Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza Mifehy ny Zanakao

Mahaiza Mifehy ny Zanakao

3

Mahaiza Mifehy ny Zanakao

Nahoana izany no tena ilaina? Asehon’ny fanadihadiana fa “mandray soa kokoa ny ankizy tezain’ny ray aman-dreny be fitiavana nefa mifehy tsara ny zanany, noho ireo ankizy tezain’ny ray aman-dreny milefitra loatra na masiaka be. Mahay mifandray amin’olona ny ankizy toy izany, matoky tena, ary falifaly kokoa. Kinga saina koa izy ireo any am-pianarana.”

Olana: Tsy tia fehezina ny ankizy, manomboka amin’ny fahazazany ka mandra-pahalehibeny. Hoy i John Rosemond, mpanoratra ny boky Fahefan’ny Ray Aman-dreny! (anglisy): “Fantatry ny ankizy avy hatrany hoe amin’ny fotoana toy inona ny ray aman-dreniny no tsy sahy mifehy azy na mora milefitra ... Rehefa tsy mampihatra ny fahefany ny ray aman-dreny, dia ny zanany no hanao izany.”

Vahaolana: Tsy tokony hanahy ianao hoe tsy ho tia anao intsony na ho kivy ny zanakao, rehefa mifehy azy ianao. Tsy ny ankizy no tokony hifehy ao an-tokantrano fa ny ray aman-dreny, araka ny fandaharana nataon’ilay Mpamorona ny fianakaviana. Mandidy ny ankizy koa i Jehovah Andriamanitra hoe: “Ankatoavy ny ray aman-dreninareo.”—Efesianina 3:14, 15; 6:1-4.

Ahoana àry no ahafahanao mifehy ny zanakao amim-pahalemem-panahy? Manahafa an’i Jehovah. Rain’ny olombelona rehetra izy, ka afaka manery antsika hanao ny sitrapony. Tsy manao izany anefa i Jehovah, fa mampirisika antsika kosa mba hampiseho ny toetra tsarantsika. Hoy ny Teniny: “Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao.” (Isaia 48:18) Tian’i Jehovah ny hankatoavantsika azy noho ny fitiavana, fa tsy noho ny tahotra. (1 Jaona 5:3) Tsy mitaky zavatra be loatra amintsika izy. Fantany fa handray soa isika raha manaraka ny fitsipiny momba ny fitondran-tena.—Salamo 19:7-11.

Ahoana no ahazoanao antoka fa mahay mandanjalanja ianao, rehefa mifehy ny zanakao? Tokony hiaiky aloha ianao fa izany no takin’Andriamanitra aminao. Tokony ho azonao antoka koa fa tena hahasoa anao sy ny zanakao ny manaraka ny fitsipi-pitondran-tena takin’Andriamanitra.—Romanina 12:2.

Inona avy àry no tokony hataonao rehefa mifehy ny zanakao?

[Teny notsongaina, pejy 5]

‘Faizo ny zanakao, dia ho fifalian’ny fanahinao izy.’—Ohabolana 29:17