Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitondra Voka-tsoa ho An’ny Ankizy ny Fampianarana Azy Baiboly

Mitondra Voka-tsoa ho An’ny Ankizy ny Fampianarana Azy Baiboly

Mitondra Voka-tsoa ho An’ny Ankizy ny Fampianarana Azy Baiboly

Matetika no mahita voka-tsoa ny ray aman-dreny, rehefa miezaka mafy mampianatra ny zanany dieny mbola kely. Diniho ny tantaran’i Dorian, ankizy any Peroa, Amerika Atsimo. Efa-taona monja izy, dia efa nanao lahateny tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana tany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Vao niditra nianatra izy, dia efa nahay nanazava tamin’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra ny antony ara-baiboly tsy ankalazany Krismasy.

Tsy ela izay, tamin’izy dimy taona, dia nasaina nohazavainy tamin’ny mpiara-mianatra rehetra ny heviny momba ny Fetin’ny Ray. Nisy 500 teo ho eo ny mpianatra nihaino azy. Nanomana lahateny folo minitra, nifototra tamin’ny Efesianina 6:4, izy. Izao no foto-kevitr’ilay lahateniny: “Ny Andraikitry ny Ray.” Izao no famaranan-teniny: “Toy izay hankalaza ny Fetin’ny Ray isan-taona, dia tokony hanaja sy hankatò ny ray aman-dreniny isan’andro ny ankizy.”

Efa hatramin’ny 1943 no anisan’ny fivoriana fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-kerinandro ny Sekolin’ny Fanompoana. Natao hanampiana olona hahay handaha-teny kokoa izy io, na antitra izy ireo na tanora. Nanome fampiofanana ara-baiboly ilay sekoly, nanomboka tamin’io taona io, ho fanampin’ny fanabeazana efa omen’ny ray aman-dreny ny zanany.—Ohabolana 22:6.

Namaky Baiboly voalohany tao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana i Simon, ankizy any Soisa, tamin’ny Novambra 2005. Vao enin-taona monja izy tamin’izay. Nadinadinina tamin’ny fivoriambe iray nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, herintaona tatỳ aoriana. Nanontaniana azy hoe inona no ezaka nataony teo amin’ny fivavahany sy ny fanompoany an’Andriamanitra.

Tia manatrika fivoriana kristianina i Simon. Tonga foana izy, na dia reraka aza indraindray. Miara-mitory amin’ny fianakaviany koa izy. Isam-bolana, dia mahatratra 30 ka hatramin’ny 50 ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! voazarany amin’ny olona. Mandray azy ireny na ny antitra na ny tanora. Matetika koa izy no miresaka amin’ny rainy momba ny Baiboly sy mampirisika azy handeha hivory.

Azo antoka fa faly be ny ray aman-dreny mitaiza ny zanany “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah”, rehefa mampihatra izay ianarany ilay ankizy ka mamoa voan’ny fahamarinana.—Efesianina 6:4; Jakoba 3:17, 18.

[Sary, pejy 28]

Dorian tany am-pianarana

[Sary, pejy 28]

Simon tany amin’ny Efitrano Fanjakana