Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko Raha Misy Mifosa Ahy?

Inona no Hataoko Raha Misy Mifosa Ahy?

Manontany ny Tanora Hoe...

Inona no Hataoko Raha Misy Mifosa Ahy?

Nanatrika fety aho, indray mandeha. Ny ampitson’iny ihany, dia nalaza be hoe nanao firaisana tamin’ny ankizilahy iray tonga tao aho. Lainga be anefa izany!”—Linda. *

“Maheno aho indraindray hoe misy ankizivavy miaraka amiko, hono. Olona tsy fantatro akory anefa ilay izy! Matetika ny olona mifosa no tsy mba manadihady, raha marina na tsia ny zavatra lazainy.”—Mika.

LASA mahaliana kokoa noho ny filma ny fiainanao rehefa misy mifosa ianao. Hoy, ohatra, i Amber, 19 taona: “Misy mifosa foana aho. Nalaza be, ohatra, fa bevohoka aho ary nanala zaza. Nisy nilaza koa fa mivarotra sy mividy ary mampiasa zava-mahadomelina aho. Tsy azoko mihitsy hoe maninona ny olona no manely resaka toy izany!”

Fifosana maoderina

Resaka am-bava mazàna no nielezan’ny tsaho, tamin’ny ray aman-dreninao mbola tanora. Mampiasa fitaovana maoderina kosa izao ny olona mba hifosana. Afaka manala baraka anao ny ankizilahy na ny ankizivavy iray ratsy saina, na dia tsy miteny indraim-bava akory aza. Mandefa e-mail sy hafatra ao amin’ny Internet fotsiny izy. Teny vitsy monja no soratany, ary olona maro be no andefasany azy. Voaray eo no ho eo ilay hafatra, ary efa may erỳ ny olona hamaky izany.

Misy milaza fa ny Internet indray izao no tena tian’ny olona hampiasaina mba hifosana, fa tsy ny telefaonina intsony. Misy pejy natokana hanalana baraka olona fotsiny ao amin’ny Internet indraindray. Malaza, ohatra, tato ho ato ilay atao hoe blog, na toerana ao amin’ny Internet ahafahanao milaza ny hevitrao. Feno fitantarana manala baraka olona ao amin’izy ireny. Zavatra tsy ho sahin’ilay mpitantara lazaina ampahibemaso mihitsy no soratany ao. Ny antsasany mahery tamin’ny tanora nadinadinina no nilaza fa efa nisy nanaratsy azy tao amin’ny Internet.

Ratsy foana ve anefa ny miresaka olona?

Miresaka olona

Marina sa diso izao:

Ratsy foana ny miresaka olona. Marina Diso

Inona no valiny marina? Tsy voatery ho ratsy foana ny miresaka olona, satria mety ho resaka tsotra fotsiny ilay izy. Milaza mihitsy aza ny Baiboly hoe: “Asio fiheverana ny fiainan’ny hafa.” (Filipianina 2:4, Fandikan-tenin’ny Taonjato Vaovao, anglisy) Tsy midika izany hoe tokony hitsabaka amin’ny raharaha tsy mahakasika antsika isika. (1 Petera 4:15) Ahalalan-javatra tsara ho fantatra anefa matetika ny miresadresaka. Ohatra hoe iza no hanambady, iza no teraka, ary iza no mila fanampiana. Tsy ho afaka hilaza mihitsy isika hoe manisy fiheverana ny hafa, raha tsy miresaka momba azy.

Mety hivadika mora foana ho fifosana anefa ny resadresaka tsotra. Andeha, ohatra, atao hoe misy milaza toy izao: “Tsy ratsy kosa raha i Nary sy Soa no miaraka an!” Mety hisy hamadika anefa io resaka tsotra io, ka lasa hoe: “Miaraka i Nary sy Soa.” Tsy fantatr’i Nary sy Soa akory amin’io fa misy resaka miely momba azy. Hilaza angamba ianao hoe: ‘Tsy dia olana izany.’ Ahoana anefa raha ianao no Nary na Soa? Tena tsy ho faly ianao!

