay ady. Izao no hita eo: Flavit יהוה et dissipati sunt 1588, na: “Notsofin’i Jehovah izy ireo ka resy 1588.”

Lasa firenena matanjaka indrindra eran-tany i Grande-Bretagne, tatỳ aoriana. Hoy ny boky Eoropa Maoderina Talohan’ny 1870 (anglisy): “Nanomboka tamin’ny 1763, dia i Grande-Bretagne no firenena natanjaka indrindra eran-tany, teo amin’ny sehatry ny varotra sy ny fanjanahan-tany.” Hoy koa ny boky Tafika An-dranomasina sy Fanjakana (anglisy): “Nifehy an’izao tontolo izao ny Fanjakana Britanika tamin’ny 1763. Toy ny hoe velona indray i Roma fahiny, ary nihalehibe.” Nitambatra tamin’i Etazonia, zanataniny taloha, i Grande-Bretagne, taorian’izay, ka lasa ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina.

Mahaliana ny Mpianatra ny Baiboly ny nisandratan’ireo firenena matanjaka sy ny nianjerany. Miresaka betsaka momba azy ireny mantsy ny Baiboly. Anisan’ireny i Ejipta, Asyria, Babylona, Media sy Persia, Gresy, Roma, ary ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Efa ela ny Baiboly no niresaka momba ny hisandratan’ny sasany amin’ireo firenena ireo sy ny hianjerany.—Daniela 8:3-8, 20-22; Apokalypsy 17:1-6, 9-11.

Hita fa tena nisy dikany lehibe izay nitranga tamin’ny 1588. Niezaka mafy ny Armada Espaniola mba handresy ny Anglisy, kanjo tsy nahomby. Lasa firenena matanjaka indrindra eran-tany àry i Grande-Bretagne, 200 taona teo ho eo tatỳ aoriana, ary nisy faminaniana avy ao amin’ny Baiboly tanteraka taminy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Anisan’ny faritra nofehezin’i Espaina nandritra ny taonjato faha-16 i Flandre. Tafiditra tamin’io faritra io i Holandy, Belzika, ary ny morontsiraka avaratr’i Frantsa.

[Kisary/​Sarintany, pejy 26, 27]

(Jereo ny gazety)

Ny dia nataon’ny Armada

—— Lalana nandeha nanafika

–– Lalana nody

X Toerana niadiana

ESPAINA

Lisbonne

La Corogne

Santander

FLANDRE

Calais

FARITR’I HOLANDY NOFEHEZIN’I ESPAINA

FARITR’I HOLANDY TSY LASAN’I ESPAINA

ANGLETERA

Plymouth

Londres

IRLANDY

[Sary, pejy 24]

Mpanjaka Philippe II

[Sary nahazoan-dalana]

Biblioteca Nacional, Madrid

[Sary, pejy 24]

Mpanjakavavy Elizabeth I

[Sary, pejy 24, 25]

Ny Andrianan’i Medina-Sidonia no nitarika ny Armada Espaniola

[Sary nahazoan-dalana]

Cortesía de Fundación Casa de Medina Sidonia

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Museo Naval, Madrid