Ny Anton-dianay Tany Amin’ny Nosy Krismasy
Ny Anton-dianay Tany Amin’ny Nosy Krismasy
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY FIDJI
ANY amin’ny Oseana Pasifika no misy ny Nosy Kiritimati (tononina hoe Krismasy). Izy io no lehibe indrindra amin’ireo nosy 33 any Kiribati. * Tokotokony ho 388 kilaometatra toradroa ny velarany, izany hoe mitovy amin’ireo nosy 32 hafa mitambatra. Misy mponina 92 000 eo ho eo any Kiribati, ary 5 000 eo ho eo amin’izy ireo no any amin’ny Nosy Krismasy.
Nosinakorandriaka daholo ny nosin’i Kiribati, afa-tsy iray ihany. Ny Nosy Krismasy no nosinakorandriaka lehibe indrindra any, ary tsy any ihany, fa maneran-tany mihitsy!
Miavaka koa io nosy io satria akaikin’ny tsipika iraisam-pirenena mamaritra ny daty. Ny mponina any àry no anisan’ny mahita voalohany ny andro vaovao tsirairay sy ny taona vaovao. Ry zareo koa no voalohany manao an’ireo fankalazana fanao isan-taona, toy ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. *
Io nosinakorandriaka lavitra be io no tena falehan’ny voron-dranomasina avy any amin’ny tany mafana, rehefa hikotrika izy. Nisy nilaza vao haingana, fa varevaka 25 tapitrisa eo ho eo no nandeha tany isaky ny hikotrika.
Fantatra ihany ny tsiambaratelon’ny vorona
Tonga tao amin’io nosy io ilay kapiteny mpikaroka tany vaovao atao hoe James Cook, ny omalin’ny Krismasy 1777. Nantsoiny hoe Nosy Krismasy * ilay nosy. Tsy nahita olona tao izy na iray aza. Vorona be dia be kosa no hitany. Toa ny vorona ihany no nahalala ny toerana nisy an’ilay nosy, nandritra ny taona maro, ka toy ny hoe tsiambaratelon’izy ireo izany.
Indray mandeha, dia nitondra anay nitsangantsangana ny mpiambina tao amin’ny Sampan-draharaha Mikarakara ny Zavamiaina any An’ala. Tena nahafinaritra ny zavatra hitanay. Nisy vorona fotsifotsy tsara tarehy atao hoe samby nanidintsidina nitsena
anay, rehefa nentin’ilay mpiambina teny amin’ny torapasika izahay. Hoatran’ireny mba te hahafantatra anay ireny erỳ izy ireo, ka nanidina akaiky kely, nefa nataony izay tsy hahatratrarana azy. Toy ireny nisangisangy ireny izy. Nodinihiny daholo koa izay nataonay.Nisy andiana varevaka teo amin’ny tany tsy lavitra teo. Ana hetsiny izy ireo no tonga eo amin’ny Nosy Krismasy mba hikotrika. Rehefa tonga izy ireo, dia manidina andro aman’alina, mandritra ny herinandro vitsivitsy. Sady mihodidina ny toerana hanaovany akany izy no mitabataba. Miandry ny hahatongavan’ny namany rehetra izy vao midina, mba hanorina akany eo amin’ny tany.
Mandao ny akaniny ny varevaka kely rehefa feno telo volana, ary mandeha mitety ranomasimbe. Tsy midina etỳ an-tany izy ireo raha tsy rehefa vonona hanatody sy hikotrika, izany hoe rehefa afaka dimy na fito taona eo ho eo. Manidina foana izy ireo amin’ny ankabeazan’izany fotoana izany. Tsy afaka mitsingevana eny ambony rano mantsy izy, satria tsy dia misy menaka ny volony.
Nahita vorontoloho nipetraka tao amin’ny akaniny, niaraka tamin’ny zanany kely sy ny atodiny mbola tsy foy koa izahay. Manao akany ho an’ny zanany kely io voron-dranomasina io. Tsy mba tahaka izany ny samby, fa apetrany eny ambony rantsankazo fotsiny ny atodiny. Soa ihany fa matanjaka ny tongotra sy ny hohon’ny zanany rehefa foy, ka mahavita mamikitra tsara. Babo avy hatrany izahay nahita an’ireo zanaka samby voloina kely namikitra tamin’ny rantsankazo. Nahafatifaty koa ireo samby efa lehibe: fotsy botsiaka, ary mainty vava.
Nahatazana vorontomany nikotrika tao amin’ny toerana voaro tsara izahay, raha mbola nandehandeha. Tsy nety niala teo amin’ny atodiny mihitsy izy, sady nanara-maso tsara anay. Any amin’ny Nosy Krismasy no misy andiana vorontomany betsaka indrindra eran-tany. Araka ny filazan’ny sasany, dia tany koa no nahitana farany toerana fikotrehan’ny vorona pétrel avy any Polinezia sy Phoenix. Mbola misy karazam-borona maro mandeha mikotrika any. Anisan’izany ny vorompano, ny ngovo, ary ny bomomandry.