Efa nisy nanely tsaho toy izany momba an’i Julie, 18 taona, ary tena nalahelo izy. Hoy izy: “Tezitra aho, ary lasa tsy natoky na iza na iza intsony.” Toy izany koa no nanjo an’i Jane, 19 taona. Hoy izy: “Nataoko izay hanalavirana an’ilay ankizilahy nolazaina fa miaraka amiko. Hitako hoe tsy rariny ilay izy. Mpinamana mantsy izahay ka tokony havela hifampiresaka fa tsy hofosafosaina.”

Misy vokany tena ratsy tokoa ny fifosana. Azo inoana anefa fa hiaiky ny maro amin’ireo nisy nifosa, fa efa mba nifosa olona koa izy. Rehefa misy olona manaratsy ny hafa, dia matetika isika no alaim-panahy handray anjara amin’ilay resaka. Nahoana? Hoy i Phillip, 18 taona: “Tsy te hieritreritra ny olana mahazo azy ny olona, ka aleony mifantoka amin’ny olana manjo ny hafa.” Inona àry no tokony hataonao raha hitanao fa mivadika ho fifosana ny resadresaka tsotra?

Avilio moramora ny resaka!

Eritrereto hoe mitondra bisikileta eo amin’ny lalana be olona ianao. Tena ilana fahaizana izany. Mety hisy toe-javatra tsy ampoizinao mantsy, ka tsy maintsy mivily, na mandeha miadana, na mijanona mihitsy ianao. Raha mailo sy mitandrina tsara ianao, dia ho hitanao izay mitranga eo alohanao ka hanao zavatra mifanaraka amin’izany ianao.

Toy izany koa rehefa miresaka. Matetika no hitanao avy hatrany rehefa mitady hivadika ho fifosana ilay izy. Nahoana raha avily moramora ny resaka? Tadidio fa mahatonga olana ny fifosana. Hoy i Mika: “Nanaratsy ankizivavy iray izay aho. Nilaza aho hoe adalan-dehilahy izy. Tonga tany am-poto-tsofiny ny teniko. Mbola tsy hadinoko hatramin’izao ny fomba niresahany tamiko. Nilaza izy fa nalahelo be satria niteniteny foana aho. Nilamina ihany ilay olana, saingy mbola nanenina aho taorian’izay satria nampalahelo olona!”

Marina fa mitaky herim-po ny mampijanona ny resaka mivadika ho fifosana. Tena ilaina anefa izany, araka ny tenin’i Carolyn, 17 taona. Hoy izy: “Mila tandremanao tsara izay lazainao. Mety hampiely lainga mantsy ianao, raha olona tsy atokisana no nandrenesanao zavatra iray.”

Araho ny torohevitra ato amin’ireto andinin-teny ireto, raha mitady hifosa olona ianao:

“Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota; fa izay mahatana ny molony no hendry.” (Ohabolana 10:19) Arakaraka ny maha be resaka anao no mety hilazanao zavatra hanenenanao. Aleo aza malaza ho tsy be teny, toy izay be resaka!

“Ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly; fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.” (Ohabolana 15:28) Mieritrereta alohan’ny hitenenana!

“Milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay.” (Efesianina 4:25) Alohan’ny hitantarana zavatra iray, dia hamarino tsara ilay izy.

“Araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo no ataovy aminy koa.” (Lioka 6:31) Mety ho zavatra marina no tianao horesahina momba ny olona iray. Mieritrereta anefa aloha hoe: ‘Ahoana raha izaho no eo amin’ny toeran’io olona io? Ho tiako ve raha tantaraina amin’ny hafa ilay zavatra mahakasika ahy?’

‘Aoka isika hiezaka hitady izay mampisy fihavanana sy izay ifampaherezana.’ (Romanina 14:19) Na dia zavatra marina aza no tantaraina, dia mety hisy voka-dratsiny izany raha toa ka tsy mampahery.

