Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety Hahafinaritra ve ny Fivavahana Amin’Andriamanitra?

Mety Hahafinaritra ve ny Fivavahana Amin’Andriamanitra?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mety Hahafinaritra ve ny Fivavahana Amin’Andriamanitra?

“MINO an’Andriamanitra aho ary tia azy”, hoy ny vehivavy iray mitonona ho Kristianina. ‘Mankaleo ahy anefa ny mandeha miangona.’ Izany koa ve no tsapanao? Leo, tsy afa-po, ary diso fanantenana ny sasany raha ny marina, ka lasa mamorona fomba manokana hivavahany amin’Andriamanitra.

Nilaza ny gazety iray vao tsy ela fa maro ny olona ankehitriny no manao izany. Mety tsy ho afa-po amin’izany anefa ny olona maniry hahita fifaliana amin’ny fivavahana amin’Andriamanitra. Nahoana? Satria mety mbola ho tratran’ilay fahadisoam-panantenana nahatonga azy hiala tamin’ny fivavahany indray izy.

Manorisory sy tsy ahitana fifaliana àry ve ny fanarahana ny fampianaran’ny Baiboly? Tsy izany velively! Mariho, ohatra, ny tenin’ity mpanao salamo ao amin’ny Baiboly ity: “Avia, aoka isika hihoby ho an’i Jehovah ... Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; aoka isika handohalika eo anatrehan’i Jehovah, Mpanao antsika.”—Salamo 95:1, 6.

Velom-pankasitrahana ny mpanao salamo iray hafa, ka nihira hoe: “Hianao irery ihany ..., no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” Antsoina hoe “ilay Andriamanitra falifaly” i Jehovah ao amin’ny Soratra Masina, ary matetika ireo mpivavaka aminy no naneho fifaliana, na taloha izany na ankehitriny.—Salamo 83:18; 1 Timoty 1:11.

Inona no antony mahafaly antsika?

Mila mahafantatra ny fomba nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika isika, mba hahitantsika fifaliana eo amin’ny fivavahantsika. Inona moa izany? “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao [olombelona], ka nomeny ny Zanany lahitokana [Jesosy Kristy] mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.

Lazain’ny Baiboly àry fa sitrapon’Andriamanitra ny “hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Timoty 2:3, 4) Izany akory tsy midika hoe mahay andinin-teny sasany ao amin’ny Baiboly fotsiny. Ilaintsika kosa ny ‘mahafantatra ny hevitr’izay’ vakintsika. Mitaky fianarana amim-pitandremana izany. (Matio 15:10) Inona no valisoa ho azo? “Ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” Hahafinaritra tokoa izany!—Ohabolana 2:1-5.

Nahatsapa fifaliana toy izany ny olona tany Beria, any Makedonia, tamin’ny taonjato voalohany. “Faran’izay nazoto nandray ny teny izy ireo”, rehefa nampianarin’ny apostoly Paoly ny tenin’Andriamanitra, “ka nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro hahitana raha izany tokoa no izy.” Tsy ho nazoto toy izany izy ireo, raha nahasorena na tsy nahafaly azy ny fianarana ny Soratra Masina.—Asan’ny Apostoly 17:11.

Hoy i Jesosy: “Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana.” (Matio 5:6) Olona maro ankehitriny no mientam-po erỳ satria mahazo ny sakafo ara-panahy ilainy, toy ny olona mosarena manomboka misakafo tsy tapaka indray. ‘Maro amin’izy ireo àry no tonga mpino’ toy ireo Berianina.—Asan’ny Apostoly 17:12.

Fomba fiaina

Milaza ny Asan’ny Apostoly 9:2 fa nanaraka fomba fiaina vaovao atao hoe “Ny Lalana” ny Kristianina voalohany. Tsy maintsy manao toy izany koa ankehitriny, ny olona maniry hahita fifaliana amin’ny fivavahana amin’Andriamanitra. Tokony havelan’izy ireo hanan-kery eo amin’ny fisainany sy ny fitondran-tenany isan’andro, ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

Nampirisika ny olona tany Efesosy toy izao àry ny apostoly Paoly: ‘Esory ny toetranareo taloha, izay mifanaraka amin’ny fitondran-tenanareo fahiny.’ Nila nanao zavatra bebe kokoa noho izany anefa izy ireo, araka ny tenin’i Paoly hoe: ‘Tafio ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy fahatokiana.’—Efesianina 4:22-24. *

Tena ho faly sy ho afa-po isika raha manaraka an’io torohevitra io, ka manova ny fiainantsika mba hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Inona no antony mahafaly antsika? Nanoratra ho an’ny Kristianina tany Kolosia i Paoly, ary nilaza fa nila nanao fanovana teo amin’ny fiainany izy ireo, ‘amin’izay dia handeha mendrika an’i Jehovah mba hankasitrahany tanteraka.’ (Kolosianina 1:10) Tena mahafaly tokoa ny mahafantatra fa ankasitrahan’Andriamanitra ny fomba fiainantsika! Mety hankasitrahany “tanteraka” mihitsy aza isika. Ahoana no hetezan’izany? Noho ny famelan-keloka.

Manota isika tsirairay ary samy mila ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Hoy i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 1:15: “Tonga teo amin’izao tontolo izao i Kristy Jesosy mba hamonjy ny mpanota.” Afaka mahazo famelan-keloka isika, noho i Jesosy nanao sorona ny ainy. Mahatsiaro ho maivamaivana àry ny tena mpivavaka, satria tsy itambesaran’ny fahatsiarovan-tena ho meloka intsony. Afaka manana feon’ny fieritreretana madio izy, ary ho faly tokoa satria matoky fa ho voavela ny helony, raha mbola miezaka mafy manao ny sitrapon’Andriamanitra izy.

Antony hafa ahitana fifaliana

Tsy irery ny olona manomboka mivavaka amin’ilay tena Andriamanitra. Izao no nosoratan’i Davida mpanao salamo: “Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’i Jehovah.” (Salamo 122:1) Mampitombo ny fifaliantsika tokoa ny mivory tsy tapaka miaraka amin’ny tena mpivavaka.

Nanoratra toy izao ny lehilahy iray, rehefa avy nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Tsara fanahy sy vonon-kanampy ireo olona nandray anay, ka hita fa tena mifandray akaiky izy rehetra. Tsy nikorontana ny tanora maro tao fa nilamina tsara, ary azo antoka fa mahafaly azy sy ny ray aman-dreniny izany. Tena velom-pankasitrahana aho fa nasaina tamin’iny fivoriana nampihetsi-po sy naharavoravo ahy iny.”

Mety hahafaly sy hahafinaritra anao koa ny fivavahana amin’i Jehovah, toy ny tsapan’i Davida taloha ela be. Nampirisika antsika toy izao izy: “Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana; mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana.” (Salamo 100:2) Ho finaritra amin’ny fivavahana amin’ilay tena Andriamanitra tokoa izay rehetra manompo azy amin’ny fo madio.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Hazava tsara aminao hoe mahafaoka inona avy izany fiovan-toetra izany, rehefa mamaky ny Efesianina toko faha-4 sy ny Kolosianina toko faha-3 ianao.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Inona no fototry ny fivavahana marina?—1 Timoty 2:3-6.

◼ Nahoana ny sorom-panavotan’i Kristy no mitondra fifaliana ho antsika?—1 Timoty 1:15.

◼ Hahafinaritra anao ny fivavahana amin’Andriamanitra raha mamonjy fivoriana ianao. Nahoana?—Salamo 100:1-5.

[Sary, pejy 10]

Mahafaly ny miara-mianatra Baiboly