Toa tsy maka sarotra ny bomomandry rehefa misidina ambony be. Tena mahavariana ny fahaizany mitsimbadimbadika sy mitsingoloka eny ambony eny, rehefa hitsaingoka trondro eny am-bavan’ny sasany izy, na rehefa hifandrombaka ny poti-kanina atsipin’ny mpanjono. Tena ilainy ny fahakingana manidina toy izany, satria mahalana izy vao midina eny ambony rano. Mora tantera-drano toy ny an’ny varevaka mantsy ny volony, ary efa ho roa metatra koa ny elany, ka sarotra aminy ny miainga avy etỳ ambany.
Nahita voronkely atao hoe fandiafasika mivolombolamena koa izahay. Maro ny vorona mpifindra monina mankany amin’ny Nosy Krismasy rehefa ririnina. Anisan’izany ny fandiafasika. Misakafo sy mijanona ao izy rehefa avy manao dia an’arivony kilaometatra, avy any amin’ny toerana fikotrehany any amin’ny Faribolan-tendrontany Avaratra. Tena mahay lalana io vorona io, mba hahatongavana any amin’io nosy lavitra be io.
Ny tena anton-dianay
Efa mpankany amin’ny Nosy Krismasy izahay. Tsy hijery vorona akory no anton-dianay, fa mba hiaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any. Miara-mitory sy mivory izahay rehefa any. Mitokana be io toerana io, ka miteraka olana ho azy ireo izany. Nisy Rahalahy Vavolombelona maty tampoka, ohatra, taona maromaro lasa izay. Tsy nisy olona hanao lahatenim-pandevenana, ka ilay vadiny no tsy maintsy nisikina herim-po nanao izany. Tiany handre ny fanantenana omen’ny Baiboly ho an’ny maty mantsy ireo olona maro nanatrika teo.—Jaona 11:25; Asan’ny Apostoly 24:15.
Fandikan-tenin’ny Baiboly telo no efa misy amin’ny teny gilbert, izay fampiasan’ny olona any. Vitsy kosa ny boky ara-baiboly. Na izany aza, dia mamoaka gazety miloko atao hoe Ny Tilikambo Fiambenana ny Vavolombelon’i Jehovah isam-bolana. Mamoaka boky ara-baiboly hafa koa izy ireo. Mahagaga ny olona maro izany, satria latsaka ny 100 000 ny olona miteny an’io fiteny io eran-tany. Ireny boky ireny no ahafahan’ny Vavolombelona vitsivitsy any manao fivoriana sy manatontosa ny asa nampanaovin’i Jesosy, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Matio 24:14; Hebreo 10:24, 25.
Manahirana ny vahiny mazàna ny fitaterana. Any amin’ny Nosy Krismasy kosa, dia adiny telo monja no andehanana fiara miainga ao Londres mankany Polonina, mandalo an’i Tennessee! Ahoana no hetezan’izany? Anaran-tanàna hafakely ao amin’ny Nosy Krismasy ihany ny hoe Banana, Londres, Paris, Polonina, Tennessee, ary Tabwakea. Hita avy amin’izany hoe avy aiza ny olona sasany tonga voalohany tao amin’ilay nosy.
Indray mandeha, dia nisy dokotera tsara fanahy nanasa anay hiaraka aminy hankao Polonina, ka afaka nitory tao izahay. Sambany izahay no nitory tao. Adiny roa monja izahay no nijanona tao, ka nihazakazaka rehefa nitory isan-trano mba hamitana ny trano rehetra. Nihaino tsara ny hafatra ara-baiboly notorinay daholo ny olona sady nankasitraka. Nandray boky koa izy ireo, ary gaga be hoe nisy tamin’ny fiteniny izany.
Tena tianay ireo olona mipetraka lavitra any amin’ny Nosy Krismasy ireo. Tena mahafinaritra anay koa ireo vorona tsara tarehy any. Taona maro lasa izay, dia nihevitra ny Kapiteny Cook fa “natao ho an’ny vorona” fotsiny ilay nosy. Olona maro anefa ankehitriny no tsy miombon-kevitra aminy. Nataon’izy ireo ho akaniny ilay nosy, toy ny nataon’ny vorona ihany.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 Nosy Gilbert no niantsoana an’i Kiribati taloha. Tsy ireo nosy 16 nantsoina hoe Gilbert ihany izao no anisan’i Kiribati. Anisany koa ny nosy Phoenix, La Ligne, ary Banaba.
^ feh. 5 Mankatò ny didin’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mankalaza ny fahatsiarovana ny andro nahafatesany, indray mandeha isan-taona.—Lioka 22:19.
^ feh. 8 Misy nosy iray atao hoe Krismasy koa any amin’ny Oseana Indianina.
[Sarintany, pejy 16]
(Jereo ny gazety)
Nosy Krismasy
Banana
Tabwakea
Londres
Paris
Polonina
Tsipika iraisam-pirenena mamaritra ny daty
[Sary, pejy 16]
Bomomandry
[Sary nahazoan-dalana]
GaryKramer.net
[Sary, pejy 17]
Samby
[Sary nahazoan-dalana]
© Doug Perrine/ SeaPics.com
[Sary, pejy 17]
Ngovo
[Sary nahazoan-dalana]
Valerie & Ron Taylor/ ardea.com
[Sary, pejy 18]
Miara-mitory amin’ny Vavolombelona eo an-toerana
[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]
GaryKramer.net