‘Ataovy tanjona ny hiaina amim-pilaminana, sy ny tsy hitsabaka amin’ny raharahan’ny hafa, ary ny hiasa amin’ny tananareo.’ (1 Tesalonianina 4:11) Aza variana loatra amin’ny fiainan’ny olona. Misy fomba tsara kokoa azonao ampiasana ny fotoananao.

Ahoana raha ianao no misy mifosa?

Ekenao angamba fa tokony hifehy tena isika mba tsy hifosa. Ahoana anefa raha ianao no misy mifosa? Mety ho tena mafy aminao izany. Hoy i Joanne, 16 taona, izay nisy nanaratsy: “Nihevitra aho hoe tsy hisy hinamana amiko intsony. Nitomany aho indraindray mandra-patoriko. Nahatsiaro ho afa-baraka tanteraka aho!”

Inona no azonao atao raha misy manely lainga momba anao?

Diniho izay nahatonga ilay olona hanao izany. Mila fantarinao hoe inona no mahatonga ny olona hifosa. Manao izany ny sasany mba ho be mpitia, satria hoe mahalala zavatra. Hoy i Karen, 14 taona: “Miresaka olona izy ireo, satria te hiseho hoe mahara-baovao.” Misy koa tanora mahatsiaro tena ho tsy misy vidiny, ka manaratsy ny hafa mba hahatsiarovany tena ho misy vidiny kokoa. Nilaza antony hafa i Renee, 17 taona. Hoy izy: “Mankaleo ny olona ny fiainany. Manely tsaho àry izy ireo mba hahatonga ny fiainany hisy zavatra miavaka sy mahaliana.”

Fehezo ny hatezeranao. Mety ho tezitra sy hahatsiaro tena ho afa-baraka ny olona iray, rehefa misy manely lainga momba azy. Raha tsy mifehy ny hatezerany anefa izy, dia mety hanaonao foana ka hanenina. Hoy ny Ohabolana 14:17: “Izay malaky tezitra dia manao adaladala.” Rehefa misy mifosa indrindra ny olona iray no tena mila mifehy tena. Marina fa sarotra izany. Raha manao izany anefa ianao, dia tsy hanao hadalana toy ilay olona nifosa anao.

Fantaro ny tena zava-misy. Manontania tena hoe: ‘Tena resaka momba ahy tokoa ve ilay izy? Tena nifosa ahy ve ry zareo, sa nisy resaka tsy nifankahazo fotsiny? Sao dia mora tezitra loatra aho?’ Marina aloha fa tena ratsy ny mifosa. Vao mainka anefa mety ho ratsy laza ianao, raha tsy mahafehy tena. Inona àry no azonao atao? Diniho ny tenin’i Renee. Hoy izy: “Malahelo be aho rehefa misy olona manaratsy ahy. Miezaka ny tsy hivaky loha amin’ilay izy anefa aho. Fantatro mantsy fa olon-kafa na zavatra hafa indray no horesahin’izy ireo amin’ny herinandro.” *

Ny vahaolana tsara indrindra

Milaza ny Baiboly hoe: ‘Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra. Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary, mahafehy ny tenany manontolo koa.’ (Jakoba 3:2) Tsy fahendrena àry ny mandray am-po an’izay rehetra lazain’ny olona momba antsika. Hoy ny Mpitoriteny 7:22: “Fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.”

Inona no vahaolana tsara indrindra hanoherana ny fifosana? Miezaha ho tsara fitondran-tena. Hoy i Jesosy: ‘Ny fahendrena dia hamarinin’ny asany.’ (Matio 11:19) Miezaha foana àry ho sariaka sy be fitiavana. Mety ho gaga ianao fa vetivety dia tsy hiely intsony ilay lainga momba anao, na ho zakanao ny vokany.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ireo anarana ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 33 Mety ho tsara indraindray ny manatona an’ilay olona nifosa anao, ka miresaka aminy amim-panajana momba izay nahatezitra anao. Tsy voatery hanao izany foana anefa ianao, satria “manarona fahotana maro be ny fitiavana.”—1 Petera 4:8.

ERITRERETO IZAO:

◼ Inona no azonao atao raha mitady hifosa olona ianao?

◼ Inona no hataonao raha misy mifosa anao?