Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitadiava Torohevitra Tsara

Mitadiava Torohevitra Tsara

1

Mitadiava Torohevitra Tsara

Nahoana izany no tena ilaina? Mety ho faly sahirana ny ray aman-dreny, rehefa mitrotro voalohany ny zanany vao teraka. Hoy i Brett, raim-pianakaviana any Grande-Bretagne: “Faly be aho sady talanjona. Tsapako koa hoe nisy andraikitra lehibe niandry ahy, nefa mbola tsy vonona ho amin’izany aho.” Hoy koa i Monica, renim-pianakaviana any Arzantina: “Nanahy aho sao tsy ho vitako ny hanome an-janako ny zavatra ilainy. Nieritreritra aho hoe ‘ho haiko ve ny hitaiza an’ity zanako vavikely ity, mba ho lasa olom-banona?’ ”

Fantatrao ve hoe nahoana ireo ray aman-dreny ireo no faly sahirana toy izany? Ny fitaizana tokoa no asa sarotra sy mahakivy indrindra, nefa koa mahafa-po sy mahafaly indrindra. Hoy ny raim-pianakaviana iray: “Indray mandeha tsy miverina ny fitaizana zaza iray.” Misy vokany lehibe eo amin’ny fahasalamana sy ny fahasambaran’ny ankizy ny fomba itaizana azy. Mety ho tsapanareo ray aman-dreny àry fa tena mila torohevitra tsara momba ny fitaizana ianareo.

Olana: Samy manana ny heviny momba ny fitaizana, ny olona. Nanaraka ny torohevitra nomen’ny ray aman-dreny na ny fivavahana ny mpivady, taloha, rehefa nitaiza ny zanany voalohany. Niova anefa izany ankehitriny. Misara-bazana ny fianakaviana any amin’ny tany maro, ary tsy tia fivavahana intsony ny olona. Ray aman-dreny maro àry no mitady torohevitra any amin’ny manam-pahaizana momba ny fitaizana. Azo ampiharina tsara ny torohevitra sasany omen’izy ireo. Mifanipaka anefa izany indraindray, ary tsy ela dia mety ho lany andro.

Vahaolana: Mitadiava torohevitra amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny olombelona. Izy mantsy no tena mahafantatra ny fomba tokony hitaizana ny ankizy. (Asan’ny Apostoly 17:26-28) Misy torohevitra mivantana sy ohatra azo ampiharina ao amin’ny Teniny, ary afaka manampy anao hahay hitaiza ny zanakao izy ireny. Hoy izy: “Hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.”—Salamo 32:8.

Inona no torohevitra omen’Andriamanitra ny ray aman-dreny, mba hanampiana azy ireo hitaiza tsara ny zanany?

[Teny notsongaina, pejy 3]

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao.”—Ohabolana 3:5